Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 54

I Jesosy no “Mofon’aina”

I Jesosy no “Mofon’aina”

JAONA 6:25-48

  • I JESOSY NO “MOFO AVY ANY AN-DANITRA”

Nanome sakafo olona an’arivony i Jesosy teny ampita atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Notadiavin’izy ireo hatao mpanjaka izy nefa afaka nandositra. Nandeha teo ambony rano misamboaravoara izy ny alin’io ary namonjy an’i Petera. Nandeha teo ambony rano koa i Petera nefa nanomboka nilentika rehefa nihena ny finoany. Nampitony ny rivotra i Jesosy ka angamba afaka niaro ny mpianany mba tsy ho vaky sambo.

Niverina tao amin’ny faritr’i Kapernaomy tany andrefan’ilay farihy i Jesosy avy eo. Hoy ireo olona nomeny sakafo rehefa nahita azy: “Oviana ianao no tonga teto?” Nibedy azy ireo i Jesosy ka nilaza fa te hahazo sakafo indray izy ireo matoa mitady azy. Nampirisika azy ireo izy mba ‘hiasa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.’ Hoy àry izy ireo: “Inona no tokony hataonay mba hanaovanay ny asan’Andriamanitra?”—Jaona 6:25-28.

Ny asa voalazan’ny Lalàna angamba no tao an-tsain’izy ireo, nefa ny asa lehibe indrindra no tian’i Jesosy holazaina. Hoy izy: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.” Tsy nino an’i Jesosy ny olona na dia maro aza ny zavatra efa nataony. Nangataka famantarana izy ireo mba hinoany azy ka niteny hoe: “Inona no asa ataonao? Ny razantsika mantsy nihinana ny mana tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’ ”—Jaona 6:29-31; Salamo 78:24.

Niresaka momba an’ilay Loharanon’ny fahagagana i Jesosy mba hamaliana azy ireo. Hoy izy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Ilay midina avy any an-danitra sy manome fiainana ho an’izao tontolo izao mantsy no mofon’Andriamanitra.’ Tsy azon’izy ireo ny tiany holazaina ka hoy izy ireo: “Omeo izany mofo izany foana izahay, Tompo ô!” (Jaona 6:32-34) Inona ilay “mofo” noresahin’i Jesosy?

Nanazava izy hoe: “Izaho no mofon’aina. Izay manatona ahy tsy mba ho noana mihitsy, ary izay maneho finoana ahy tsy hangetaheta intsony mihitsy. Efa nilaza taminareo anefa aho hoe: Efa nahita ahy ianareo, nefa tsy mino. ... Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy. Ary izao no sitrapon’ilay naniraka ahy: Tsy tokony havelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy, fa tokony hatsangako amin’ny maty kosa amin’ny andro farany. Fa izao no sitrapon’ny Raiko: Tokony hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy.”—Jaona 6:35-40.

Nahatezitra ny Jiosy izany ka nimenomenona izy ireo. Nahoana moa i Jesosy no nilaza fa izy no “mofo nidina avy any an-danitra”? (Jaona 6:41) Nihevitra izy ireo fa zanak’olona avy any Nazareta any Galilia fotsiny izy. Hoy izy ireo: “Tsy i Jesosy zanak’i Josefa ve io e? Fantatsika ny ray aman-dreniny.”—Jaona 6:42.

Namaly i Jesosy hoe: “Aza mimenomenona ianareo! Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy; ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary hampianarin’i Jehovah izy rehetra.’ Koa izay nandre tamin’ny Ray ka nianatra taminy, dia manatona ahy. Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy ilay avy amin’Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay mino no manana fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:43-47; Isaia 54:13.

Efa nilaza tamin’i Nikodemosy i Jesosy fa ilaina ny maneho finoana ny Zanak’olona raha te hiaina mandrakizay. Hoy izy tamin’izay: “Tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana [ny Zanak’Andriamanitra lahitokana], fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:15, 16) Niresaka tamin’ny olona maro kosa izy teto ary nilaza fa afaka manampy azy ireo hiaina mandrakizay. Tsy mahavita izany anefa ny mana na ny mofo fahita tany Galilia. Ahoana àry no hahazoana ny fiainana mandrakizay? Namerina nilaza i Jesosy hoe: “Izaho no mofon’aina.”—Jaona 6:48.

Nitohy ilay adihevitra momba ny mofo avy any an-danitra, ary vao mainka nafana izany rehefa nampianatra tao amin’ny synagoga iray tao Kapernaomy i Jesosy.