Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 23

Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy

Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy

MATIO 8:14-17 MARKA 1:21-34 LIOKA 4:31-41

  • NAMOAKA DEMONIA I JESOSY

  • NOSITRANINA NY RAFOZAMBAVIN’I PETERA

Nasain’i Jesosy hanarato olona ny mpianany efatra, dia i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Niaraka nankany amin’ny synagoga iray tany Kapernaomy izy ireo taorian’izay. Sabata ny andro ary nampianatra tao i Jesosy. Talanjona noho ny fomba fampianarany indray ny olona. Nampianatra toy izay manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.

Nisy lehilahy nisy demonia tao amin’ny synagoga. Niantsoantso izy io hoe: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba handringana anay ve ianao? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra e!” Niteny mafy an’ilay demonia nifehy an’io lehilahy io i Jesosy, nanao hoe: “Mangìna, ary mivoaha aminy!”—Marka 1:24, 25.

Nanjera an’ilay lehilahy tamin’ny tany ilay fanahy ratsy sady nampifanintontsintona azy. Nikiakiaka mafy izy avy eo ary nivoaka tamin’ilay lehilahy, nefa “tsy nandratra azy.” (Lioka 4:35) Gaga ny olona nanodidina an’ilay lehilahy ka niteny hoe: “Fa ahoana izao? ... Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, ka mankatò azy.” (Marka 1:27) Tsy mahagaga raha niely eran’i Galilia ny resaka momba an’io zava-nitranga miavaka io.

Nankany an-tranon’i Simona na Petera i Jesosy sy ny mpianany, rehefa niala tao amin’ny synagoga. Tao ny rafozambavin’i Petera ary nanavy be. Niangavy an’i Jesosy izy ireo mba hanasitrana azy. Nanatona an-dravehivavy àry i Jesosy, nandray ny tanany ary nanarina azy. Sitrana avy hatrany izy ka nikarakara an’i Jesosy sy ny mpianany. Nahandro sakafo ho azy ireo angamba izy.

Maro no nitondra marary tao an-tranon’i Petera, rehefa hilentika ny masoandro. Hoatran’ny hoe ny iray tanàna mihitsy no nitangorona teo am-baravarany. Nahoana? Nitady mpanasitrana izy ireo. “Izay rehetra nanana olona mararin’ny aretina samihafa dia nitondra ny marariny” tany amin’i Jesosy. “Nametra-tanana tamin’ny tsirairay taminy izy mba hanasitranany azy.” (Lioka 4:40) Nositraniny daholo ny aretina nentina teo aminy, araka ny efa voalazan’ny faminaniana. (Isaia 53:4) Namoaka demonia mihitsy aza izy. Rehefa nivoaka ireny demonia ireny dia niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 4:41) Fantatr’izy ireny fa i Jesosy no Kristy. Tsy tian’i Jesosy hiseho ho manompo an’Andriamanitra anefa izy ireo, ka noteneniny mafy mba hangina.