Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hanahaka An’i Jesosy ve Ianao? Miezaha Àry...

Te Hanahaka An’i Jesosy ve Ianao? Miezaha Àry...

HAHAY HANGORAKA

Lavorary i Jesosy ka mbola tsy niainany ny zavatra maro mahakivy sy mampiady saina ny olombelona. Tena nangoraka ny olona anefa izy. Nikely aina nanampy azy ireo izy, ka nanao mihoatra noho izay nilain’izy ireo mihitsy. Nandrisika azy hanampy ny hafa ny fangorahany. Saintsaino ny ohatra navelany, ao amin’ny Toko 32, 37, 57, 99.

HO MORA HATONINA

Tsy niseho ho ambony i Jesosy na nihatakataka tamin’ny hafa. Tsy nisalasala nanatona azy àry ny olona maro, na tanora na antitra. Tsapan’izy ireo fa tena niahy azy i Jesosy, ka nahazo aina tsara izy ireo niaraka taminy. Diniho izany ao amin’ny Toko 25, 27, 95.

HO TIA MIVAVAKA

Nivavaka matetika tamin’ny Rainy i Jesosy ary nafana fo rehefa nivavaka. Nanao izany izy, na nitokana na rehefa niaraka tamin’ny mpanompon’i Jehovah hafa. Nivavaka imbetsaka izy fa tsy rehefa nisakafo ihany. Nivavaka izy mba hisaorana ny Rainy sy hiderana azy ary mba hangatahana ny tari-dalany rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Diniho ny ohatra navelany, ao amin’ny Toko 24, 34, 91, 122, 123.

TSY HO TIA TENA

Mbola nikely aina nanampy ny hafa i Jesosy, na dia rehefa afaka niala sasatra sy niala voly aza. Tsy tia tena izy. Modely azontsika arahina akaiky koa izy amin’izany. Ianaro ny fomba nampisehoany an’izany, ao amin’ny Toko 19, 41, 52.

HAMELA HELOKA

Namela ny heloky ny mpianany sy ny olon-kafa i Jesosy fa tsy nampianatra fotsiny hoe ilaina ny mamela heloka. Saintsaino ny ohatra navelany, ao amin’ny Toko 26, 40, 64, 85, 131.

HO BE ZOTOM-PO

Efa voalaza mialoha fa tsy hanaiky ny Mesia ny ankamaroan’ny Jiosy, ary hovonoin’ny fahavalony ho faty izy. Azon’i Jesosy natao àry ny nitsitsy tena rehefa nanampy ny hafa. Nazoto nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina anefa izy. Modely ho an’ireo rehetra manara-dia azy izy, rehefa sendra olona tsy miraika na manohitra izy ireo. Jereo ny Toko 16, 72, 103.

HANETRY TENA

Ambony noho ny olombelona tsy lavorary i Jesosy, amin’ny lafiny maro. Mahalala zavatra sy hendry kokoa, ohatra, izy. Lavorary izy ka nahavita zavatra kokoa sy nahira-tsaina kokoa noho ny olon-kafa. Nanetry tena sy nanompo ny hafa anefa izy. Misy lesona momba izany ao amin’ny Toko 10, 62, 66, 94, 116.

HANAM-PAHARETANA

Nanam-paharetana tamin’ny apostoly sy ny olon-kafa foana i Jesosy, rehefa tsy nahavita nanahaka azy izy ireo na tsy nanaraka ny teniny. Tsy sasatra izy namerimberina nampianatra azy ireo an’izay nilaina mba hifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah. Saintsaino ny ohatra navelany, ao amin’ny Toko 74, 98, 118, 135.