Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 38

Te Hahafantatra ny Hevitr’i Jesosy i Jaona

Te Hahafantatra ny Hevitr’i Jesosy i Jaona

MATIO 11:2-15 LIOKA 7:18-30

  • NANONTANY NY ANJARA ASAN’I JESOSY I JAONA MPANAO BATISA

  • NIDERA AN’I JAONA I JESOSY

Herintaona teo ho eo izay i Jaona Mpanao Batisa no nigadra. Henony anefa ny fahagagana nataon’i Jesosy. Eritrereto ny hafaliany rehefa nitantara ny mpianany fa nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina i Jesosy. I Jesosy mihitsy anefa no tiany hilaza aminy ny dikan’izany rehetra izany. Nantsoiny àry ny mpianany roa ka nasainy nanontany an’i Jesosy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?”—Lioka 7:19.

Hafahafa ve ilay fanontanian’i Jaona? Nanana finoana matanjaka izy. Hitany nidina teo amin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra tamin’izy nanao batisa azy, efa ho roa taona izay. Henony koa ny feon’Andriamanitra nilaza hoe nankasitrahany i Jesosy. Tsy misy antony hieritreretantsika àry hoe nihanalemy finoana i Jaona. Tena nidera azy mantsy i Jesosy, ary tsy ho nanao izany izy raha nihanalemy finoana i Jaona. Raha tsy nisy nampisalasala an’i Jaona àry, nahoana izy no naniraka ny mpianany hanontany an’i Jesosy?

I Jesosy mihitsy angamba no tiany hiteny hoe izy no Mesia. Hampahery azy izany satria izy mbola nijaly tao am-ponja. Toa nisy heviny hafa koa ilay fanontaniany. Fantany ireo faminanian’ny Baiboly hoe ho mpanjaka sy mpanafaka ilay Voahosotr’Andriamanitra. Mbola nigadra anefa i Jaona, volana maromaro taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesosy. Te hanontany àry izy raha mbola hisy olon-kafa handimby an’i Jesosy ka hanatanteraka ny faminaniana rehetra momba ny Mesia.

Tsy nilaza tamin’ny mpianatr’i Jaona fotsiny i Jesosy hoe: ‘Ie! Izaho tokoa Ilay ho avy.’ Nanasitrana olona maro tratran’ny karazan’aretina rehetra kosa izy, mba hanaporofoana fa nanohana azy Andriamanitra. Hoy izy avy eo tamin’ny mpianatr’i Jaona: “Mandehana, lazao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.”—Matio 11:4, 5.

Nety ho nidika ilay fanontanian’i Jaona hoe nanantena izy fa hanao zavatra betsaka kokoa i Jesosy ary mety hanafaka azy tao am-ponja. Nilaza taminy anefa i Jesosy mba tsy hanantena fahagagana mihoatra noho izay efa ataony.

Rehefa lasa ny mpianatr’i Jaona, dia nanome toky an’ilay vahoaka i Jesosy fa tsy mpaminany fotsiny i Jaona. Izy ilay ‘irak’i Jehovah’ voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Malakia 3:1. Izy koa ilay Elia mpaminany nolazaina mialoha ao amin’ny Malakia 4:5, 6. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy.”—Matio 11:11.

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho i Jaona? Te hilaza izy fa tsy ho any amin’ilay Fanjakana any an-danitra i Jaona. Nanomana ny lalana ho an’i Jesosy izy, nefa maty talohan’ny nanokafan’i Kristy ny lalana mankany an-danitra. (Hebreo 10:19, 20) Mpaminany tsy nivadika anefa i Jaona ary ho anisan’ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.