Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 78

Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisana

Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisana

LIOKA 12:35-59

  • TOKONY HO VONONA FOANA ILAY MPANOMPO MENDRI-PITOKISANA

  • TONGA HITONDRA FISARAHANA I JESOSY

Nanazava i Jesosy fa ny “ondry vitsy” ihany no hahazo an’ilay Fanjakana any an-danitra. (Lioka 12:32) Tsy tokony hohamaivanina izany tombontsoa lehibe izany. Nasongadiny fa ilaina ny toe-tsaina tsara raha te ho anisan’ilay Fanjakana.

Tokony ho vonona foana ny mpianatra rehefa hiverina i Jesosy. Hoy izy: “Misikìna ary aoka hirehitra ny jironareo. Aoka koa ianareo ho tahaka ny mpanompo miandry ny fiverenan’ny tompony avy amin’ny fampakaram-bady. Amin’izay, rehefa tonga ny tompony ka mandondòna, dia hanokatra varavarana ho an’ny tompony avy hatrany ireo. Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony hoe miambina rehefa tonga izy!”—Lioka 12:35-37.

Mora tamin’ny mpianatra ny nahatakatra ny toe-tsaina tian’i Jesosy horesahina. Vonona ireo mpanompo ka niandry ny fiverenan’ny tompony. Hoy i Jesosy: “Raha tonga amin’ny fiambenana faharoa [amin’ny sivy alina eo ho eo ka hatramin’ny misasakalina] ny tompony, eny fa na amin’ny fiambenana fahatelo [amin’ny misasakalina eo ho eo ka hatramin’ny telo maraina] aza, ka mahita azy miambina, dia sambatra izany mpanompo izany!”—Lioka 12:38.

Tsy fampirisihana ny mpanompo ao an-trano na ny mpiasa mba hazoto hiasa izany. Niresaka momba ny Zanak’olona na ny tenany mantsy i Jesosy tao amin’ilay fanoharana. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Aoka koa ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.” (Lioka 12:40) Ho avy amin’ny fotoana tsy fantatra àry izy. Tiany ho vonona ny mpanara-dia azy, indrindra fa ny “ondry vitsy.”

Te hahazo tsara ny hevitr’i Jesosy i Petera ka niteny hoe: “Tompo ô, aminay ihany ve no ilazanao izany fanoharana izany sa amin’ny rehetra koa?” Tsy namaly azy mivantana i Jesosy fa nilaza fanoharana mifandray amin’ilay teo aloha. Hoy izy: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, izay hotendren’ny tompony hikarakara hatrany ny mpanompony hafa rehetra mba hanome sakafo ampy ho azy ireo, amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.”—Lioka 12:41-44.

I Jesosy, ilay Zanak’olona, no ‘tompo’ ao amin’ilay fanoharana voalohany. Mitombina àry raha lehilahy anisan’ny “ondry vitsy” izay homena ny Fanjakana no tondroin’ilay hoe “mpanompo mendri-pitokisana.” (Lioka 12:32) Nilaza i Jesosy fa ny sasany amin’ny ondry vitsy no hanome ‘sakafo ampy amin’ny fotoana mety’ ho an’ny “mpanompony hafa rehetra.” Takatr’i Petera sy ny olon-kafa nampianarin’i Jesosy sy nomeny sakafo ara-panahy àry fa ho tonga ny Zanak’olona amin’ny fotoana iray amin’ny hoavy. Hisy fandaharana amin’izay mba hanomezana sakafo ara-panahy an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, izany hoe “ny mpanompony hafa rehetra.”

Mbola nasongadin’i Jesosy hoe nahoana ny mpianany no tokony hiambina sy hitandrina mba hanana toe-tsaina tsara. Mety hanao tsirambina mantsy ny olona iray, ary hanohitra ny mpiara-manompo aminy. Hoy i Jesosy: “Fa raha manao anakampo kosa ilay mpanompo hoe: ‘Mba ela koa ny tompoko vao tonga!’ ka manomboka mikapoka ny mpanompolahy sy mpanompovavy izy, ary mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny olona tsy mendri-pitokisana.”—Lioka 12:45, 46.

Nilaza i Jesosy fa “tonga handrehitra afo eto an-tany” izy. Nitranga izany satria niteraka adihevitra be ny fampianarany sady nampiharihary fa diso ny fampianaran’ny fivavahana sy ny lovantsofina. Nampisaraka ny olona tokony ho niray saina izany, ‘ka ny ray nanohitra ny zanany lahy, ny zanakalahy nanohitra ny rainy, ny reny nanohitra ny zanany vavy ary ny zanakavavy nanohitra ny reniny, ny rafozambavy nanohitra ny vinantovaviny ary ny vinantovavy nanohitra ny rafozambaviny.’—Lioka 12:49, 53.

Ny mpianany no tena nilazan’i Jesosy an’ireo. Niresaka tamin’ny vahoaka izy avy eo. Tsy nety nanaiky ny porofon’ny maha Mesia azy ny ankamaroan’izy ireo, ka hoy izy: “Rehefa mahita rahona miakatra eny andrefana ianareo, dia milaza avy hatrany ianareo hoe: ‘Hisy oram-baratra.’ Ary tonga tokoa izany. Rehefa hitanareo fa mitsoka avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hisy hafanam-be.’ Ary izany tokoa no mitranga. Ry mpihatsaravelatsihy! Hainareo ny mandinika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, koa nahoana no tsy hainareo ny mandinika izao fotoana izao?” (Lioka 12:54-56) Hita fa tena tsy vonona izy ireo!