Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 6

“Tonga Aminao Tokoa Izao ny Farany”

“Tonga Aminao Tokoa Izao ny Farany”

EZEKIELA 7:3

HEVITRA HODINIHINA: Ny didim-pitsarana nolazain’i Jehovah momba an’i Jerosalema sy ny nahatanterahan’izany

1, 2. a) Inona no fihetsika hafahafa nataon’i Ezekiela? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Inona no dikan’ireo zavatra nataony ireo?

 NISY fihetsika hafahafa nataon’i Ezekiela mpaminany, ary vetivety ilay izy dia nalaza teo amin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona. Nipetraka tsy niteny tsy nivolana teo amin’ireo olona ireo izy nandritra ny herinandro, sady hoatran’ireny olona verivery saina ireny. Tampoka teo izy dia nitsangana, dia lasa nihidy tany an-tranony. Azo inoana fa gaga be ny manodidina nahita an’izany. Nivoaka indray izy avy eo dia naka biriky ary nataony teo alohany ilay izy, dia nanaovany sarisary teo amboniny. Vita izay dia nanangana manda kely nanodidina an’ilay izy izy, ary mbola tsy niteny ihany.​—Ezek. 3:10, 11, 15, 24-26; 4:1, 2.

2 Azo antoka fa nihabetsaka ihany ny olona tonga nijery teo, dia lasa saina hoe: ‘Fa inona àry ny dikan’ireo zavatra ataony ireo?’ Efa tatỳ aoriana vao azon’ireo Jiosy natao sesitany ireo fa faminaniana ilay fihetsika hafahafa nataon’i Ezekiela. Asehon’izy io fa hisy zavatra ratsy be hitranga satria tezitra be i Jehovah, ary ara-drariny raha tezitra izy. Fa inona ilay hitranga? Inona no vokatr’izy io teo amin’ny firenen’Israely? Ary nahoana ilay izy no mbola mahakasika ny olona manaraka ny fivavahana madio amin’izao?

“Makà biriky ... makà varimbazaha ... makà sabatra maranitra”

3, 4. a) Nampiseho fomba telo hampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny didim-pitsarany i Ezekiela. Inona avy izany? b) Inona no nataon’i Ezekiela mba hampisehoana fa hatao fahirano i Jerosalema?

3 Nasain’i Jehovah nanao karazana fampisehoana i Ezekiela tamin’ny 613 T.K. tany ho any. Tiany haseho hoe hampiasa fomba telo izy mba hanatanterahana ny didim-pitsarany momba an’i Jerosalema. Ireto avy izany: Hatao fahirano ilay tanàna, hijaly ny mponina ao, ary ho ringana ilay tanàna sy ny vahoakany. a Andao hojerentsika amin’ny an-tsipiriany ireo.

4 Hatao fahirano i Jerosalema. Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Makà biriky dia apetraho eo anoloanao ilay izy. ... Dia ataovy fahirano izy io.” (Vakio ny Ezekiela 4:1-3.) Mampiseho an’i Jerosalema ilay biriky. I Ezekiela kosa mampiseho ny tafika babylonianina, izay hampiasain’i Jehovah hanao fahirano an’ilay tanàna. Nasain’i Jehovah nanangana manda kely sy dongon-tany koa i Ezekiela, ary nasainy nanamboatra lohondry vy. Hapetrany manodidina an’ilay biriky ireo rehetra ireo. Asehon’ireo mantsy ny fitaovam-piadiana sy ny zavatra hafa hampiasain’ny fahavalo rehefa hanodidina sy hanafika an’ilay tanàna ry zareo. Nasain’i Jehovah naka “lasitra vy fanaova-mofo” na vy fisaka koa i Ezekiela, dia hoe hataony eo anelanelan’izy sy ilay tanàna kely ilay izy mba hampisehoana hoe hatanjaka be hoatran’ny vy ny miaramila hanafika an’i Jerosalema. Nataony ‘nanatrika an’ilay tanàna’ ny tarehiny avy eo. Nanao an’ireo rehetra ireo i Ezekiela, mba ho “famantarana ho an’ny taranak’Israely” hoe hisy zavatra tsy ampoizin’izy ireo mihitsy hitranga. Hampiasa ny tafiky ny fahavalo mantsy i Jehovah mba hanaovana fahirano an’i Jerosalema, nefa i Jerosalema no tanàna lehibe indrindra ho an’ny vahoakany satria ao no misy ny tempoliny!

