Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 107

Nanasa Olona Hanatrika Fanasambe Amin’ny Fampakaram-bady Ilay Mpanjaka

Nanasa Olona Hanatrika Fanasambe Amin’ny Fampakaram-bady Ilay Mpanjaka

MATIO 22:1-14

  • FANOHARANA MOMBA NY FANASAMBE AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY

Rehefa hifarana ny fanompoan’i Jesosy, dia nilaza fanoharana foana izy mba hampiharihariana ny faharatsian’ireo mpanora-dalàna sy lehiben’ny mpisorona. Te hamono azy àry izy ireo. (Lioka 20:19) Mbola te hampiseho ny faharatsian’izy ireo izy, ka nilaza izao fanoharana izao:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray nanao fanasambe tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an’ireo nasaina ho amin’ilay fanasambe, kanefa tsy nety ireo nasaina.” (Matio 22:2, 3) Nilaza hoe “fanjakan’ny lanitra” i Jesosy teo am-piandohan’ilay fanoharany. Tsy maintsy ho i Jehovah Andriamanitra àry ilay “mpanjaka.” Tonga dia mazava koa hoe ilay Zanak’i Jehovah nilaza an’ilay fanoharana no zanaky ny mpanjaka. Ireo nasaina kosa dia ireo hiara-manjaka amin’ilay Zanaka ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Iza ireo nasaina voalohany? Iza no voalohany nitorian’i Jesosy sy ny apostoly momba an’ilay Fanjakana? Ny Jiosy. (Matio 10:6, 7; 15:24) Nanaiky hanao ny fifaneken’ny Lalàna ny Jiosy tamin’ny 1513 T.K. ka ny fireneny no voalohany afaka ny ho anisan’ilay “fanjaka-mpisorona.” (Eksodosy 19:5-8) Oviana izy ireo no nantsoina ho amin’ilay ‘fampakaram-bady’? Hita fa nanomboka tamin’ny taona 29 izany, rehefa nanomboka nitory momba ny Fanjakan’ny lanitra i Jesosy.

Ahoana no nataon’ny ankamaroan’ny Israelita rehefa nasaina? Nilaza i Jesosy fa “tsy nety” nandeha izy ireo. Tsy neken’ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka hoe i Jesosy no Mesia sy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra.

Mbola afaka niova hevitra anefa ny Jiosy, satria hoy i Jesosy: “Naniraka mpanompo hafa indray [ilay mpanjaka], ka nilaza hoe: ‘Lazao amin’ireo nasaina hoe: “Efa voaomako ny sakafo antoandro, ary efa voavono ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Koa tongava atỳ amin’ny fanasambe.”’ Tsy niraharaha anefa ireo nasaina fa ny iray lasa nankany amin’ny sahany, ny iray nandeha nivarotra, ary ny sisa nisambotra an’ireo mpanompo, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.” (Matio 22:4-6) Nitranga izany tamin’ny vao niorina ny fiangonana kristianina. Mbola afaka ny ho anisan’ilay Fanjakana ny Jiosy tamin’io fotoana io. Nanda an’ilay fanasana anefa ny ankamaroany, ary nampijaly ny ‘mpanompon’ilay mpanjaka.’—Asan’ny Apostoly 4:13-18; 7:54, 58.

Inona no vokatr’izany teo amin’ilay firenena? Hoy i Jesosy: “Tezitra ny mpanjaka ka nandefa ny tafiny, ary nandringana an’ireo mpamono olona ireo sy nandoro ny tanànany.” (Matio 22:7) Nitranga izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema ‘tanànan’ny Jiosy.’

Tsy nisy azo nasaina intsony àry ve? Mbola nisy satria hoy i Jesosy: “Ary hoy [ilay mpanjaka] tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona tanteraka ny fanasambe, kanefa tsy mendrika ireo nasaina. Koa mandehana eny amin’ny lalana mankeny ivelan’ny tanàna, ary asao ho amin’ny fanasambe izay rehetra hitanareo.’ Dia lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nanangona izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy. Ary feno olona nandry ilika hisakafo ilay efitra fanaovana fampakaram-bady.”—Matio 22:8-10.

Nitranga izany rehefa nampian’ny apostoly Petera ho lasa Kristianina ireo tsy Jiosy sy ireo tsy nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Nahazo ny fanahy masina i Kornelio manamboninahitra romanina sy ny fianakaviany tamin’ny taona 36. Lasa afaka ny ho ao amin’ilay Fanjakan’ny lanitra noresahin’i Jesosy koa àry izy ireo.—Asan’ny Apostoly 10:1, 34-48.

Nasehon’i Jesosy fa tsy ireo rehetra tonga tao amin’ilay fanasambe no nankasitrahan’ilay “mpanjaka.” Hoy izy: “Rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo nasaina, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady izy. Koa hoy izy taminy: ‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Tsy nahateny ralehilahy. Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tanany sy ny tongony ka atsipazo ho any amin’ny haizina any ivelany izy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’ Fa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.”—Matio 22:11-14.

Nety ho tsy azon’ireo mpitondra fivavahana nihaino an’i Jesosy ny tiany holazaina sy izay nety ho vokatry ny teniny. Tezitra anefa izy ireo ary vao mainka tapa-kevitra ny hamono an’ilay nahatonga azy ireo ho afa-baraka.