Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 108

Vitan’i Jesosy ny Niala Tamin’ny Fandrik’ireo Nanohitra Azy

Vitan’i Jesosy ny Niala Tamin’ny Fandrik’ireo Nanohitra Azy

MATIO 22:15-40 MARKA 12:13-34 LIOKA 20:20-40

  • ALOAVY AMIN’I KAISARA IZAY AN’I KAISARA

  • FANAMBADIANA SY FITSANGANANA AMIN’NY MATY

  • NY DIDY LEHIBE INDRINDRA

Tezitra ny mpanohitra an’i Jesosy, satria nilaza fanoharana mampiharihary ny faharatsian’izy ireo izy. Nanao tetika àry ny Fariseo ka nanakarama ny mpianatr’izy ireo mba hamandrika azy. Nataony izay hitenenan’i Jesosy zavatra azo iampangana azy any amin’ny governora romanina.—Lioka 6:7.

Hoy izy ireo: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mizaha tavan’olona ianao, fa marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra. Koa azo atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin’i Kaisara?” (Lioka 20:21, 22) Tsy voafandrik’ilay fandokafana i Jesosy. Fantany fa mpihatsaravelatsihy sy fetsy izy ireo. Ho azon’izy ireo ampangaina ho mikomy amin’ny Romanina i Jesosy raha nilaza hoe ‘tsy tokony handoa hetra.’ Raha niteny indray izy hoe ‘tokony handoa hetra’, dia nety ho diso fandray ny teniny ny olona ka hanohitra azy satria izy ireo tsy te hofehezin’ny Romanina.

Hoy àry i Jesosy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy? Asehoy ahy ny vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy.” Nitondra denaria iray ireo, ka hoy izy: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Hoy ireo: “An’i Kaisara.” Nilaza toromarika mety tsara i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Matio 22:18-21.

Nahay namaly i Jesosy ka gaga izy ireo sady tsy nahita holazaina ary lasa. Mbola nisy niezaka namandrika azy anefa avy eo. Ny Sadoseo indray no nanatona azy rehefa tsy nahafandrika azy ny Fariseo.

Tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty ny Sadoseo. Nanontany momba an’izany sy momba ny fitondrana loloha àry izy ireo, ka nanao hoe: “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha misy lehilahy maty tsy niteraka, dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’ Koa nisy fito mirahalahy teto aminay. Nanambady ilay voalohany, ary maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny. Toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito. Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy rehetra.”—Matio 22:24-28.

Nanaiky ny asa soratr’i Mosesy ny Sadoseo, ka naka teny avy tao i Jesosy. Hoy izy: “Diso hevitra ianareo satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra. Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. Raha ny amin’ny maty izay hatsangana, tsy novakinareo ve ny ao amin’ny bokin’i Mosesy, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, dia ny nilazan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona. Koa diso hevitra mihitsy ianareo.” (Marka 12:24-27; Eksodosy 3:1-6) Nampitolagaga ny vahoaka ny valin-teniny.

Vitan’i Jesosy ny nampangina ny Fariseo sy Sadoseo, ka niray hina mba hitsapa azy indray izy ireo. Hoy ny mpanora-dalàna iray: “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”—Matio 22:36.

Namaly i Jesosy hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Tsy misy didy lehibe noho ireo.”—Marka 12:29-31.

Hoy àry ilay mpanora-dalàna: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy.’ Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.” Tsy diso ny teniny, ka hoy i Jesosy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”—Marka 12:32-34.

Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy nandritra ny telo andro, izany hoe ny 9 sy 10 ary 11 Nisana. Faly nihaino azy ny olona sasany, toa an’ilay mpanora-dalàna. Tsy toy izany kosa ny mpitondra fivavahana. ‘Tsy sahy nanontany azy intsony’ izy ireo.