Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 93

Haharihary ny Zanak’olona

Haharihary ny Zanak’olona

LIOKA 17:20-37

  • EO AFOVOAN’IZY IREO ILAY FANJAKANA

  • INONA NO HITRANGA REHEFA HAHARIHARY I JESOSY?

Mbola tany Samaria na tany Galilia i Jesosy. Nanontany azy momba ny fahatongavan’ilay Fanjakana ny Fariseo. Nino izy ireo fa ho tonga amin’ny fomba manetriketrika izy io. Hoy anefa i Jesosy: “Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hisy koa hilaza hoe: ‘Atỳ!’ na ‘Arỳ!’ Fa eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 17:20, 21.

Mety hisy hanatsoaka hevitra hoe ao am-pon’ny mpanompon’Andriamanitra ilay Fanjakany. Tsy hety anefa izany, satria tsy afaka ny ho tao am-pon’ireo Fariseo niresahan’i Jesosy izy io. Teo afovoan’izy ireo kosa izy io satria teo amin’izy ireo i Jesosy, ilay voafidy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 21:5.

Nilazan’i Jesosy tsipiriany fanampiny momba ny fahatongavan’ilay Fanjakana ny mpianany, angamba rehefa lasa ny Fariseo. Niresaka momba ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka izy, ka nampitandrina hoe: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.” (Lioka 17:22) Te hilaza izy fa mbola amin’ny hoavy vao hanjaka ny Zanak’olona. Nety ho tsy andrin’ny mpianatra sasany io fotoana io. Tsy maintsy niandry anefa izy ireo mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra hahatongavan’ny Zanak’olona.

Hoy koa i Jesosy: “Hilaza aminareo ny olona hoe: ‘Arỳ!’ na ‘Atỳ!’, nefa aza mandeha na manaraka azy. Fa toy ny tselatra manjelanjelatra ka manazava any amin’ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa ambanin’ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona.” (Lioka 17:23, 24) Ahoana no hiarovana ny mpianatra mba tsy hanaraka mesia sandoka? Nilaza i Jesosy fa ho toy ny tselatra tazana manerana ny faritra midadasika ny fahatongavan’ny tena Mesia. Izay mandinika tsara no hahita mazava ny porofo hoe manjaka ny Mesia.

Niresaka zava-nitranga fahiny i Jesosy mba hampisehoana ny toe-tsain’ny olona amin’izany fotoana izany. Hoy izy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona. ... Dia toy ny tamin’ny andron’i Lota koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano. Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra. Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.”—Lioka 17:26-30.

Tsy nilaza i Jesosy hoe ringana ny olona tamin’ny andron’i Noa sy tamin’ny andron’i Lota, satria nanao ny fanao mahazatra toy ny mihinana, misotro, mividy, mivarotra, mamboly, ary manorina trano. Nanao an’ireo na ny sasany tamin’ireo koa ry Noa sy Lota. Ny olona hafa kosa nanao an’ireo, saingy tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra sy izay hitranga. Nampirisika ny mpianany àry i Jesosy mba hieritreritra ny sitrapon’Andriamanitra sy hazoto hanao izany. Nasehony tamin’izany izay tokony hataon’izy ireo mba ho voavonjy rehefa handringana Andriamanitra.

Nila nitandrina ireo mpianatra mba tsy ho variana tamin’ireo ‘zavatra tany aoriany’, izany hoe ny zavatra teo amin’ilay tontolo nisy azy ireo. Hoy i Jesosy: “Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny entany ao an-trano, ary izay any an-tsaha aoka koa tsy hiverina any amin’izay zavatra any aoriany. Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:31, 32) Lasa vongan-tsira izy.

Mbola niresaka an’izay hitranga mandritra ny fotoana anjakan’ny Zanak’olona i Jesosy, ka hoy izy tamin’ny mpianany: “Amin’izany alina izany, dia hisy roa lahy iray fandriana: Ny iray hoentina ary ny iray havela.” (Lioka 17:34) Hisy ho voavonjy àry, fa hisy kosa havela na hamoy ny ainy.

Nanontany ireo mpianatra hoe: “Aiza izany, Tompo ô?” Hoy i Jesosy: “Any amin’izay misy ny faty, dia any koa no hiangonan’ny voromahery.” (Lioka 17:37) Ho toy ny voromahery mahita lavitra ireo ho voavonjy. Hiangona eo amin’ilay tena Kristy na ny Zanak’olona izy ireo. Homen’i Jesosy fahamarinana mamonjy aina ireo mpianany manam-pinoana ireo, amin’izay.