5. Inona no nataon’i Ezekiela mba hampisehoana fa hijaly ny olona tao Jerosalema? Hazavao.

5 Hijaly ny vahoakan’i Jerosalema. Nandidy an’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Makà varimbazaha, vary orza, tsaramaso be, lantihy, ampemby, ary vary spelta [karazana varimbazaha], dia ... anaovy mofo. ... Holanjainao ilay izy, ka 20 sekely ny lanjan’ny sakafo hohaninao isan’andro.” Nanazava i Jehovah avy eo hoe: “Hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony ao Jerosalema.” (Ezek. 4:9-16) Naka ny toeran’ny mponin’i Jerosalema indray i Ezekiela eto. Hita tamin’ireo zavatra nataony ireo fa rehefa hatao fahirano ilay tanàna, dia hihena be ny tahirin-tsakafo ao. Zavatra tsy mahazatra no hanamboaran’ny olona mofo amin’izay. Midika izany fa hihinana an’izay hitany eny fotsiny sisa ny olona. Hoatran’ny niresaka mivantana tamin’ny mponin’i Jerosalema i Ezekiela rehefa nilaza hoe: “Hihinana ny zanany ny ray eo aminao, ary ny zanaka hihinana ny rainy.” Ahoana no hiafaran’ilay izy? Be dia be no hijaly satria hamely an-dry zareo “hoatran’ny zana-tsipìka mahafaty” ny mosary, ka “ho lasa taolana mifono hoditra sisa” ry zareo.​—Ezek. 4:17; 5:10, 16.

6. a) Naka ny toeran’iza avy i Ezekiela rehefa nanao an’ilay karazana fampisehoana fahatelo? b) Inona no tian’i Jehovah haseho rehefa nasainy ‘nolanjaina sy nozaraina ilay volo’?

6 Ho ringana ilay tanàna sy ny vahoakany. Naka ny toeran’i Jehovah i Ezekiela tamin’ity karazana fampisehoana ity sady naka ny toeran’ny Jiosy. Voalohany, nasehony ny zavatra hataon’i Jehovah. Izao no nasain’i Jehovah nataony: “Makà sabatra maranitra, ka ataovy toy ny harezan’ny mpanety izany.” (Vakio ny Ezekiela 5:1, 2.) Ny tanan’i Jehovah na ny didim-pitsarany no asehon’ny tanan’i Ezekiela mitazona sabatra, ary hampiasa ny tafika babylonianina izy mba hanatanteraka an’io didim-pitsarana io. Faharoa, nasehon’i Ezekiela izay hanjo ny Jiosy. Hoy i Jehovah taminy: “Kakaso ny lohanao ary esory ny volombavanao.” Nasain’i Jehovah nanao an’izany izy mba hampisehoana ny fomba hanafihana ny Jiosy sy hahafatesan-dry zareo. Nandidy an’i Ezekiela koa izy hoe: “Makà mizana ka lanjao sy zarao telo ilay volo.” Tiany haseho mantsy hoe tsy handeha ho azy fotsiny ny hanatanterahany ny didim-pitsarany momba an’i Jerosalema, fa efa nisy lamina napetrapetrany tsara momba an’izany.

7. Inona no tian’i Jehovah haseho tamin’ilay hoe nasainy nozarain’i Ezekiela telo ilay volo dia samy hafa ny zavatra nasainy natao tamin’izy telo?

 7 Inona no tian’i Jehovah haseho tamin’ilay hoe nasainy nozarain’i Ezekiela telo ilay volo avy nokakasany, dia samy hafa ny zavatra nasainy natao tamin’izy telo? (Vakio ny Ezekiela 5:7-12.) Nodoran’i Ezekiela ‘tao an-tanàna’ ny ampahatelon’ilay volo mba hampisehoana hoe ao Jerosalema ihany no ho faty ny olona sasany. Nasiany tamin’ny sabatra ‘teny amin’ny manodidina ny tanàna’ ny ampahatelony iray mba hampisehoana hoe misy indray any ivelan’ny tanàna no ho faty. Naparitany ‘teny amin’ny rivotra’ kosa ny ampahatelony farany mba ho hita hoe mbola hisy olona hiparitaka any amin’ny tany hafa, nefa hisy ‘sabatra hanenjika’ azy ireo. Midika izany fa izay tafavoaka velona ka miala ao an-tanàna, dia tsy hilamin-tsaina mihitsy na aiza na aiza hisy azy.

