Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 63

Inona no Hatao Raha Misy Manafintohina na Manota?

Inona no Hatao Raha Misy Manafintohina na Manota?

MATIO 18:6-20 MARKA 9:38-50 LIOKA 9:49, 50

  • AHOANA RAHA MISY MANAFINTOHINA?

  • AHOANA RAHA MANOTA NY RAHALAHY IRAY?

Vao avy nampiseho ohatra i Jesosy mba hahalalan’ny mpianany ny toe-tsaina mety. Raha ‘mandray zaza amin’ny anaran’i Jesosy izy ireo, dia handray an’i Jesosy’ koa. (Matio 18:5) Tokony hihevi-tena ho toy ny zaza izy ireo, satria tsy manana toerana ambony na voninahitra ny zaza.

Vao haingana ny apostoly no nifanditra hoe iza no lehibe indrindra ka nety ho nihevitra izy ireo hoe nibedy azy i Jesosy. Nilaza zavatra vao nitranga ny apostoly Jaona avy eo. Hoy izy: “Nisy lehilahy hitanay namoaka demonia tamin’ny anaranao, ka nandramanay nosakanana izy satria tsy anisantsika.”—Lioka 9:49.

Nihevitra ve i Jaona fa ny apostoly ihany no mahazo manasitrana sy mamoaka demonia? Nahoana àry io lehilahy jiosy io no nahavita namoaka fanahy ratsy? Nihevitra angamba i Jaona fa tsy tokony ho nanao fahagagana ilay lehilahy satria tsy niaraka tamin’i Jesosy sy ny apostoly.

Gaga i Jaona satria hoy i Jesosy: “Aza mitady hisakana azy, fa tsy misy hanao fahagagana amin’ny anarako ka vetivety eo dia ho afaka hanevateva ahy. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza manome rano eran’ny kaopy hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very mihitsy ny valisoany.”—Marka 9:39-41.

Tsy voatery ho niaraka tamin’i Kristy ilay lehilahy vao azo lazaina hoe nomba azy. Mbola vao haorina ny fiangonana kristianina tamin’io fotoana io, ka tsy nanohitra izy na nampandroso fivavahan-diso raha tsy niaraka tamin’i Jesosy. Niharihary fa nino ny anaran’i Jesosy izy, ary hita tamin’ny tenin’i Jesosy fa tsy ho very ny valisoan’ilay lehilahy.

Tena ho ratsy koa raha manafintohina an’ilay lehilahy ny tenin’ny apostoly sy izay ataony. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Na iza na iza mametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny iray amin’ireny madinika mino ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony ka hatsipy any an-dranomasina.’ (Marka 9:42) Nilaza izy avy eo fa tokony hahafoy zava-tsarobidy toy ny tanana na tongotra na maso ny mpanara-dia azy, raha mahatonga azy hanota izany. Aleo mahafoy an’ireo nefa miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra toy izay manana an’ireo nefa ho any amin’ny Gehena (Lohasahan’i Hinoma). Lohasaha tany akaikin’i Jerosalema izy io ka azo inoana fa efa hitan’ny apostoly. Fandoroana fako tao, ka azon’izy ireo fa fandringanana mandrakizay ny hoe Gehena.

Nilaza koa i Jesosy hoe: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko.” Tena sarobidy amin’ny Rainy ireny “madinika” ireny. Niresaka momba ny lehilahy nanana ondry 100 i Jesosy avy eo. Very ny iray ka navelan’ilay lehilahy ireo ondry 99 ary lasa izy nitady azy io. Rehefa hitany izy io dia nahafaly azy kokoa noho ireo 99. Hoy ihany i Jesosy: “Tsy tian’ny Raiko any an-danitra hisy ho very ny iray amin’ireny madinika ireny.”—Matio 18:10, 14.

Tao an-tsain’i Jesosy angamba ny fifandiran’ny apostoly momba ny hoe iza no ho lehibe indrindra, ka nampirisika azy ireo izy hoe: “Manàna sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hatrany ianareo.” (Marka 9:50) Mampahatsiro kokoa ny sakafo ny sira. Toy izany koa fa ho mora ekena kokoa ny teny raha asiana sira an’ohatra, ka hampisy fihavanana. (Kolosianina 4:6) Tsy mahavita izany kosa ny fifandirana.

Hoy i Jesosy momba izay tokony hatao rehefa misy olana lehibe: “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao.” Ary raha tsy mihaino izy? Nanoro hevitra i Jesosy hoe: “Ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho marim-pototra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.” Raha mbola tsy milamina anefa ilay izy dia tokony horesahina amin’ny “fiangonana”, izany hoe amin’ny anti-panahy, satria izy ireo no afaka manapa-kevitra. Raha mbola tsy mihaino ihany izy, dia “ataovy toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra”, izany hoe olona tsy nifandraisan’ny Jiosy.—Matio 18:15-17.

Mila manaraka ny Tenin’Andriamanitra ireo anti-panahy. “Ho efa voafatotra any an-danitra” ny fanapahan-kevitr’izy ireo raha hitany fa meloka ny olona iray ary mila famaizana. “Ho efa voavaha any an-danitra” kosa ny fanapahan-kevitr’izy ireo raha hitany fa tsy diso ilay olona. Tena hilaina ireo toro lalana ireo rehefa hiorina ny fiangonana kristianina. Hoy i Jesosy momba ny fanapahan-kevitra lehibe toy izany: “Na aiza na aiza ivorian’ny roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho.”—Matio 18:18-20.