Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Aiza ny Razantsika?

Aiza ny Razantsika?

1, 2. Inona no inoan’ny olona momba ny maty?

MINO ny ankamaroan’ny Afrikanina fa tsy mifarana eo amin’ny fahafatesana ny fiainana, fa fifindrana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny io. Maro no mino fa lasa any amin’ny tsy hita maso, ary lasa fanahy, ny razany.

2 Mino koa izy ireo fa mitahy sy manambina ny fianakaviany eto an-tany ireny razambe, na fanahin’ny razana, ireny. Heverina àry fa namana mahery ny fanahin’ny razana, ary afaka mampitombo ny vokatry ny tany, miahy izay hahasoa ny olona, ary miaro. Lazaina fa mitondra loza toy ny aretina sy fahantrana izy ireny raha tsy raharahaina na rehefa tezitra.

3. Ahoana no ivavahan’ny olona sasany amin’ny razany?

3 Manao fombafomba fanomezam-boninahitra sy ifandraisana tsara amin’ny fanahin’ny razana ny olona velona. Ahitana izany indrindra ny fombafomba mifandray amin’ny maty, toy ny fiandrasam-paty sy ny famadihana. Hita amin’ny fomba hafa koa ny fivavahana amin’ny razana. Misy olona mandraraka toaka kely ho an’ny razana, alohan’ny hisotroany. Misy koa mametraka sombin-tsakafo masaka ao anaty vilia, satria inoany fa mety ho avy eo ny razana ka hihinana izany.

4. Inona no inoan’ny olona momba ny fanahy?

4 Misy mino fa manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana ny olona. Lazaina fa mankany an-danitra, na any amin’ny paradisa ny fanahin’ny olona tsara, fa mankany amin’ny afobe kosa ny fanahin’ny olona ratsy. Akamban’ny olona amin’ny finoan-drazana io hevitra io matetika. Hita ao amin’ny filazana manjo amin’ny gazety, indraindray, fa “lasa any ankoatra”, na “nody any amin’ny razany” ilay olona maty. Izany finoana rehetra izany dia miorina amin’ilay hevitra hoe mbola velona ny fanahy, na dia rehefa maty aza ny vatana. Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Inona ny fanahy?

5. Inona ny fanahy, araka ny Baiboly?

5 Misy dikany maromaro ireo teny Hebreo sy Grika nadika hoe fanahy, rehefa dinihina tsara ny Baiboly. Samy midika hoe zavatra tsy hita maso izy ireo, ary miharihary fa hery ampiasaina. Ireo teny ireo dia manondro ny 1) rivotra; 2) ny hery mamelona ny olona sy ny biby; 3) ny hery avy ao amin’ny fo tsy ara-bakitenin’ny olona ka mahatonga azy hiteny sy hanao zavatra; 4) zavaboary ara-panahy; ary 5) hery ampiasain’Andriamanitra, na fanahy masina. Ireo no vitsivitsy amin’ny hevitry ny teny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly.

6. Inona ny fanahy ao amin’ny olombelona?

6 Rehefa miresaka momba ny fanahy ao amin’ny olombelona àry ny Baiboly, dia tsy inona akory no tondroiny fa ilay hery mamelona tsy hita maso mahatonga ny olona ho afaka hiasa. Azo ampitahaina amin’ny herinaratra ny fanahy, na hery mamelona. Afaka mampandeha vantilatera na radio ny herinaratra, kanefa tsy afaka hitsotsòka rivotra na hamoaka feo, raha tsy eo ireo fitaovana ireo. Mahatonga antsika ho afaka hahita sy handre ary hieritreritra koa ny fanahy. Tsy mahavita izany anefa ny fanahy, raha tsy eo ny maso sy ny sofina ary ny atidoha.

7. Inona no mitranga rehefa tsy miasa ao amin’ny vatana intsony ny fanahy?

7 Manana fanahy, na hery mamelona azy àry ny olona tsirairay. Ny fifohana rivotra no mihazona an’io hery mamelona io. Tsy ny fofonaina fotsiny anefa ny fanahy fa ilay aina ao anatin’ny sela tsirairay ao amin’ny vatana mihitsy. Maty ilay vatana, rehefa tsy miasa ao anatiny intsony io hery mamelona azy io. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Maty ny tena, raha tsy misy fanahy.”—Jakoba 2:26.

8. Inona no mitranga amin’ny fikasana, na eritreritry ny olona, rehefa tsy miasa ao amin’ny vatany intsony ny hery mamelona azy?

