Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 82

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Pere

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Pere

LIOKA 13:22–14:6

  • MIEZAHA MAFY HIDITRA AMIN’NY VARAVARANA TERY

  • TSY MAINTSY HO FATY AO JEROSALEMA I JESOSY

Nampianatra sy nanasitrana tao Jodia sy Jerosalema i Jesosy. Niampita ny Reniranon’i Jordana izy avy eo ary nampianatra isan-tanàna tao amin’ny faritr’i Pere. Niverina tany Jerosalema anefa izy tsy ela taorian’izay.

Nisy lehilahy nanontany an’i Jesosy tany Pere hoe: “Tompo ô, vitsy ve ny hovonjena?” Fantany angamba fa niady hevitra ny mpitondra fivavahana hoe maro sa vitsy no ho voavonjy. Novan’i Jesosy anefa ny resaka. Tsy ny isan’ny hovonjena no noresahiny, fa izay tokony hatao mba ho voavonjy. Hoy izy: “Miezaha mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery.” Nahoana izany no ilaina? Hoy izy: “Maro, hoy aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.”—Lioka 13:23, 24.

Nilaza izao fanoharana izao i Jesosy mba hanazavana fa ilaina ny miezaka mafy: ‘Raha vao mitsangana hanidy varavarana ny tompon-trano, nefa amin’izay ianareo no manomboka mijoro ao ivelany sy mandondòna ao am-baravarana, ka manao hoe: “Mba vohay re izahay, tompoko ô!”, dia hilaza aminareo izy hoe: “Tsy fantatro na avy aiza ianareo, na avy aiza. Mialà amiko, ianareo mpanao ny tsy marina!”’—Lioka 13:25-27.

Mampiseho ny manjo ny olona tara ilay fanoharana. Toa tamin’ny fotoana nety taminy izy vao tonga, ka efa nihidy ny varavarana. Tokony ho tonga taloha kokoa izy, na dia tsy nety taminy aza izany. Maro koa ny olona toy izany. Tokony ho afaka nandray soa izy ireo tamin’i Jesosy mbola teo sy nampianatra azy ireo. Azony natao loha laharana ny fivavahana marina, nefa tsy izany no nataony. Tsy nanaiky ny fandaharan’Andriamanitra mba hamonjena azy ny ankamaroan’ny olona nasaina nampian’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa horoahina any ivelany izy ireo ary “hitomany sy hitoloko.” “Handry ilika hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” anefa ny olona “avy any atsinanana sy andrefana ary avaratra sy atsimo”, izany hoe avy amin’ny firenena rehetra.—Lioka 13:28, 29.

Hoy i Jesosy: “Misy ny farany [toy ireo tsy Jiosy sy ireo Jiosy natao tsinontsinona] ho voalohany, ary misy ny voalohany [ireo mpitondra fivavahana nirehareha hoe taranak’i Abrahama] ho farany.” (Lioka 13:30) Ireo tsy nahay nankasitraka ireo no ho “farany”, izany hoe tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nisy Fariseo nanatona an’i Jesosy ary niteny hoe: “Mandehana ka mialà eto, fa mitady hamono anao i Heroda [Antipasy].” I Heroda Mpanjaka ihany angamba no nanely an’io tsaho io mba hialan’i Jesosy tao amin’ilay faritra. Efa nampamono an’i Jaona Mpanao Batisa izy, ka angamba natahotra ny ho voarohirohy amin’ny fahafatesan’ny mpaminany hafa indray. Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ka lazao amin’iny amboadia fetsy iny hoe: ‘Jereo fa mandroaka demonia sy manasitrana aho anio sy rahampitso, fa rahafakampitso dia ho vita ny asako.’ ” (Lioka 13:31, 32) Tena fetsy ny amboadia ka izay angamba no niantsoan’i Jesosy an’i Heroda hoe “amboadia.” Tsy hahavita hanery azy an-kolaka hanao zavatra anefa i Heroda sy ny olon-kafa, sady tsy hahavita handodona azy. Hamita ny asa nampanaovin’ny Rainy azy izy, araka izay fotoana tian’Andriamanitra fa tsy araka izay tian’ny olona.

Nanohy ny diany nankany Jerosalema i Jesosy, satria hoy izy: “Ny mpaminany tsy azo vonoina any ivelan’i Jerosalema.” (Lioka 13:33) Nahoana izy no nilaza fa ho faty ao Jerosalema, nefa tsy misy faminaniana milaza hoe tsy maintsy ho faty ao ny Mesia? Satria i Jerosalema no renivohitra nisy ny Fitsarana Avo Jiosy izay nisy mpikambana 71, ary tao no notsaraina izay voampanga ho mpaminany sandoka. Tao koa no nanolorana ny fanatitra biby. Takatr’i Jesosy àry fa tsy hety raha any an-kafa izy no hovonoina.

Nitaraina i Jesosy hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Lioka 13:34, 35) Nanda ny Zanak’Andriamanitra ilay firenena ka hijinja ny vokany.

Nasain’ny lehiben’ny Fariseo hisakafo i Jesosy, talohan’ny nahatongavany tao Jerosalema. Sabata tamin’izay. Nijery an’i Jesosy tsara ireo nasaina, satria te hahafantatra an’izay hataony. Nisy lehilahy iray voan’ny manirano mantsy teo. Feno rano ny olona voan’io aretina io, ary ao amin’ny ranjo sy ny tongotra izany matetika. Nanontany an’ireo Fariseo sy ireo nahay Lalàna i Jesosy hoe: “Azo atao sa tsia, ny manasitrana amin’ny andro sabata?”—Lioka 14:3.

Tsy nisy namaly izy ireo. Nositranin’i Jesosy ilay lehilahy ary hoy izy: “Iza aminareo, raha manana zanaka na omby latsaka ao an-davadrano, no tsy hisintona azy hivoaka avy hatrany, na dia sabata aza ny andro?” (Lioka 14:5) Nitombina tsara izany ka tsy nahita havaly indray izy ireo.