8. a) Inona no fanantenana hitantsika ao amin’ilay karazana fampisehoana nataon’i Ezekiela? b) Inona no manaporofo fa tanteraka ilay faminaniana momba an’ireo singam-bolo vitsivitsy?

8 Rehefa dinihina akaiky anefa ilay zavatra nataon’i Ezekiela, dia hita hoe misy fanantenana ihany. Nandidy an’i Ezekiela i Jehovah mba ‘haka singany vitsivitsy’ tamin’ilay volo avy nokakasany. Nasainy ‘nofonosiny tao anaty akanjony’ izany avy eo. (Ezek. 5:3) Hita amin’io didy io fa hisy vitsivitsy ho voavonjy ihany amin’ireo Jiosy hiparitaka any amin’ny tany hafa, anisan’izany ny Jiosy sasany niverina tany Jerosalema rehefa tapitra ny 70 taona naha babo an-dry zareo tany Babylona. (Ezek. 6:8, 9; 11:17) Tanteraka ve io faminaniana io? Izany mihitsy! Nilaza mantsy i Hagay mpaminany, taona maromaro tatỳ aoriana, izany hoe taorianan’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona, fa tafaverina tao Jerosalema ny sasany tamin’ireo Jiosy niparitaka tany amin’ny tany hafa. Tsy iza ireo Jiosy ireo fa “ireo lehilahy zokiolona nahita an’ilay trano taloha”, izany hoe ny tempolin’i Solomona. (Ezra 3:12; Hag. 2:1-3) Nataon’i Jehovah izay hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio taorian’izay, araka ny efa nampanantenainy. Mbola hiresaka bebe kokoa momba an’izany isika ao amin’ny Toko faha-9.​—Ezek. 11:17-20.

Mbola ho tanteraka ve io faminanian’i Ezekiela io amin’ny hoavy?

9, 10. Mampahatsiahy antsika ny zavatra lehibe mbola hitranga amin’ny hoavy ireo karazana fampisehoana nataon’i Ezekiela. Inona avy izany zavatra mbola hitranga izany?

9 Mampahatsiahy antsika ny zavatra lehibe lazain’i Jehovah hoe hitranga amin’ny hoavy ireo karazana fampisehoana nataon’i Ezekiela. Inona avy izany zavatra mbola hitranga izany? Hanao zavatra tsy ampoizina hoatran’ny nataony tamin’i Jerosalema i Jehovah. Fitondram-panjakan’olombelona no hampiasainy mba hanafihana ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:16-18) Hoatran’ny nanjo an’i Jerosalema ihany, dia “loza mbola tsy nisy hoatr’izany” no hitranga amin’ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Aramagedona.​—Ezek. 5:9; 7:5; Mat. 24:21.

10 Resahin’ny Baiboly fa rehefa horavana ny fivavahan-diso dia ho tafavoaka velona ny ankamaroan’ny mpivavaka ao aminy. Hatahotra ry zareo dia hitady toerana hiafenana miaraka amin’ny olona isan-karazany. (Zak. 13:4-6; Apok. 6:15-17) Mitovitovy amin’izany ny nataon’ny olona sasany tany Jerosalema. Tafavoaka velona tamin’ny fandravana an’ilay tanàna ry zareo, dia niparitaka ‘teny amin’ny rivotra.’ Hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faha-7 koa anefa fa na dia voavonjy aza ry zareo tamin’izay dia ‘nanatsoaka sabatra hanenjehana azy’ i Jehovah. (Ezek. 5:2) Hoatr’izany koa no hitranga amin’ny hoavy. Marina fa be dia be no ho tafavoaka velona dia hiafina, rehefa horavana ny fivavahan-diso. Tsy maintsy ho azon’ny sabatr’i Jehovah anefa ry zareo, na aiza na aiza hiafenany. Horinganina izy ireo amin’ny Aramagedona, miaraka amin’ny olon-kafa rehetra toy ny osy.​—Ezek. 7:4; Mat. 25:33, 41, 46; Apok. 19:15, 18.

Ho vita hatreo ny fitoriana vaovao tsara! Ho lasa hoatran’ny hoe “moana” isika amin’izay

11, 12. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoana, raha azontsika tsara ny dikan’ilay faminanian’i Ezekiela hoe hatao fahirano i Jerosalema? b) Inona ny fiovana mety hitranga eo amin’ny hafatra torintsika?

