Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 33

Nanatanteraka ny Faminanian’​i Isaia i Jesosy

Nanatanteraka ny Faminanian’​i Isaia i Jesosy

MATIO 12:15-21 MARKA 3:7-12

  • NIFANESIKA TEO AMIN’I JESOSY NY VAHOAKA

  • NANATANTERAKA NY FAMINANIAN’I ISAIA IZY

Nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy sy ny mpianany rehefa nahalala fa te hamono azy ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda. Tonga teo aminy ny vahoaka be. Nisy avy any Galilia, Tyro sy Sidona izay tanàna amoron-tsiraka, Jerosalema, Idomea izay any amin’ny farany atsimo, ary avy any amin’ny faritra atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nanasitrana olona maro i Jesosy. Nifanesika teo aminy àry ny marary mafy. Tsy niandry hokasihin’i Jesosy izy ireo, fa izy ireo indray no maika hikasika azy.—Marka 3:9, 10.

Be loatra ny olona ka nasain’i Jesosy nanomana sambokely hiandry azy ny mpianany. Ho afaka hankao izy amin’izay ary hihataka ny morona mba tsy hifanesika eo aminy ny vahoaka. Afaka nampianatra azy ireo avy teo ambony sambo koa izy, na nankany amin’ny faritra hafa amoron-drano mba hanampy olon-kafa.

Nilaza i Matio mpianatr’i Jesosy fa nanatanteraka “izay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany” i Jesosy. (Matio 12:17) Izao ilay faminaniana:

“Io ny mpanompoko izay nofidiko, ny malalako izay sitrako! Hampitoeriko ao aminy ny fanahiko, ary hasehony mazava amin’ireo firenena ny atao hoe rariny. Tsy hifanditra amin’olona izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalambe. Tsy hotorotoroiny ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetroka, mandra-pamoakany ny rariny ho mpandresy. Ny anarany tokoa no hantenain’ny firenena.”—Matio 12:18-21; Isaia 42:1-4.

I Jesosy no mpanompo malalan’Andriamanitra sady ankasitrahany. Nasehon’i Jesosy ny atao hoe tena rariny, izay takon’ireo fombafomban’ny fivavahan-diso. Nampihatra ny Lalàn’Andriamanitra araka izay nitiavany azy ny Fariseo fa tsy araka ny rariny. Tsy hanampy olona marary mihitsy àry izy ireo rehefa Sabata. I Jesosy kosa nanafaka ny olona tamin’ireny fombafomba nampijaly ireny. Naharihariny mantsy fa manana ny fanahin’Andriamanitra izy ary manao ny rariny Andriamanitra. Te hamono azy àry ny mpitondra fivavahana. Loza tokoa izany!

Inona no dikan’ilay hoe “tsy hifanditra amin’olona izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalambe”? Tsy navelan’i Jesosy “hilazalaza ny momba azy” ny olona nositraniny na ny demonia. (Marka 3:12) Mety hitabataba hiresaka momba azy ny olona eny an-dalana. Mety ho faly be hanao tatitra momba azy koa ny olona ary hiampitampita ny resaka ka hiova. Tsy tian’i Jesosy anefa raha izany no fomba ahalalana azy.

Nitorian’i Jesosy hafatra mampahery koa ny olona ory, izay toy ny bararata folaka sy potipotika. Toy ny lahin-jiro manetroka izy ireny, ka mitsilopilopy efa ho faty. Tsy notorotoroin’i Jesosy ny bararata folaka ary tsy novonoiny ireny lahin-jiro ireny. Tsara fanahy sy be fitiavana kosa izy ka nahay nampitraka an’ireo mpandefitra. I Jesosy tokoa àry no azon’ireo firenena antenaina.