Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 13

Ianaro ny Fomba Niatrehan’​i Jesosy Fakam-panahy

Ianaro ny Fomba Niatrehan’​i Jesosy Fakam-panahy

MATIO 4:1-11 MARKA 1:12, 13 LIOKA 4:1-13

  • NAKA FANAHY AN’I JESOSY I SATANA

Nentin’ny fanahin’Andriamanitra nankany an-tany efitr’i Jodia i Jesosy raha vao avy nataon’i Jaona batisa. Maro ny zavatra tokony hoeritreretiny. “Nisokatra ny lanitra” tamin’izy natao batisa, ka tadidiny izay nianarany sy nataony tamin’izy tany an-danitra. (Matio 3:16) Tena nila nisaintsaina zavatra betsaka izy.

Nijanona 40 andro sy 40 alina tany an-tany efitra i Jesosy, ary tsy nihinana na inona na inona. Noana be izy avy eo. Naka fanahy azy àry i Satana Devoly ka niteny hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” (Matio 4:3) Nolavin’i Jesosy ilay fakam-panahy, satria fantany fa ratsy ny mampiasa ny fahaizany manao fahagagana mba hahazoana izay iriny.

Tsy nijanona hatreo ny Devoly, fa nitady tetika hafa. Nasainy nianjera avy teny an-tampon’ny tempoly i Jesosy. Tsy voasarika hanao an’izany zavatra mampitolagaga izany anefa izy. Nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina izy, mba hampisehoana fa ratsy ny mitsapa toetra an’Andriamanitra toy izany.

Tamin’ilay fakam-panahy fahatelo, dia nisy fomba nampisehoan’ny Devoly an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Hoy izy avy eo: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” Nanda an-kitsirano indray i Jesosy ka niteny hoe: “Mandehana ianao, ry Satana.” (Matio 4:8-10) Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy izy, satria fantany fa i Jehovah irery ihany no tsy maintsy anaovana fanompoana masina. Naleony tsy nivadika tamin’Andriamanitra.

Misy lesona raisintsika avy amin’ireo fakam-panahy ireo sy izay nataon’i Jesosy. Tena nisy ireo fakam-panahy ireo. Diso àry ny fiheveran’ny sasany hoe ny faharatsiana ao amin’ny olona fotsiny ny Devoly. Tena misy izy fa tsy hita maso. Asehon’io tantara io koa fa an’ny Devoly ny fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity ary izy no mifehy azy ireo. Raha tsy izany mantsy, ahoana moa no nahafahany nanolotra azy ireo an’i Jesosy mba hakana fanahy azy?

Nilaza koa ny Devoly fa homeny valisoa i Jesosy raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany. Homeny azy hatramin’ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Mety ho tojo fakam-panahy toy izany koa isika. Mety hataon’ny Devoly, ohatra, izay hahafahantsika hahazo harena na fahefana na toerana ambony eo amin’ity tontolo ity, ary ataony manintona be izany. Tena hendry isika raha manahaka an’i Jesosy ka tsy mivadika amin’Andriamanitra mihitsy, na inona na inona fakam-panahy mahazo antsika. Tadidio fa nandao an’i Jesosy ny Devoly, “mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Mety ho toy izany koa no hataony amintsika, ka tokony ho mailo foana isika.