Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHAROA

‘Nolotoinareo ny Toerako Masina’: Voaloto ny Fivavahana Madio

‘Nolotoinareo ny Toerako Masina’: Voaloto ny Fivavahana Madio

EZEKIELA 5:11

HEVITRA HODINIHINA: Lasa nanompo andriamani-diso sy naloto fitondran-tena ny olona tao Joda sy Jerosalema

Nofidin’i Jehovah ho ‘fananany sarobidy’ ny Israelita, ka tiany sy nokarakarainy tsara. (Eks. 19:5, f.a.p.) Inona anefa no navalin’izy ireo an’i Jehovah? Nanompo andriamani-diso ry zareo, sady amin’izay tao amin’ny tempoly mitondra ny anarany! Tena nanao izay nankarary ny fon’i Jehovah ry zareo sady nanimba ny lazany. Fa naninona ny Israelita no nahavita zavatra ratsy be hoatr’izany? Inona no ianarantsika momba ny fandravana an’i Jerosalema avy amin’ny faminanian’i Ezekiela? Ary inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ny firenena nanodidina an-dry zareo?

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 5

“Jereo ny Zavatra Ratsy sy Maharikoriko Ataon’izy Ireo”

Nahita zavatra efatra manafintohina i Ezekiela, ary mampiseho izy ireny hoe simba ny fifandraisan’ilay firenena manontolo tamin’i Jehovah.

TOKO 6

“Tonga Aminao Tokoa Izao ny Farany”

Hita amin’ireo karazana fampisehoana nataon’i Ezekiela hoe ahoana no hampisehoan’i Jehovah fa tezitra be tamin’ny olona tao Jerosalema izy.

TOKO 7

‘Tsy Maintsy ho Fantatr’izy Ireo fa Izaho no Jehovah’

Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony ireo firenena nanohitra an’i Jehovah sy nanenjika ny vahoakany na nitaona an-dry zareo hanao ratsy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ireo firenena ireo?