Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 68

Ny Zanak’Andriamanitra no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”

Ny Zanak’Andriamanitra no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”

JAONA 8:12-36

  • NOHAZAVAIN’I JESOSY HOE IZA NY ZANAKA

  • NAHOANA NO LAZAINA FA ANDEVO NY JIOSY?

Nampianatra tao amin’ny “toerana fitehirizam-bola sy zava-tsarobidy”, tao amin’ny tempoly, i Jesosy tamin’ny andro fahafito na andro faran’ilay Fetin’ny Tranolay. (Jaona 8:20; Lioka 21:1) Toa tao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy izy io. Tao no fandatsahan’ny olona fanomezana.

Nasiana jiro manokana io faritry ny tempoly io nandritra ny alina tamin’ilay fety. Nisy fitoeran-jiro lehibe efatra, izay samy nisy koveta lehibe efatra feno menaka, tao. Nahavita nanazava hatrany amin’ny faritra lavitra ireo jiro. Izany angamba no tao an-tsain’ny mpihaino an’i Jesosy rehefa nilaza izy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao. Izay manaraka ahy, tsy mba handeha ao amin’ny maizina mihitsy, fa hanana ny fahazavana manome fiainana.”—Jaona 8:12.

Namaly anefa ny Fariseo hoe: “Ianao mijoro ho vavolombelon’ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.” Namaly i Jesosy hoe: “Na dia mijoro ho vavolombelon’ny tenako aza aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako. Fa ianareo tsy mahalala izay niaviako sy izay alehako.” Hoy ihany izy: “Voasoratra ao amin’ny Lalànareo koa hoe: ‘Marina ny tenin’ny vavolombelona roa.’ Izaho mijoro ho vavolombelon’ny tenako ary ny Ray izay naniraka ahy mijoro ho vavolombeloko.”—Jaona 8:13-18.

Tsy nanaiky izany ny Fariseo ka nanontany hoe: “Aiza ny Rainao?” Tsy niolakolaka i Jesosy namaly hoe: “Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko. Raha nahalala ahy ianareo, dia ho fantatrareo koa ny Raiko.” (Jaona 8:19) Mbola te hisambotra an’i Jesosy ny Fariseo nefa tsy sahy nikasika azy.

Namerina nilaza zavatra efa nolazainy tany aloha i Jesosy hoe: “Andeha aho, ary hitady ahy ianareo, kanefa ho faty ao amin’ny fahotanareo ianareo. Ary izay alehako tsy azonareo aleha.” Tsy azon’ireo Jiosy mihitsy ny tian’i Jesosy holazaina ka hoy izy ireo: “Hamono tena angaha izy no manao hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’?” Tsy azon’izy ireo ny tenin’i Jesosy satria tsy hain’izy ireo hoe avy aiza izy. Nanazava i Jesosy hoe: “Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony. Ianareo avy amin’ity tontolo ity, izaho tsy avy amin’ity tontolo ity.”—Jaona 8:21-23.

Te hilaza i Jesosy teo fa efa nisy tany an-danitra izy tamin’izy mbola tsy olombelona. Tiany holazaina koa fa izy no Mesia na Kristy, ary tokony ho fantatr’ireo mpitondra fivavahana ireo izany. Naneso azy ihany anefa izy ireo hoe: “Iza àry ianao e?”—Jaona 8:25.

Hoy i Jesosy tamin’ireo olona ireo, izay nanda sy nanohitra azy: “Tsy misy antony tokony hiresahako aminareo akory!” Niresaka momba ny Rainy ihany anefa izy ary nanazava hoe nahoana ny Jiosy no tokony hihaino ny Zanaka. Hoy izy: “Marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.”—Jaona 8:25, 26.

Nasehon’i Jesosy avy eo fa matoky ny Rainy izy fa tsy toy ireo Jiosy ireo. Hoy izy: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy. Ary tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany. Ary miaraka amiko ilay naniraka ahy, fa tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao izay sitrany foana aho.”—Jaona 8:28, 29.

Nisy Jiosy nino an’i Jesosy ihany anefa, ka nilazany hoe: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.

Toa hafahafa tamin’ny sasany ilay tenin’i Jesosy hoe “hanafaka anareo.” Hoy izy ireo: “Taranak’i Abrahama ange izahay e, ary mbola tsy andevon’iza na iza mihitsy. Koa nahoana ianao no milaza hoe: ‘Ho afaka ianareo’?” Tsy nanaiky nantsoina hoe andevo ny Jiosy, na dia fantany aza fa nisy fotoana izy ireo nofehezin’ny firenen-kafa. Nasehon’i Jesosy anefa fa mbola andevo izy ireo. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa andevon’ny ota ireo zatra manota.”—Jaona 8:33, 34.

Notandindomin-doza ny Jiosy satria tsy nanaiky hoe andevon’ny ota. Hoy i Jesosy: “Ny andevo tsy mitoetra mandrakariva ao an-trano, fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva ao.” (Jaona 8:35) Tsy manana zo handova ny andevo ary mety ho voaroaka izy na rahoviana na rahoviana. Ny zanaka na izay natsangana ho zanaka ihany no mijanona ao an-trano “mandrakariva”, izany hoe mandra-pahafatiny.

Ny marina momba ny Zanaka àry ilay marina manafaka mandrakizay amin’ny fahotana, izay mahafaty. Hoy i Jesosy: ‘Tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’—Jaona 8:36.