Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 96

Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy

Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy

MATIO 19:16-30 MARKA 10:17-31 LIOKA 18:18-30

  • NANONTANY MOMBA NY FIAINANA MANDRAKIZAY NY TOVOLAHY IRAY MPANANKARENA

Namakivaky an’i Pere i Jesosy mba ho any Jerosalema. Nihazakazaka nanatona azy ny tovolahy iray mpanankarena ka nandohalika teo anatrehany. “Olona ambony” izy io, angamba mpitantana tao amin’ny synagoga na anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Hoy izy: “Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?”—Lioka 8:41; 18:18; 24:20.

Namaly i Jesosy hoe: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” Nataon’ilay tovolahy anaram-boninahitra ilay hoe “tsara”, toy ny fanaon’ny raby. Marina fa mpampianatra tsara i Jesosy. Nampahafantariny azy io anefa fa Andriamanitra irery no mendrika hantsoina hoe “Tsara.”

Hoy i Jesosy tamin’ilay tovolahy: “Raha te hiditra any amin’ny fiainana anefa ianao, dia tandremo hatrany ny didy.” Dia hoy izy: “Inona avy izany?” Nanonona ny dimy tamin’ny Didy Folo i Jesosy, dia ny hoe aza mamono olona, aza manitsakitsa-bady, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolombelona mandainga, ary hajao ny rainao sy ny reninao. Nilaza didy lehibe kokoa izy avy eo hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Matio 19:17-19.

Hoy ilay tovolahy: “Efa notandremako avokoa izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” (Matio 19:20) Nihevitra angamba izy fa nila nanao zavatra miavaka mba hahasoa ny hafa, vao ho afaka hiaina mandrakizay. Tsapan’i Jesosy fa niriny mafy ny zavatra nangatahiny, ka “tia azy” izy. (Marka 10:21) Nisy sakana lehibe anefa.

Niraiki-po tamin’ny fananany ilay tovolahy ka hoy i Jesosy: “Zavatra iray sisa no mbola tsy nataonao: Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.” Afaka nizara ny volany tamin’ny mahantra tsy nanan-kavaly izy ary nanara-dia an’i Jesosy avy eo. Nitsangana sy lasa tamin’alahelo anefa izy, ka nety ho nalahelo i Jesosy nahita azy. Niraiki-po tamin’ny ‘fananany maro’ na ny harenany ilay tovolahy ka tsy nahita ny tena harena. (Marka 10:21, 22) Hoy i Jesosy: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”—Lioka 18:24.

Nahagaga ny mpianatra izany sy ny tenin’i Jesosy taorian’izay hoe: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Hoy àry izy ireo: “Koa hisy ho voavonjy ve raha izany?” Tsy hisy ho voavonjy tokoa ve satria tsy mora izany? Nibanjina azy ireo i Jesosy ka niteny hoe: “Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.”—Lioka 18:25-27.

Nilaza i Petera fa tsy toy ny safidin’ilay tovolahy ny safidin’izy ireo. Hoy izy: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” Hahazo valisoa izy ireo satria nanao safidy tsara. Hoy i Jesosy momba izany: “Amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.”—Matio 19:27, 28.

Mazava ho azy fa ny fanavaozana ho avy no tao an-tsain’i Jesosy. Hohavaozina ho toy ny tany Edena mantsy ny fiainana eto an-tany. Tsy ho very maina ny sorona nataon’i Petera sy ny mpianatra hafa, satria hovalian-tsoa izy ireo. Hiara-manjaka amin’i Jesosy izy ireo ka hitondra ny tany lasa Paradisa.

Tsy amin’ny hoavy daholo anefa ny valisoa. Efa nahazo ny sasany tamin’izany ny mpianatra. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona efa nahafoy trano na vady na rahalahy na ray aman-dreny na zanaka noho ny fanjakan’Andriamanitra, ka tsy hahazo be lavitra amin’izao andro izao, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.”—Lioka 18:29, 30.

Afaka nankafy ny fiarahana tamin’ny mpiray finoana tokoa ny mpianatr’i Jesosy, na taiza na taiza. Akaiky kokoa sy sarobidy kokoa tamin’izy ireo noho ny fianakaviany izy ireny. Toa tsy nahazo an’izany fitahiana izany kosa ilay tovolahy mpanankarena, sady tsy hanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.

Hoy koa i Jesosy: “Maro anefa ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany.” (Matio 19:30) Inona no dikan’izany?

Anisan’ireo “voalohany” ilay tovolahy satria anisan’ny mpitarika teo amin’ny Jiosy. Mpankatò ny didin’Andriamanitra izy, ka azo nantenaina hahavita zavatra betsaka. Ny harena sy ny fananana anefa no nataony loha laharana. Tsy toy izany kosa ny sarambabem-bahoaka, izay nahatsapa fa nahita ny marina sy ny lalana mankany amin’ny fiainana, rehefa nampianarin’i Jesosy. Toy ny hoe “farany” izy ireo nefa lasa “voalohany.” Afaka manantena ny hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy izy ireo, ka hitondra ny tany lasa Paradisa.