Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 115

Efa Akaiky Ilay Paska Farany Natrehin’i Jesosy

Efa Akaiky Ilay Paska Farany Natrehin’i Jesosy

MATIO 26:1-5, 14-19 MARKA 14:1, 2, 10-16 LIOKA 22:1-13

  • NOKARAMAINA HAMADIKA AN’I JESOSY I JODASY ISKARIOTA

  • NANOMANA NY PASKA NY APOSTOLY ROA

Avy nampianatra an’ireo apostoly efatra i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Novaliany ny fanontanian’izy ireo momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.

Be atao i Jesosy tamin’iny 11 Nisana iny. Niverina tany Betania izy sy ny apostoliny avy eo satria hatory any. Tamin’izay angamba izy no niteny tamin’izy ireo hoe: “Fantatrareo fa rehefa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra hofantsihana amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’olona.”—Matio 26:2.

Toa nitokana i Jesosy sy ny apostoliny ny ampitso alarobia. Niteny mafy ny mpitondra fivavahana izy ny talata sady nampiharihary ny faharatsian’izy ireo. Nitady hevitra hamonoana azy àry izy ireo, ka tsy nisehoseho i Jesosy ny 12 Nisana. Tsy tiany mantsy raha hisy hanakana azy tsy hankalaza ny Paska miaraka amin’ny apostoliny. Natao ny ampitso hariva taorian’ny filentehan’ny masoandro ny Paska, izany hoe tamin’ny fiandohan’ny 14 Nisana.

Tsy nipetrapetraka fotsiny anefa ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka, talohan’ny Paska. Nivory teo an-tokotanin’i Kaiafa mpisoronabe izy ireo. Tezitra mantsy izy ireo satria nampiharihary ny faharatsiany i Jesosy. Nikaon-doha izy ireo “mba hisamborana an’i Jesosy amin-kafetsena, sy mba hamonoana azy ho faty.” Rahoviana izy ireo no hanao izany ary ahoana no hataony? Hoy izy ireo: ‘Tsy amin’ny fety sao hisavorovoro ny vahoaka.’ (Matio 26:4, 5) Natahotra izy ireo satria tian’ny olona maro i Jesosy.

Nisy olona tonga tao amin’ny mpitondra fivavahana tamin’izay. Gaga izy ireo fa i Jodasy Iskariota apostolin’i Jesosy ilay izy. Nataon’i Satana tao an-tsainy ny hamadika ny Tompony. Hoy i Jodasy: “Homenareo inona aho hamadihako azy ka hanolorako azy aminareo?” (Matio 26:15) Faly erỳ izy ireo ka “nifanaraka fa hanome azy farantsa volafotsy.” (Lioka 22:5) Farantsa volafotsy 30 ilay izy. Mariho fa vidina andevo ny sekely 30. (Eksodosy 21:32) Hita amin’izany fa nankahala an’i Jesosy sy nanao tsinontsinona azy ny mpitondra fivavahana. Nanomboka teo àry i Jodasy dia “nitady izay fotoana mety tsara hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy tamin’ireo, amin’ny fotoana tsy misy olona.”—Lioka 22:6.

Nanomboka ny alarobia tamin’ny filentehan’ny masoandro ny 13 Nisana. Io no alina fahenina sady farany nijanonan’i Jesosy tao Betania. Nisy fanomanana farany nila natao ny ampitson’iny mba hankalazana ny Paska. Nila nitady zanak’ondry izy ireo mba hovonoina sy hatsatsika alohan’ny 14 Nisana. Aiza izy ireo no hihinana ny Paska ary iza no hanomana an’ilay izy? Tsy nolazain’i Jesosy ireo tsipiriany ireo. Tsy afaka nampahafantatra an’ireo tamin’ny lehiben’ny mpisorona àry i Jodasy.

Angamba teo am-piandohan’ny alakamisy tolakandro i Jesosy no naniraka an’i Petera sy Jaona. Hoy izy: “Mandehana manomana ny Paska hohanintsika.” Hoy izy ireo: “Aiza no tianao hanomananay azy?” Namaly i Jesosy hoe: “Hisy lehilahy iray mitondra siny tany feno rano hifanena aminareo, raha vao miditra ny tanàna ianareo. Araho any amin’izay trano idirany izy. Ary izao no holazainareo amin’ny tompon’ilay trano: ‘Hoy ny Mpampianatra aminao: “Aiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin’ny mpianatro?”’ Ary izy hampiseho aminareo efitra malalaka any ambony rihana, izay efa misy fanaka. Ao no anomano ny Paska.”—Lioka 22:8-12.

Azo antoka fa mpianatr’i Jesosy ilay tompon-trano. Nety ho efa nampoiziny hoe hangataka hampiasa ny tranony i Jesosy amin’ny Paska. Hitan’i Petera sy Jaona tokoa izay rehetra nolazain’i Jesosy rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo. Nataon’izy ireo vonona àry ilay zanak’ondry sy ny zavatra nilaina tamin’ny Paska, ka afaka nankalaza ny Paska i Jesosy sy ny apostoly 12.