Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 120

Sampany Mamokatra Izy Ireo Sady Naman’i Jesosy

Sampany Mamokatra Izy Ireo Sady Naman’i Jesosy

JAONA 15:1-27

  • ILAY TENA VOALOBOKA SY IREO SAMPANY

  • INONA NO TOKONY HATAO MBA HO TIAN’I JESOSY FOANA?

Toa efa taorian’ny misasakalina tamin’izay. Niresaka tsy an-kifonofono tamin’ny apostoliny tsy mivadika i Jesosy ka nampahery azy ireo. Mandrisika hanao zavatra ny fanoharana nolazainy.

Hoy izy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.” (Jaona 15:1) Efa noharina tamin’ny voalobok’i Jehovah ny firenen’Israely, taonjato maro talohan’izay. (Jeremia 2:21; Hosea 10:1, 2) Tsy nankasitraka azy ireo intsony anefa i Jehovah. (Matio 23:37, 38) Niresaka hevi-baovao àry i Jesosy tao amin’ilay fanoharana. Izy no voaloboka nambolen’ny Rainy nanomboka tamin’ny taona 29, tamin’izy nohosorany ny fanahy masina. Tsy izy ihany no voaloboka satria hoy izy:

‘Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esorin’ny Raiko daholo. Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa. Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo. Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka, raha tsy tafaray amin’ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo, raha tsy tafaray foana amiko. Izaho no voaloboka ary ianareo no sampany.’—Jaona 15:2-5.

Nampanantena an’ireo mpianany tsy mivadika i Jesosy fa handefa mpanampy izy rehefa lasa. Izany dia ny fanahy masina. Nahazo fanahy masina ny apostoly sy ny olon-kafa, 51 andro taorian’izay, ka lasa sampan’ilay voaloboka. Tsy maintsy tafaray foana amin’i Jesosy ireo “sampany” rehetra ireo. Nahoana?

Nanazava i Jesosy hoe: “Izay tafaray foana amiko, ary izaho tafaray aminy, no mamoa be. Tsy afaka manao na inona na inona mihitsy mantsy ianareo, raha misaraka amiko.” Hamoa be ireo “sampany” ireo, izany hoe ireo mpanara-dia azy tsy mivadika, rehefa manahaka ny toetrany sy mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ary manampy olona maro kokoa ho lasa mpianatra. Ahoana raha misy tsy tafaray amin’i Jesosy intsony ary lasa tsy mamokatra? Hoy i Jesosy: ‘Raha misy miala amiko, dia hariana eny ivelany izy.’ Hoy koa izy: “Angataho izay tianareo fa ho tonga aminareo izany, raha tafaray foana amiko ianareo ka mitoetra ao am-ponareo ny teniko.”—Jaona 15:5-7.

Efa indroa i Jesosy no nilaza hoe ilaina ny mitandrina ny didiny. Mbola naveriny izany. (Jaona 14:15, 21) Ahoana no tena anaporofoan’ny mpianany fa mankatò ny didiny izy ireo? Hoy izy: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.” Tsy ampy anefa ny hoe tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Hoy mantsy i Jesosy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany. Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.”—Jaona 15:10-14.

Nanaporofo ny fitiavany i Jesosy, ora vitsivitsy taorian’izay. Nanome ny ainy izy mba hamonjena an’izay rehetra maneho finoana azy. Tokony handrisika ny mpanara-dia azy hifankatia sy hahafoy tena koa izany. Io fitiavana io no hamantarana azy ireo, araka ny efa nolazain’i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:35.

Tokony ho zava-dehibe amin’ny apostoly ny niantsoan’i Jesosy azy ireo hoe ‘namany.’ Nahoana izy ireo no nantsoin’i Jesosy hoe ‘namany’? Hoy izy: ‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.’ Tombontsoa sarobidy ny hoe naman’i Jesosy sy mahalala izay nolazain’ny Rainy azy. Nila ‘namokatra hatrany’ anefa izy ireo raha te ho namany foana. Nilaza i Jesosy fa raha manao izany izy ireo, dia ‘homen’ny Ray azy ireo izay rehetra angatahiny aminy amin’ny anaran’i Jesosy.’—Jaona 15:15, 16.

Nahavita niaritra fitsapana ireo ‘sampany’, izany hoe ny mpianatra, satria nifankatia. Nampitandrina i Jesosy fa ho halan’izao tontolo izao izy ireo. Nampahery azy ireo anefa izy hoe: ‘Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo dia halan’izao tontolo izao.’—Jaona 15:18, 19.

Nohazavain’i Jesosy bebe kokoa avy eo hoe nahoana ity tontolo ity no hankahala azy ireo. Hoy izy: ‘Noho ny anarako no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.’ Nilaza i Jesosy fa toy ny hoe nanameloka an’ireo nankahala azy ny fahagagana nataony. Hoy izy: “Tsy ho nanan-keloka izy, raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza. Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa.” Nanatanteraka faminaniana ny fankahalan’ireny olona ireny.—Jaona 15:21, 24, 25; Salamo 35:19; 69:4.

Nampanantena indray i Jesosy fa handefa ny mpanampy, na ny fanahy masina. Afaka mahazo an’io hery lehibe io ireo rehetra manara-dia azy. Hanampy azy ireo izy io mba hamokatra, izany hoe “hanome porofo” na hitory.—Jaona 15:27.