Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 40

Nampianatra Momba ny Famelan-keloka i Jesosy

Nampianatra Momba ny Famelan-keloka i Jesosy

LIOKA 7:36-50

  • NANISY MENAKA NY TONGOTR’I JESOSY NY VEHIVAVY IRAY MPANOTA

  • FANOHARANA MOMBA NY FAMELAN-KELOKA

Niova arakaraka ny toe-pon’ny olona ny fandraisan’izy ireo ny tenin’i Jesosy sy izay nataony. Voaporofo izany tany Galilia, tao an-tranon’ny Fariseo atao hoe Simona. Nanasa an’i Jesosy hisakafo izy satria angamba te hahita akaiky an’io mpanao fahagagana io. Nihevitra i Jesosy fa ho afaka hitory amin’izay ho tonga, ka nanaiky. Efa nanaiky fanasana hiara-misakafo tamin’ny mpamory hetra sy mpanota koa izy.

Tsy noraisina tsara toy ny fanao rehefa misy vahiny anefa i Jesosy. Be vovoka ny lalana tany Palestina ary nikapa ny olona, ka nafana sy naloto ny tongony. Fanao àry ny nanasa ny tongotry ny vahiny tamin’ny rano mangatsiatsiaka. Fanao koa ny nanoroka azy. Nanisy menaka ny volon’ny vahininy koa izay tsara fanahy sy nahay nandray vahiny. Tsy nisy natao tamin’i Jesosy anefa ireo. Tena faly nandray azy àry ve i Simona?

Nandry ilika hisakafo ny olona nasaina, ary nisy vehivavy tsy voasa niditra tsimoramora tao amin’ilay efitra. ‘Nalaza ho mpanota izy tao amin’ilay tanàna.’ (Lioka 7:37) Mpanota daholo ny olona tsy lavorary. Toa ratsy fitondran-tena anefa io vehivavy io, angamba mpivaro-tena. Nety ho reny ny fampianaran’i Jesosy, anisan’izany ilay fanasany hoe: ‘Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra mavesatra entana dia ho velombelona ianareo.’ (Matio 11:28, 29) Toa nanohina ny fony ny tenin’i Jesosy sy ny nataony ka nitady azy izy.

Nanatona avy tao aorian’i Jesosy izy ary nandohalika teo an-tongony. Nirotsaka tamin’ny tongotr’i Jesosy ny ranomasony ka nofafany tamin’ny volony. Norohany koa ny tongotr’i Jesosy ary nohosorany tamin’ilay menaka manitra nentiny. Tsy faly i Simona nahita an’izany, ka nieritreritra hoe: “Raha mpaminany ity, dia ho nahalala hoe iza io mikasika azy io, ary karazam-behivavy toy inona. Tokony ho fantany fa mpanota io.”—Lioka 7:39.

Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’i Simona ka hoy izy: “Ry Simona, manan-kolazaina aminao aho.” Dia hoy i Simona: “Lazao àry, Mpampianatra ô!” Hoy i Jesosy: “Nisy roa lahy nananan’olona trosa. Ny an’ny anankiray denaria dimanjato fa ny an’ny anankiray kosa dimampolo. Rehefa tsy nanan-kaloa ireo, dia namela tanteraka ny trosan’izy roa lahy izy. Koa iza amin’izy roa lahy àry no ho tia azy bebe kokoa?” Tsy rototra akory angamba i Simona namaly hoe: “Ilay namoizany bebe kokoa.”—Lioka 7:40-43.

“Marina ny anao”, hoy i Jesosy. Nitodika tany amin’ilay vehivavy izy avy eo, ka niteny tamin’i Simona hoe: “Hitanao io vehivavy io? Niditra tato an-tranonao aho, nefa tsy nanome rano ahy hanasana ny tongotro ianao. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, ary nanamaina izany tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka ahy, nefa io vehivavy io tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatramin’ny nidirako tato. Ianao tsy nanisy menaka ny lohako, nefa io vehivavy io nanisy menaka manitra ny tongotro.” Hitan’i Jesosy fa tena nibebaka noho ny fitondran-tena ratsiny ilay vehivavy. Namarana ny teniny àry izy hoe: “Lazaiko aminao fa voavela ny helony, na dia betsaka aza, satria be fitiavana izy. Fa izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.”—Lioka 7:44-47.

Tsy nanala tsiny ny fitondran-tena ratsy akory i Jesosy. Nasehony kosa fa mangoraka izy ary takany ny manjo ny olona nanao fahotana lehibe nefa manenina ka mitady fanamaivanana any aminy. Azo antoka fa maivamaivana erỳ ilay vehivavy rehefa nilaza taminy i Jesosy hoe: “Voavela ny helokao. ... Ny finoanao no efa namonjy anao. Mirary soa ho anao aho.”—Lioka 7:48, 50.