11 Mampahatsiahy antsika ny dikan’io faminaniana io hoe tokony hanao an’izay fara herintsika isika mba hanampiana ny olona ho lasa mpanompon’i Jehovah. Nahoana? Satria kely sisa ny fotoana ananantsika mba ‘hampianarana ny olona any amin’ny firenena rehetra ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy.’ (Mat. 28:19, 20; Ezek. 33:14-16) Tsy hitory hafatra famonjena intsony isika rehefa hanomboka hanafika ny fivavahan-diso ilay “tsorakazo famaizana”, izany hoe ny fitondram-panjakan’olombelona. (Ezek. 7:10) Ho vita hatreo ny fitoriana vaovao tsara! Ho lasa hoatran’ny hoe “moana” isika amin’izay, hoatran’i Ezekiela. Nisy fotoana mantsy izy lasa moana, izany hoe tsy afaka nilaza an’ilay hafatra nasaina notoriny. (Ezek. 3:26, 27; 33:21, 22) Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia hiezaka mafy hitady toromarika hamonjena ny ainy ny olona, ka hoatran’ny hoe “hitady fahitana any amin’ny mpaminany.” (Ezek. 7:26) Tsy hisy toromarika ho azony intsony anefa amin’izay sady tsy afaka ho lasa mpanara-dia an’i Kristy intsony ry zareo satria efa tara loatra.

12 Tsy hijanona hatreo anefa ny asa fitoriana. Mety hitory hafatra fanamelohana mantsy isika mandritra ny fahoriana lehibe, ary azo oharina amin’ny havandra be dia be io hafatra io. Ho fantatry ny olona mazava tsara avy amin’io hafatra io hoe efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity.​—Apok. 16:21.

“Ho avy ilay andro!”

13. Fa maninona i Ezekiela no nasain’i Jehovah natory nihorirana niankavia dia avy eo niankavanana?

13 Rehefa nanao an’ilay karazana fampisehoana i Ezekiela, dia nampiseho ny fomba handravana an’i Jerosalema sy ny fotoana hitrangan’izany. Nasain’i Jehovah natory nihorirana niankavia izy nandritra ny 390 andro, dia avy eo niankavanana indray nandritra ny 40 andro. Herintaona ny tsirairay amin’ireo andro ireo. (Vakio ny Ezekiela 4:4-6; Nom. 14:34) Azo inoana hoe nandritra ny ora vitsivitsy isan’andro ihany i Ezekiela no nanao an’izany. Asehon’ilay karazana fampisehoana hoe amin’ny taona firy i Jerosalema no ho rava. Nandritra ny 390 taona ny Israelita no nanota, ary azo inoana fa tamin’ny 997 T.K. izany no nanomboka, rehefa nizara roa ny fanjakan’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely. (1 Mpanj. 12:12-20) Nandritra ny 40 taona kosa no nanota ny olona tao Joda ary azo inoana fa nanomboka tamin’ny 647 T.K. izany. Tamin’io i Jeremia mpaminany no nirahina hampitandrina mazava tsara ny olona tao Joda hoe efa ho rava ny fanjakan-dry zareo. (Jer. 1:1, 2, 17-19; 19:3, 4) Samy tapitra tamin’ny 607 T.K. ireo fotoana roa ireo, ary tamin’io taona io mihitsy i Jerosalema no rava, araka ny efa nolazain’i Jehovah. b

Ahoana no nataon’i Ezekiela mba hampisehoana hoe amin’ny taona firy no ho rava i Jerosalema? (Fehintsoratra 13)

14. a) Ahoana no nampisehoan’i Ezekiela fa natoky izy hoe hotanterahin’i Jehovah ara-potoana ny teniny? b) Inona no hitranga alohan’ny handravana an’i Jerosalema?

