Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 72

Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy

Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy

LIOKA 10:1-24

  • NIFIDY MPIANATRA 70 I JESOSY ARY NANIRAKA AZY IREO HITORY

Faramparan’ny taona 32 tamin’izay, izany hoe telo taona teo ho eo taorian’ny batisan’i Jesosy. Vao haingana izy sy ny mpianany no nanatrika ny Fetin’ny Tranolay tao Jerosalema. Mbola teny akaiky teny angamba izy ireo. (Lioka 10:38; Jaona 11:1) Enim-bolana sisa dia hifarana ny fanompoan’i Jesosy. Tao Jodia izy tamin’ny ankamaroan’io fotoana io, na tany Pere, faritra ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Tokony hitoriana koa tany.

Nitory nandritra ny volana vitsivitsy tao Jodia sy eran’i Samaria i Jesosy talohan’izay, izany hoe taorian’ny Paska taona 30. Nisy Jiosy tao Jerosalema nitady hamono azy rehefa nanakaiky ny Paska taona 31. Tany Galilia tany avaratra izy no tena nampianatra nandritra ny herintaona sy tapany taorian’izay, ary maro no lasa mpanara-dia azy. Nampiofana ny apostoliny koa i Jesosy tany ary avy eo naniraka azy ireo sady niteny hoe: “Mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ” (Matio 10:5-7) Nandamina ny fitoriana tao Jodia izy izao.

Nifidy mpianatra 70 izy ary naniraka azy tsiroaroa. Nisy ekipa 35 àry ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ilay faritany. “Be tokoa ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy.” (Lioka 10:2) Nalefan’i Jesosy nialoha azy tany amin’ny toerana nety ho mbola halehany ireo 70 lahy. Nasainy nanasitrana sy nampiely ny hafatra notoriny izy ireo.

Tsy tany amin’ny synagoga izy ireo no tena nirahin’i Jesosy hampianatra, fa tany an-tranon’olona. Hoy izy: “Amin’izay trano idiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana!’ Koa raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra eo aminy ny fiadananareo.” Inona no hafatra notorin’izy ireo? Hoy i Jesosy: “Lazao foana hoe: ‘Efa manakaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’ ”—Lioka 10:5-9.

Nitovy tamin’ny toromarika nomen’i Jesosy ny apostoly 12, herintaona teo ho eo talohan’izay, ny toromarika nomeny an’ireo 70 lahy. Nampitandrina izy fa tsy ny rehetra no handray tsara azy ireo. Hanomana an’ireo tso-po anefa izy ireo, ka maro no ho vonona handray an’i Jesosy Tompo sy hianatra aminy, rehefa ho tonga izy ao aoriana kely.

Tsy ela dia niverina tany amin’i Jesosy ireo ekipa 35, ary faly erỳ nitantara hoe: “Tompo ô, manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Faly be koa i Jesosy satria hoy izy: “Hitako fa efa nazera toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana. Efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka ianareo.”—Lioka 10:17-19.

Nanome toky ny mpanara-dia azy i Jesosy teo fa hahavita hiatrika zavatra mampidi-doza izy ireo, ka toy ny hoe hanitsaka bibilava sy maingoka. Afaka matoky izy ireo fa hazera avy any an-danitra i Satana amin’ny hoavy. Nasehon’i Jesosy an’ireo 70 lahy koa izay tena zava-dehibe. Hoy izy: “Aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”—Lioka 10:20.

Faly be i Jesosy ary nidera ny Rainy ampahibemaso noho izy nampiasa an’ireo mpanompony manetry tena ireo mba hahavita zavatra miavaka. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo ankehitriny fa tsy nahita, sy naniry handre izay renareo ankehitriny fa tsy nahare.”—Lioka 10:23, 24.