8 Hazavain’ny Baiboly koa fa tsy ny vatana ihany no maty, rehefa maty ny olona. Vakintsika ao amin’ny Salamo 146:4, fa rehefa “miala ny fofonainy”, izany hoe mitsahatra tsy miasa ny fanahy, dia “miverina ho amin’ny taniny” ilay olona, izany hoe lasa vovoka indray ny vatany. Mariho anefa ny tohin’ilay andininy: “Amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”, na ny eritreriny.

9. Tsy afaka manao inona ny fanahy?

9 Toy izao àry, raha fintinina izay lazain’ny Baiboly momba ny fanahy: Tsy mandao ny vatana mba hiaina any ankoatra ny fanahy, na hery mamelona. Tsy afaka manao na inona na inona àry izy io rehefa maty ny olona: tsy afaka mitahy, na mampitahotra, na mitondra loza.

Manao ahoana ny maty?

10. Manao ahoana ny maty, araka ny Baiboly?

10 Manao ahoana àry ny maty? Fantatr’i Jehovah izay mitranga amintsika rehefa maty isika, satria izy no namorona antsika. Lazain’ny Teniny fa tsy misy aina, tsy mandre, tsy mahita, tsy miteny, tsy mieritreritra na inona na inona, ny maty. Hoy ny Baiboly:

  • “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

  • “Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona.”—Mpitoriteny 9:6.

  • “Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.”—Mpitoriteny 9:10.

11. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Adama, rehefa nanota izy?

11 Eritrereto izay lazain’ny Baiboly momba an’i Adama razambentsika. Avy tamin’ny “vovo-tany no namoronan’i Jehovah” azy. (Genesisy 2:7) Ho sambatra mandrakizay teto an-tany i Adama raha nankatò ny lalàn’i Jehovah. Tsy nankatò anefa izy, ka fahafatesana no saziny. Lasa taiza i Adama rehefa maty? Hoy Andriamanitra taminy: Hiverina “any amin’ny tany [ianao]; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.”—Genesisy 3:19.

12. Inona no nitranga tamin’i Adama rehefa maty izy?

12 Taiza i Adama talohan’ny namoronan’i Jehovah azy avy tamin’ny vovoka? Tsy taiza tsy taiza izy, satria mbola tsy nisy. Hanjary tsy hanana aina sy ho toy ny vovoka indray àry i Adama, rehefa nilazan’i Jehovah hoe ‘hiverina any amin’ny tany.’ Tsy nitohy tany amin’ny tsy hita maso ny fiainan’i Adama. Tsy lasa tany ‘ankoatra’ tany amin’ny fonenan’ny fanahin’ny razambe akory izy. Tsy lasa tany an-danitra na tany amin’ny afobe koa izy. Nanjary tsy nisy aina toy ny taloha fotsiny izy, ary nanjary tsy nisy intsony.

13. Inona no mitranga amin’ny olona sy ny biby, rehefa maty izy ireo?

13 Izany koa ve no mitranga amin’ny olona rehetra? Eny tokoa, satria hoy ny Baiboly: “Samy mankamin’ny fitoerana iray [na ny olona na ny biby]: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.”—Mpitoriteny 3:19, 20.

14. Inona no azo antenaina ho an’ny maty?

14 Mampanantena ny Baiboly fa hofohazin’Andriamanitra ny maty, mba ho velona ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Mbola amin’ny hoavy anefa izany. Mbola matory ao amin’ny fahafatesana ireny olona ireny izao. (Jaona 11:11-14) Tsy tokony hatahotra na hivavaka amin’izy ireny isika, satria sady tsy afaka manampy antsika izy ireny, no tsy afaka manisy ratsy antsika.

15, 16. Inona no ataon’i Satana mba hampinoana ny olona fa tsy tena maty ny maty?

15 Lainga naparitak’i Satana Devoly ilay hoe tsy tena maty isika. Miezaka hampino ny olona an’io lainga io izy sy ny demoniany, ka ataony izay hinoan’ny olona fa ny fanahin’ny maty no miteraka aretina na olana hafa. Marina fa misy zava-manahirana avy amin’ny demonia. Marina koa fa misy zava-manahirana tsy avy amin’ny hery ara-panahy. Tsy marina kosa anefa ny hoe ny maty no miteraka zava-manahirana ho antsika.

16 Mbola misy fomba hafa ampiasain’ny demonia mba hampinoana ny olona fa diso izay lazain’ny Baiboly momba ny maty. Fitahiny ny olona mba hieritreritra fa nahita na niresaka tamin’ny maty. Ataony amin’ny alalan’ny fahitana sy nofy ary ny olona misy tromba sy ny fomba hafa izany. Tsy ny maty anefa no hitan’ny olona, fa demonia milaza ho olona efa maty. Izany no mahatonga an’i Jehovah hanameloka mafy ny mpisikidy sy ny mpamoha angatra.—Deoteronomia 18:10-12; Zakaria 10:2.