14 Mbola tsy fantatr’i Ezekiela angamba hoe amin’ny taona firy marina no ho rava i Jerosalema, tamin’izy nahazo an’ilay faminaniana momba ny 390 andro sy 40 andro. Nandritra ny taona maro talohan’ilay fandravana anefa, dia imbetsaka izy no nampitandrina ny Jiosy hoe kely sisa dia hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah. Nilaza izy hoe: “Tonga aminao tokoa izao ny farany.” (Vakio ny Ezekiela 7:3, 5-10.) Tsy nisalasala mihitsy i Ezekiela hoe hotanterahin’i Jehovah ara-potoana ny teniny. (Isaia 46:10) Naminany koa izy hoe “hisesisesy ny loza” alohan’ny handravana an’i Jerosalema. Vokatr’ireny loza ireny, dia hikorontana be ny fiaraha-monina ary tsy hahavita hanao ny andraikiny intsony ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana.​—Ezek. 7:11-13, 25-27.

Hoatran’ny “vilany” nataingina ‘teo ambony afo’ i Jerosalema rehefa natao fahirano (Fehintsoratra 15)

15. Inona tamin’ilay faminanian’i Ezekiela no nanomboka tanteraka tamin’ny 609 T.K.?

15 Nanomboka tanteraka ilay faminaniana taona vitsivitsy taorian’ny nilazan’i Ezekiela an’ilay izy. Henony hoe nanomboka nisy nanafika i Jerosalema tamin’ny 609 T.K. Nisy nitsoka trompetra tamin’izay mba hiantsoana ny olona hiaro ny tanàna, nefa ‘tsy nisy nandeha niady’, araka ny efa nolazain’i Ezekiela. (Ezek. 7:14) Tsy niara-niady mba hiarovana an’ilay tanàna tamin’ny tafika babylonianina ny olona tao Jerosalema. Nieritreritra angamba ny Jiosy sasany hoe hamonjy an-dry zareo i Jehovah. Efa nanao an’izany mantsy izy rehefa nandrahona hanafika an’i Jerosalema ny Asyrianina. Nandefa anjely iray i Jehovah tamin’izay mba hamono ny ankamaroan’ny miaramila fahavalo. (2 Mpanj. 19:32) Tsy nisy anjely tonga anefa tamin’ity indray mandeha ity. Tsy ela taorian’izay dia lasa hoatran’ny “vilany” nataingina ‘teo ambony afo’ ilay tanàna natao fahirano, ary hoatran’ny “hena voatetika” tao anatin’ilay vilany ny olona tao. (Ezek. 24:1-10) Nijalijaly be ry zareo nandritra an’ilay fahirano. Naharitra herintaona sy tapany ilay izy ary rava ilay tanàna avy eo.

“Manangòna ... harena ho anareo any an-danitra”

16. Ahoana no ampisehoantsika fa matoky koa isika hoe hotanterahin’i Jehovah ara-potoana ny teniny?

16 Inona no ianarantsika avy amin’io ampahany amin’ny faminanian’i Ezekiela io? Misy ifandraisany amin’ny hafatra torintsika sy ny fomba andraisan’ny olona an’ilay izy ve izy io? Efa nanapa-kevitra i Jehovah hoe rahoviana no horinganina ny fivavahan-diso, dia tsy maintsy ho tanteraka ara-potoana izany satria izy manaja fotoana foana. (2 Pet. 3:9, 10; Apok. 7:1-3) Marina fa tsy fantatsika ny tena daty hitrangan’izany. Mankatò an’i Jehovah foana anefa isika, hoatran’i Ezekiela, ka mamerimberina mampitandrina ny olona hoe: “Tonga aminao tokoa izao ny farany.” Fa maninona? Mitovy amin’ny antony nanaovan’i Ezekiela an’izany ihany ny antony. c Rehefa nampita an’ilay faminanian’i Jehovah izy hoe ho rava i Jerosalema, dia tsy nino ny ankamaroan’ny olona. (Ezek. 12:27, 28) Nisy tamin’ireo Jiosy natao sesitany ireo anefa lasa te hampifaly an’i Jehovah tatỳ aoriana, dia niverina tany amin’ny taniny. (Isaia 49:8) Be dia be koa amin’izao ny olona tsy mety mino hoe hifarana izao tontolo izao. (2 Pet. 3:3, 4) Ampiantsika foana anefa izay olona vonona hiova mba hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana. Tsy hitsahatra hanao an’izany isika, raha tsy efa tapitra ilay fotoana noferan’i Jehovah hoe hahafahan’ny olona manaiky an’ilay hafatra.​—Mat. 7:13, 14; 2 Kor. 6:2.

