Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 79

Nahoana Izy Ireo no Horinganina?

Nahoana Izy Ireo no Horinganina?

LIOKA 13:1-21

  • NANATSOAKA LESONA AVY TAMIN’NY LOZA ROA I JESOSY

  • NOSITRANINA TAMIN’NY SABATA ILAY VEHIVAVY NALEMY

Efa betsaka ny nataon’i Jesosy mba hampirisihana ny olona hieritreritra ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Nanao izany indray izy rehefa avy niresaka tamin’ny vahoaka teo ivelan’ny tranon’ilay Fariseo.

Nisy tamin’ny vahoaka nitantara ny loza nanjo ny Galilianina sasany. “Nampifangaroin’i” Pontio Pilato governora romanina “tamin’ny sorona nataon’ireo Galilianina ireo mantsy ny ran’izy ireo.” (Lioka 13:1) Inona no dikan’izany?

Novonoina angamba ireo Galilianina ireo rehefa nisy Jiosy an’arivony nanohitra ny fampiasan’i Pilato ny volan’ny tempoly. Nanamboarany lakandrano nitondra rano tao Jerosalema mantsy ilay vola. Nety ho ny tompon’andraikitry ny tempoly no nanampy azy hahazo an’io vola io. Nihevitra angamba ireo nitantara an’ilay loza fa nanao ratsy ireo Galilianina ireo matoa novonoina. Tsy neken’i Jesosy izany.

Hoy i Jesosy: “Heverinareo ve fa mpanota kokoa noho ny Galilianina rehetra ireny, satria izany no nanjo azy?” Nilaza izy hoe tsy izany. Nampiasainy hampitandremana ny Jiosy anefa io loza io ka hoy izy: ‘Ho ringana toa azy koa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.’ (Lioka 13:2, 3) Niresaka loza hafa i Jesosy avy eo. Vao haingana angamba izy io ary nety ho nifandray tamin’ny fanorenana an’ilay lakandrano. Hoy izy:

‘Ireo olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo tao Siloama, heverinareo ve fa mpanota kokoa noho ny mponina rehetra ao Jerosalema ireny?’ (Lioka 13:4) Nety ho nihevitra ny vahoaka fa maty izy ireo satria nanao ratsy. Tsy neken’i Jesosy indray izany. Fantany fa ‘mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ ny olona ary nety ho izany no nanjo azy ireo. (Mpitoriteny 9:11) Tokony handray lesona avy amin’izay nitranga anefa ilay vahoaka. Hoy i Jesosy: ‘Ho ringana toa azy koa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.’ (Lioka 13:5) Nahoana io teny io no naveriny?

Misy ifandraisany amin’ny fotoana efa nanompoany izany. Nanazava izy hoe: “Nisy lehilahy nanana aviavy izay nambolena tao an-tanimboalobony. Dia tonga hitady voa taminy izy, saingy tsy nahita mihitsy. Ary hoy izy tamin’ny mpikarakara tanimboaloboka: ‘Efa telo taona aho izao no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, nefa tsy nahita mihitsy. Koa kapao any io! Nahoana io no avela eo, ka manjary tsy azo ampiasaina ny tany?’ Fa namaly ilay mpikarakara tanimboaloboka hoe: ‘Tompo ô, avelao eo ihany izy amin’ity taona ity, mandra-pangadiko ny manodidina azy, sy mandra-panisiko zezika azy. Koa raha hamoa izy, dia tsara! Fa raha tsy hamoa kosa izy, dia hokapainao ihany.’ ”—Lioka 13:6-9.

Efa telo taona mahery i Jesosy no nanao izay hananan’ny Jiosy finoana. Vitsy anefa no lasa mpianany sy azo heverina ho vokatry ny asany. Taona fahefatra nanompoany tamin’izay ary vao mainka izy niasa mafy. Nitory sy nampianatra tany Jodia sy Pere izy, ka toy ny nangady sy nanisy zezika nanodidina an’ilay aviavy na ny Jiosy. Vitsy anefa no niova. Tsy nibebaka ny ankamaroany ka mendrika horinganina.

Niharihary indray fa tsy niraika ny ankamaroan’ny Jiosy, tsy ela taorian’ny Sabata. Nampianatra tao amin’ny synagoga iray i Jesosy. Nisy vehivavy iray nampahorian’ny demonia tao ka nanjoko be nandritra ny 18 taona. Nangoraka azy i Jesosy ka niteny hoe: “Afaka amin’ny fahalemenao ianao, ravehivavy.” (Lioka 13:12) Nametrahany tanana izy ka nitraka avy hatrany ary nanome voninahitra an’Andriamanitra.

Nahatezitra an’ilay mpitantana ny synagoga izany ka hoy izy: “Enina andro no natao hiasana, ka amin’ireo andro ireo ianareo no tokony ho tonga hositranina, fa tsy amin’ny andro sabata.” (Lioka 13:14) Tsy nolaviny hoe nahavita nanasitrana i Jesosy. Nomelohiny kosa ireo olona tonga hositranina tamin’ny Sabata. Hoy àry i Jesosy: “Ry mpihatsaravelatsihy, tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany avy ve ianareo amin’ny sabata, ka mitondra azy hisotro rano? Koa tsy tokony hovahana ho afa-patorana amin’ny andro sabata àry ve ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo ambin’ny folo taona be izao?” (Lioka 13:15, 16) Mitombina tokoa izany!

Menatra ny mpanohitra fa ny vahoaka kosa faly noho ireo zava-mahagaga nataon’i Jesosy. Nilaza fanoharana roa momba an’ilay Fanjakana izy raha mbola tany Jodia. Efa nolazainy tamin’izy tao an-tsambokely teny amin’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo ary momba ny hoavy.—Matio 13:31-33; Lioka 13:18-21.