Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 1

Ny Fivavahana Rehetra ve no Mampianatra ny Fahamarinana?

Ny Fivavahana Rehetra ve no Mampianatra ny Fahamarinana?

1. Inona no anisan’ny fivavahana atỳ Afrika?

SAIKA ny rehetra atỳ Afrika no manaiky fa zava-dehibe ny mivavaka amin’Andriamanitra. Tsy mitovy anefa ny fomba ivavahan’ny olona. Ny sasany mandeha any amin’ny masikirìny, ary ny hafa mandeha any amin’ny toerana fanasinana. Misy koa mandeha any am-piangonana. Tsy midika anefa izany hoe telo ihany ny fivavahana atỳ Afrika. Misy lalàna sy finoana samy hafa na dia eo amin’ny samy Silamo aza. Miovaova arakaraka ny faritra koa ny fivavahana nentin-drazana. Mbola vao mainka mizarazara be koa ireo milaza ho Kristianina. Ankoatra ireo fiangonana kristianina lehibe, dia mbola misy fiangonana tsy miankina an’arivo manerana an’i Afrika.

Tsy maintsy miorina amin’ny fahamarinana ny fivavahantsika

2. a) Inona matetika no mahatonga ny olona hanaraka ny fivavahany? b) Inona no tsy manaporofo fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahantsika?

2 Inona no mahatonga ny olona ho ao amin’ny fivavahana misy azy? Maro no nandray ny fivavahan’ny ray aman-dreniny. Nisy akony koa ny zava-nitranga taloha. Hoy ilay boky hoe Ny Lova Telo Soson’ny Afrikanina (anglisy): “Ny fanafihana no nahatonga ny faritra avaratr’i Sahara ho Silamo, . . . toy izany koa no niparitahan’ny Kristianisma tany atsimon’i Sahara. Ny fitaovam-piadiana nanafihana fotsiny no samy hafa, fa ny fomba kosa nitovy ihany.” Na ahoana na ahoana anefa, dia mino ihany ny ankamaroantsika fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahantsika. Tsy voatery ho marina anefa ny fivavahantsika, satria fotsiny hoe nanaraka azy io ny ray aman-drenintsika, na nasain’ny mpanjana-tany narahin’ny razambentsika izy io.

3-5. Inona no fanoharana manampy antsika hahita fa tsy ny fivavahana rehetra no mampianatra ny fahamarinana?

3 Samy hafa ny fampianaran’ny fivavahana, na dia samy milaza ho mpitari-dalana azo itokisana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra aza izy rehetra. Tsy mitovy ny zavatra ampianarin’izy ireny momba an’Andriamanitra sy ny zavatra takiny amintsika. Ity misy fanoharana: Aoka hatao hoe nahita asa tao amin’ny orinasa lehibe iray ianao. Fantatrao tamin’ny andro voalohany niasanao fa lasa nanao dia lavitra ilay mpampiasa. Manontany mpiasa telo ianao hoe inona no asa tokony hataonao. Milaza ilay voalohany fa nasain’ny mpampiasa hamafa trano ianao. Ny faharoa niteny fa tokony handoko an’ilay trano ianao. Ilay fahatelo kosa nanao hoe tokony hizara taratasy ianao.

4 Nanontanianao ny mombamomba an’ilay mpampiasa indray izy telo ireo, avy eo. Nolazain’ilay voalohany fa tovolahy lava ary masiaka izy io. Milaza kosa ilay faharoa fa lahiantitra fohifohy sy tsara fanahy ilay mpampiasa. Ilay fahatelo indray nilaza fa tsy lehilahy ilay mpampiasa, fa vehivavy. Azo inoana fa fantatrao hoe tsy mety ho samy marina ny zavatra nolazain’ireo mpiasa telo ireo. Raha tianao ny hifikitra amin’ilay asanao vaovao, dia azo antoka fa hanao fikarohana kely ianao mba hamantarana marina an’ilay mpampiasa sy ny zavatra tiany hataonao.

5 Toy izany koa amin’ny fivavahana. Maro loatra ny hevitra momba an’Andriamanitra sy ny zavatra takiny amintsika, hany ka tokony hahazo antoka isika hoe mifanaraka amin’ny fahamarinana ny fivavahantsika sa tsia. Ahoana anefa no ahafantarantsika ny fahamarinana momba an’Andriamanitra?