Na betsaka aza no tsy mihaino antsika, dia miezaka foana isika mitady an’izay vonona hanompo an’i Jehovah (Fehintsoratra 16)

Nahoana ny olona tany Jerosalema no ‘nanipy ny volafotsiny teny an-dalana’? (Fehintsoratra 17)

17. Inona avy no hitranga amin’ny fahoriana lehibe?

17 Mampahatsiahy antsika koa ilay faminaniana hoe rehefa horinganina ny fivavahana dia ‘tsy handeha hiady’ hiaro ny fivavahany ny olona. Hiantso vonjy kosa ry zareo hoe: “Tompo ô, Tompo ô.” Rehefa tonga saina anefa ry zareo hoe tsy misy mamaly, dia “hiraviravy tanana” ary ‘hangovitra be.’ (Ezek. 7:3, 14, 17, 18; Mat. 7:21-23) Inona koa no hataon-dry zareo? (Vakio ny Ezekiela 7:19-21.) Izao no nolazain’i Jehovah momba ny olona tao Jerosalema: “Hatsipiny eny an-dalana ny volafotsiny.” Hitantsika amin’izany fa ho tonga saina ny olona mandritra ny fahoriana lehibe hoe tsy hahavonjy azy amin’ilay loza hitranga ny vola.

18. Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminanian’i Ezekiela?

18 Inona no ianarantsika avy amin’io ampahany amin’ilay faminaniana io? Mila manapa-kevitra isika hoe inona no hataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tadidio fa efa tara loatra ny olona tao Jerosalema vao nanao an’izany. Rehefa tonga saina ry zareo hoe kely sisa izy dia ho ringana miaraka amin’ny tanànany ary tsy hahavonjy azy ny harenany, dia izay ry zareo vao nanao zavatra. Izay ry zareo vao nanary ny fananany sy ‘nitady fahitana tany amin’ny mpaminany.’ (Ezek. 7:26) Isika kosa mahafantatra tsara hoe efa hifarana ity tontolo ratsy ity, ary matoky hoe tsy maintsy ho tanteraka izay nampanantenain’Andriamanitra. Nanapa-kevitra àry isika hoe aleo manangona harena any an-danitra, dia izay no atao zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Maharitra mantsy ny harena any an-danitra ary tsy hatsipy “eny an-dalana” mihitsy.​—Vakio ny Matio 6:19-21, 24.

19. Inona avy ny lesona hitantsika avy amin’ny zavatra nolazain’i Ezekiela tao amin’ilay faminaniana?

19 Inona avy ny lesona hitantsika avy amin’ny zavatra nolazain’i Ezekiela momba ny fandravana an’i Jerosalema? Mampahatsiahy antsika izany hoe kely sisa ny fotoana ananantsika mba hanampiana ny olona ho lasa mpanompon’i Jehovah. Miezaka mafy àry isika mba hampianatra ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy dieny mbola misy ny fotoana. Faly be isika rehefa misy olona manapa-kevitra hoe hanompo an’i Jehovah Raintsika! Marina fa mbola misy ihany ny olona tsy vonona hiova, nefa ampitandremantsika foana ry zareo hoe efa akaiky ny farany, hoatran’ny nataon’i Ezekiela. (Ezek. 3:19, 21; 7:3) Tapa-kevitra koa isika hoe hatoky an’i Jehovah foana sy hanaraka ny fivavahana madio, dia ny fanompoana azy foana no hataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.​—Sal. 52:7, 8; Ohab. 11:28; Mat. 6:33.

a Azo inoana hoe teo imason’olona i Ezekiela no nanao an’ireo karazana fampisehoana ireo. Nilaza mazava taminy mantsy i Jehovah hoe tokony hataony eo imason’ny olona niara-natao sesitany taminy ny fampisehoana sasany. Nasainy nahandro mofo sy nitondra entana ‘teo imason’izy ireo’, ohatra, izy.​—Ezek. 4:12; 12:7.

b Rehefa namela an’i Jerosalema ho rava i Jehovah, dia tsy ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda ihany no nampiharany didim-pitsarana fa ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely koa. (Jer. 11:17; Ezek. 9:9, 10) Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina, eo amin’ilay hoe “Fanisan-taona”: “Tamin’ny 997 T.K. ka hatramin’ny naharava an’i Jerosalema.”

c Mariho fa inenina be izao i Jehovah no nampiasa an’ilay hoe “ho avy” na ilay hoe “tonga”, ao amin’ny Ezekiela 7:5-7.