Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?

Roa ihany ny karazana fivavahana: Mitarika ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fahaverezana. Hanampy anao hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana ity bokikely ity.

Sasin-teny

Miankina amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny fiainantsika sy ny hoavintsika. Tena zava-dehibe àry raha ankasitrahany ny fanompoantsika azy!

FIZARANA 1

Ny Fivavahana Rehetra ve no Mampianatra ny Fahamarinana?

Samy manana ny zavatra inoany ny mpivavaka. Mety hiorina amin’ny fahamarinana daholo ve izy ireo?

FIZARANA 2

Ahoana no Ahafantaranao ny Fahamarinana Momba An’Andriamanitra?

Misy fitsipika eken’ny rehetra mety hahafantarana ny marina momba an’Andriamanitra ve?

FIZARANA 3

Iza no Monina any Amin’ny Tsy Hita Maso?

Misy heriny lehibe ny finoan-drazana momba an’ireo monina any amin’ny tsy hita maso. Marina ve izy ireny? Mamaly an’izany ny Baiboly.

FIZARANA 4

Aiza ny Razantsika?

Maro ny olona mino fa tsy mifarana eo amin’ny fahafatesana ny fiainana, fa fifindrana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny. Inona no lazain’ny Baiboly?

FIZARANA 5

Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody

Tena mahery ny fanahy ratsy sady mampidi-doza. Tsy tokony hatahotra azy ireny be loatra anefa isika.

FIZARANA 6

Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

Misy mieritreritra hoe ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly?

FIZARANA 7

Iza no Manaraka ny Fivavahana Marina?

Afaka manampy anao ny Baiboly, mba hahafantaranao hoe iza no tena manao ny sitrapon’Andriamanitra.

FIZARANA 8

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina

Hoy i Jesosy: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.” Ahoana no hahalalanao hoe miandany amin’iza ianao?

FIZARANA 9

Hahasoa Anao Mandrakizay ny Fivavahana Marina!

Raha manompo an’i Jehovah ianao, dia hitahy anao izy dieny izao sy ho mandrakizay.