Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 110

Ny Andro Farany Nankanesan’i Jesosy tao Amin’​ny Tempoly

Ny Andro Farany Nankanesan’i Jesosy tao Amin’​ny Tempoly

MATIO 23:25–24:2 MARKA 12:41–13:2 LIOKA 21:1-6

  • MBOLA NANAMELOKA AN’IREO MPITONDRA FIVAVAHANA I JESOSY

  • HO RAVA NY TEMPOLY

  • MPITONDRATENA MAHANTRA NANOME VOLA MADINIKA ROA

Mbola nahariharin’i Jesosy fa mpihatsaravelatsihy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, tamin’ny andro farany nankanesany tao amin’ny tempoly. Notsoriny fa mpihatsaravelatsihy izy ireo, ka nilaza izao sarin-teny izao izy: “Diovinareo ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia, nefa ny ao anatiny feno zavatra norobaina sy feno fanaranam-po. Ry Fariseo jamba, diovy aloha ny atin’ny kaopy sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany.” (Matio 23:25, 26) Nitandrina be ny Fariseo mba hanaraka ny lalàna momba ny fahadiovana sady nataony tsara be ny fisehoany ivelany. Tsy nandinika ny toetrany anefa izy ireo sady tsy nanadio ny fony.

Nazoto nanorina sy nandravaka fasana ho an’ny mpaminany koa izy ireo. “Zanak’ireo namono ny mpaminany” anefa izy ireo, hoy i Jesosy. (Matio 23:31) Marina izany satria nitady hamono an’i Jesosy izy ireo. (Jaona 5:18; 7:1, 25) Mpihatsaravelatsihy tokoa izy ireo.

Nolazain’i Jesosy avy eo izay miandry an’ireo mpitondra fivavahana ireo raha tsy mibebaka izy ireo. Hoy izy: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?” (Matio 23:33) Fandoroana fako ny Lohasahan’i Hinoma (Gehena), izay tsy lavitra teo. Ilazana ny fandringanana mandrakizay miandry ny mpanora-dalàna sy Fariseo ratsy fanahy izy io.

Ho “mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso” hisolo tena an’i Jesosy ny mpianany. Ahoana no hitondran’ny olona azy ireo? Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana: ‘Ny [mpianatro] sasany hovonoinareo ho faty sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna. Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoinareo.’ Nampitandrina i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” (Matio 23:34-36) Tanteraka izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema ka Jiosy ana hetsiny no maty.

Nalahelo i Jesosy nieritreritra an’izany zavatra mahatsiravina izany ka hoy izy: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Matio 23:37, 38) Azo antoka fa nieritreritra ny mpihaino hoe inona io ‘trano’ io. Nety ho ilay tempolin’i Jerosalema izay tsara tarehy sy toa narovan’Andriamanitra ve izy io?

Hoy i Jesosy avy eo: “Lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo manomboka izao, mandra-pilazanareo hoe: ‘Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’ ” (Matio 23:39) Naka teny tao amin’ny Salamo 118:26 izy teo. Izao ilay faminaniana ao: “Hotahina anie Ilay ho tonga amin’ny anaran’i Jehovah! Avy ao an-tranon’i Jehovah no irarianay fitahiana ho anareo.” Mazava ho azy fa tsy nisy olona tonga tamin’ny anaran’i Jehovah intsony tao amin’ny tempoly rehefa rava izy io.

Nankao amin’ilay toerana nisy ny vata fandatsaham-bola tao amin’ny tempoly i Jesosy avy eo. Nisy lavaka kely fandatsahana fanomezana ny tampon’ireo vata. Nahita Jiosy maro nandatsaka vola i Jesosy ary anisan’izany ny mpanankarena izay “nandatsaka vola madinika be dia be.” Nandinika mpitondratena nahantra iray nandatsaka ‘vola madinika roa faran’izay kely vidy’ izy avy eo. (Marka 12:41, 42) Azo antoka fa fantany hoe tena nahafaly an’Andriamanitra ny fanomezan’ilay vehivavy.

Nantsoin’i Jesosy ny mpianany ary hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola.” Fa nahoana? Hoy i Jesosy: ‘Izy rehetra nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.’ (Marka 12:43, 44) Tena tsy nitovy tamin’ny an’ny mpitondra fivavahana ny toe-tsain’ilay vehivavy sy ny zavatra nataony.

Hoy ny mpianatra iray rehefa nandao ny tempoly i Jesosy tamin’io 11 Nisana io: “Mpampianatra ô, jereonao ange ireto vato sy trano ireto e!” (Marka 13:1) Tena lehibe ny vato sasany tamin’ny rindrin’ny tempoly, ka hoatran’ny hoe matanjaka sy haharitra ilay tempoly. Mahagaga àry ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hitanao ve ireo trano be ireo? Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”—Marka 13:2.

Namakivaky ny Lohasahan’i Kidrona i Jesosy sy ny apostoly avy eo, ary niakatra teo amin’ny toerana iray teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Tafaraka tamin’i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona teo i Jesosy, taorian’izay. Nahatazana an’ilay tempoly tsara tarehy izy ireo teo.