Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 83

Fanasana Hisakafo

Fanasana Hisakafo

LIOKA 14:7-24

  • LESONA MOMBA NY FANETREN-TENA

  • NANAO FIALANA IREO OLONA NASAINA

Mbola tao amin’ilay Fariseo i Jesosy rehefa avy nanasitrana an’ilay lehilahy voan’ny manirano. Hitany fa nifidy ny toerana mihaja ny olona sasany nasaina, ka nohararaotiny izany mba hampianarana momba ny fanetren-tena.

Hoy izy: “Rehefa misy manasa anao ho amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady, dia aza maka ny toerana mihaja indrindra. Mety ho nanasa olo-manan-kaja noho ianao mantsy izy. Ary ho avy eo aminao ilay nanasa anao sy io olona io, ka hanao hoe: ‘Omeo an’ity olona ity ny toerana.’ Dia ho menatra ianao hankeo amin’ny toerana ambany indrindra.”—Lioka 14:8, 9.

Hoy i Jesosy avy eo: “Rehefa misy manasa anao kosa, dia mandehana mandry ilika eo amin’ny toerana ambany indrindra. Ary ho avy ilay nanasa anao, ka hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa etsy amin’ny toerana ambony kokoa, ry sakaiza!’ Dia hahazo voninahitra eo imason’ireo rehetra niara-nasaina taminao ianao.” Tsy resaka fahalalam-pomba fotsiny no tiany horesahina. Nanazava izy hoe: “Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Lioka 14:10, 11) Nampirisika ny mpihaino azy hanetry tena izy.

Nohazavain’i Jesosy tamin’ilay Fariseo nanasa azy avy eo hoe ahoana no tena hahazoana sitraka amin’Andriamanitra rehefa manasa olona. Hoy izy: “Rehefa manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiara-monina manankarena no asainao. Mety hanasa anao koa mantsy ireo indray andro any, ka ho voavaly izay nataonao. Fa ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba kosa no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo.”—Lioka 14:12-14.

Ara-dalàna ny manasa namana na havana na mpiara-monina hisakafo. Tsy nilaza i Jesosy hoe ratsy izany. Nasongadiny kosa fa hahazo fitahiana tondraka izay manasa ny sahirana, toy ny mahantra na kilemaina na jamba. Hoy izy tamin’ilay Fariseo: ‘Hovaliana ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.’ Niombon-kevitra tamin’i Jesosy ny olona iray nasaina ka niteny hoe: “Sambatra izay hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 14:15) Hitany fa tombontsoa tokoa izany. Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka an’izany, araka ity fanoharan’i Jesosy ity:

“Nisy lehilahy nanao fanasambe tamin’ny sakafo hariva, ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy ... mba hilaza tamin’ny nasaina hoe: ‘Tongava fa efa vonona ny sakafo.’ Samy nanao fialana anefa izy rehetra. Hoy ny voalohany: ‘Nividy saha aho, ka tokony handeha hijery azy. Mba ialao tsiny any re aho e!’ Hoy ny iray: ‘Nividy omby folo aho ka handeha handinika azy ireo. Mba ialao tsiny any re aho e!’ Hoy koa ny anankiray hafa: ‘Vao avy nampaka-bady aho, ka tsy afaka ny ho tonga.’ ”—Lioka 14:16-20.

Tsy nitombina ireo fialan-tsiny ireo. Matetika no alohan’ny hividy saha na biby ny olona no mandinika azy io, ka tsy ilaina maika ny mijery an’izany rehefa voavidy. Tsy vao niomana hampaka-bady koa ilay lehilahy fahatelo fa efa avy nampaka-bady, ka tokony ho afaka hanatrika fanasana lehibe. Tezitra àry ilay tompo, ka hoy izy tamin’ilay mpanompony:

“Mandehana haingana eny an-dalambe sy eny amin’ny lalankely eto an-tanàna, ka ento atỳ ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny malemy tongotra.” Mbola nisy toerana rehefa natao izany, ka hoy ihany ilay tompo: “Mandehana mankeny amin’ny lalana sy ny toerana mifefy ka tereo ho tonga ny olona mba ho feno ny tranoko. Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy amin’ireo nasaina ireo hanandrana ny sakafo hariva nomaniko.”—Lioka 14:21-24.

Asehon’io fanoharana io fa naniraka an’i Jesosy Kristy i Jehovah Andriamanitra mba hiantso an’ireo ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra. Nasaina voalohany ny Jiosy, indrindra fa ny mpitondra fivavahana. Nanda ny ankamaroany nandritra ny fanompoan’i Jesosy. Tsy izy ireo ihany anefa no nasaina. Nasehon’i Jesosy fa nisy fanasana faharoa tatỳ aoriana. Ireo Jiosy noheverina ho ambany sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy no nasaina. Mbola nisy fanasana fahatelo farany, ka ireo noheverin’ny Jiosy ho tsy mendrika teo anatrehan’Andriamanitra no nasaina.—Asan’ny Apostoly 10:28-48.

Hita amin’ny tenin’i Jesosy fa tena marina ny tenin’ilay olona nasaina hoe: “Sambatra izay hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”