Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Azo inoana fa tia mahazo vaovao tsara ianao. Misy vaovao tsara be ho anao sy ny havan-tianao.

Ao amin’ny Baiboly izy io. I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona an’izao rehetra izao, no nampanoratra ny Baiboly, taona maro lasa izay. Boky efatra ao no tena horesahina ato, ary misy vaovao faran’izay tsara ho antsika rehetra ao amin’izy ireo. Ny anaran’ny olona nasain’Andriamanitra nanoratra azy no iantsoana an’ireo boky ireo. Izany dia ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

Maro no miantso azy ireo hoe Filazantsara. Mirakitra filazantsara na vaovao tsara momba an’i Jesosy izy ireo. Izao ilay vaovao tsara: I Jesosy no ampiasain’Andriamanitra hamonjena ny olombelona. Izy koa no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary hitondra soa mandrakizay ho an’ireo rehetra maneho finoana azy izy.—Marka 10:17, 30; 13:13.

NAHOANA NO NATAO EFATRA?

Mieritreritra angamba ianao hoe nahoana no boky efatra no nasain’Andriamanitra nanoratana ny tantaram-piainan’i Jesosy sy izay nampianariny.

Tena mety ny nanoratana an’izay nolazain’i Jesosy sy nataony, tao amin’ny boky samihafa. Eritrereto, ohatra, hoe misy lehilahy efatra mijoro eo akaikin’ny mpampianatra malaza iray. Manana birao famorian-ketra ilay eo anoloany. Dokotera ilay eo ankavanany. Ilay eo ankaviany mpanarato sady namany akaiky. Ilay ao aoriany kosa mpandinika izay mitranga, ary tanora kokoa noho izy telo. Samy milaza ny marina izy ireo, ary samy manana ny mahaliana azy sy izay ifantohany. Azo inoana fa tsy hitovy ny tsipiriany sy ny zava-mitranga horesahin’izy ireo rehefa manoratra an’izay nolazain’ilay mpampianatra sy nataony. Hahazo an-tsaina tsara an’izay nolazain’ilay mpampianatra sy nataony isika, raha mandinika an’izay nosoratan’izy efatra, ary mitadidy fa samy hafa ny fomba fijeriny sy ny tanjony. Tena mety àry ny hoe nosoratana tao amin’ny boky efatra samy hafa ny tantaram-piainan’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe.

Ny Jiosy no tena nokendren’ilay mpamory hetra, ka izay fampianarana na zava-nitranga hanampy azy ireo no natambany tao amin’ny bokiny. Ilay dokotera indray nanasongadina ny fanasitranana ny marary sy kilemaina. Tsy noresahiny àry ny tsipiriany sasany nosoratan’ilay mpamory hetra, na tsy nitovy ny fomba nandaharany azy. Ilay namana akaiky indray nanasongadina ny fihetseham-pon’ilay mpampianatra sy ny toetrany. Fohy kokoa sy voafintina kosa ny fitantaran’ilay tovolahy. Marina daholo anefa izay nosoratan’izy efatra. Lasa fantatsika kokoa àry izay nataon’i Jesosy sy nampianariny ary ny toetrany, noho ireo fitantarana efatra momba ny fiainany.

Mety hisy hiteny hoe ‘Filazantsaran’i Matio’ na ‘Filazantsaran’i Jaona.’ Tsy diso izany satria samy mirakitra “vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy” ireo. (Marka 1:1) Azo lazaina ho filazantsara na vaovao tsara iray anefa no ao amin’ireo fitantarana efatra.

Nampitaha sy nampifanaraka ny zava-mitranga voatantara ao amin’ny Matio sy Marka ary Lioka sy Jaona ny olona maro nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nanao izany i Tatien, mpanoratra avy any Syria, tamin’ny taona 170 tany ho any. Hitany fa marina tsara sy avy amin’ny fanahy masina ireo boky efatra ireo. Nampifanarahiny àry ireo fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, ary natambany ho boky iray antsoina hoe Diatessaron.

Toy izany koa no natao rehefa nanoratra an’ity boky ity. Marina kokoa anefa izy ity sady feno kokoa ny fanazavana raketiny. Azontsika kokoa mantsy izao ny fahatanterahan’ny faminaniana sy ny fanoharana maro noresahin’i Jesosy. Lasa mazava kokoa àry izay nolazainy sy nataony ary ny filaharan’ny zava-nitranga tamin’ny androny. Nisy zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany koa, ka vao mainka mazava ny tsipiriany sasany ao amin’ny Filazantsara sy ny fomba fihevitr’ireo mpanoratra. Marina fa tsy misy afaka manizingizina ny tena filaharan’ny zava-mitranga rehetra voaresaka ao. Mitombina tsara anefa ny fomba nandaharana azy ireo ato amin’ity boky ity.

LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA

Tadidio ny hafatra lehibe indrindra tiana hampitaina aminao sy ny havan-tianao, rehefa mamaky an’ity boky ity ianao. I Jesosy Kristy mihitsy no nilaza azy io tamin’ny apostoly Tomasy. Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.

Ho hitanao ato hoe nahoana i Jesosy no antsoina hoe “lalana.” Amin’ny alalany ihany no ahafahana manatona an’i Jehovah Andriamanitra rehefa mivavaka. Izy koa no manampy antsika hihavana amin’Andriamanitra. (Jaona 16:23; Romanina 5:8) Amin’ny alalany ihany àry no ahafahana mifandray amin’Andriamanitra sy mahazo sitraka aminy.

I Jesosy koa no “fahamarinana.” Nifanaraka tanteraka tamin’ny fahamarinana ny fiainany sy ny zavatra nolazainy. Nanatanteraka faminaniana maro be izy, ka ‘tonga Eny ireny tamin’ny alalany.’ (2 Korintianina 1:20; Jaona 1:14) Hitantsika amin’izy ireny fa manana anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy.—Apokalypsy 19:10.

I Jesosy Kristy koa no “fiainana.” Nanome ny vidim-panavotana izy, izany hoe nahafoy ny ainy sy ny rany lavorary, ka afaka mahazo ny “tena fiainana” na “fiainana mandrakizay” isika. (1 Timoty 6:12, 19; Efesianina 1:7; 1 Jaona 1:7) “Fiainana” ho an’ny olona an-tapitrisany efa maty koa izy, satria hatsangany amin’ny maty izy ireny ka ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.—Jaona 5:28, 29.

Tokony ho azontsika rehetra sy hankasitrahantsika ny anjara asan’i Jesosy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Enga anie ianao ka hazoto hianatra bebe kokoa momba an’i Jesosy, ilay “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”