Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 132

“Zanak’Andriamanitra Tokoa Io”

“Zanak’Andriamanitra Tokoa Io”

MATIO 27:45-56 MARKA 15:33-41 LIOKA 23:44-49 JAONA 19:25-30

  • MATY TEO AMIN’NY TSATO-KAZO I JESOSY

  • NISY ZAVA-NITRANGA TSY NAHAZATRA TAMIN’IZY MATY

“Ora fahenina” tamin’izay, izany hoe mitataovovonana. Nisy haizina hafahafa ‘nanarona an’ilay faritra manontolo hatramin’ny ora fahasivy’, na tamin’ny telo ora tolakandro. (Marka 15:33) Tsy vokatry ny fanakona-masoandro ilay haizina. Rehefa tsinam-bolana mantsy no misy fanakona-masoandro, nefa fenomanana tamin’izay satria fotoanan’ny Paska. Naharitra ela koa ilay haizina fa tsy minitra vitsy toy ny fanakona-masoandro. Andriamanitra àry no nahatonga azy io.

Alao sary an-tsaina ny vokatr’io haizina io teo amin’ireo naneso an’i Jesosy. Nanatona an’ilay hazo fijaliana ny renin’i Jesosy, Salome, Maria Magdalena, ary Maria renin’i Jakoba kely apostoly.

Niaraka tamin’i Maria renin’i Jesosy ‘teo akaikin’ny hazo fijaliana’ ny apostoly Jaona. Nalahelo be i Maria ka toy ny “voatrobaky ny sabatra”, rehefa nahita an’ilay zanaka naterany sy notezainy nijalijaly teo amin’ny tsato-kazo. (Jaona 19:25; Lioka 2:35) Nanaintaina be i Jesosy nefa mbola nihevitra izay hahasoa ny reniny. Niezaka nanetsika ny lohany nanondro an’i Jaona izy sady niteny tamin’ny reniny hoe: “Io ny zanakao, ravehivavy!” Nanetsika ny lohany nanondro an’i Maria izy avy eo, ary niteny tamin’i Jaona hoe: “Io ny reninao!”—Jaona 19:26, 27.

Nankinin’i Jesosy tamin’ilay apostoly tena tiany ny fikarakarana ny reniny, izay angamba efa maty vady tamin’izay. Fantatr’i Jesosy fa mbola tsy nino azy ny rahalahiny iray tam-po aminy. Nataony àry izay hahazoan’ny reniny an’izay nilainy teo amin’ny fiainana sy teo amin’ny ara-panahy. Modely ho antsika tokoa izy!

Hoy i Jesosy rehefa nisinda ilay haizina: “Mangetaheta aho.” Nanatanteraka an’izay voalazan’ny Soratra Masina izany. (Jaona 19:28; Salamo 22:15) Tsapan’i Jesosy fa toy ny hoe tsy niaro azy intsony ny Rainy, ka namela azy iharam-pitsapana faran’izay mafy mba hahitana raha tena tsy hivadika izy. Niantso mafy i Kristy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” Tsy nahazo izay nolazainy ny olona sasany nijoro teo ka niteny hoe: “Jereo fa miantso an’i Elia izy.” Nihazakazaka ny iray taminy, nanatsoboka spaonjy tao anaty divay marikivy, nanao izany teo amin’ny bararata iray, ary nanome an’izany mba hosotroin’i Jesosy. Hoy kosa ny hafa: “Avelao izy! Aoka hojerentsika raha ho avy hampidina azy i Elia.”—Marka 15:34-36.

Hoy i Jesosy avy eo: “Vita!” (Jaona 19:30) Vitany tokoa izay rehetra nampanaovin’ny Rainy azy tetỳ an-tany. Farany dia hoy izy: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” (Lioka 23:46) Nankininy tamin’ny Rainy ny hery mamelona azy ka natoky izy fa haverin’i Jehovah aminy izany. Nanondrika ny lohany izy avy eo ary maty. Nitoky tamin’Andriamanitra hatramin’ny farany izy.

Nisy horohoron-tany mafy tamin’izay ka nitresaka ny vatolampy. Tena mafy ilay izy ka nisokatra hatramin’ny fasana teny ivelan’i Jerosalema, ary tafavoaka ny faty. Niditra tao amin’ilay “tanàna masina” ny olona nahita an’ireo faty ary nitantara an’izay hitany.—Matio 12:11; 27:51-53.

Nisy ridao lava be sy matevim-be nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany izy io rehefa maty i Jesosy. Hita tamin’izany zava-nitranga mampitolagaga izany fa tezitra tamin’ireo namono ny Zanany Andriamanitra. Nidika koa izany fa lasa azo natao ny niditra tao amin’ny Masina Indrindra, izany hoe ny lanitra.—Hebreo 9:2, 3; 10:19, 20.

Ara-dalàna raha natahotra be ny olona. Hoy ilay manamboninahitra niandraikitra ny famonoana an’i Jesosy: “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.” (Marka 15:39) Nety ho teo izy rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pilato i Jesosy ka nofotopotorana raha Zanak’Andriamanitra tokoa. Niaiky izy izao fa tsy manan-tsiny i Jesosy ary tena Zanak’Andriamanitra.

Taitra noho ilay zava-nitranga tsy nahazatra ny olona sasany ka nody ary “nikapo-tratra”, satria nalahelo be sady menatra. (Lioka 23:48) Niaraka tamin’ireo nitazana avy teny lavitra ny vehivavy maro mpianatr’i Jesosy, izay efa niara-dia taminy. Tena nampihetsi-po azy ireo izay rehetra nitranga.