Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 9

Hahasoa Anao Mandrakizay ny Fivavahana Marina!

Hahasoa Anao Mandrakizay ny Fivavahana Marina!

1. Inona no hitranga raha ‘manatona an’Andriamanitra’ isika?

TIAN’I Jehovah ny olona manompo azy. Hitahy anao dieny izao sy amin’ny ho avy izy, raha mivavaka aminy ianao. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”—Jakoba 4:8.

2. Ahoana no anatonantsika an’Andriamanitra, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny vavaka ataontsika?

2 Tsy maintsy mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra isika raha te hanatona azy. Mihaino sy mamaly ny vavaka ataonao i Jehovah, raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.”—1 Jaona 5:14, 15.

3-7. Ahoana no ahazoantsika ny fahendren’Andriamanitra? Ahoana no anampian’izy io antsika?

3 Homen’Andriamanitra fahendrena iatrehana ny fiainana ianao, rehefa manatona azy. Hoy ny Baiboly: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra.”—Jakoba 1:5.

4 Ahoana no anampian’ny fahendren’Andriamanitra anao? Voalohany: manampy anao hahafantatra ny zavatra tsy tian’i Jehovah sy ny anton’izany izy io. Ho fantatrao koa izay tokony hataonao mba hanalavirana izany. Miaro anao tsy ho voan’ireo olana mianjady amin’ny olona izany. Rehefa arahinao, ohatra, ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondran-tena, dia tsy hanjary hanana anaka tsy nirina ianao, sady tsy ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ary tsy ho rava na tsy hisy fahasambarana ny fanambadianao.

5 Inona koa no soa raisinao avy amin’io fahendrena io? Manampy anao handray soa be indrindra amin’ny fiainana izy io. Anisan’izany ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara eo amin’ny raharaha mahazatra, toy ny fitantanam-bola. Ho afaka hametra zava-kendrena mahasoa sy handà ireo zava-kendrena tsy mitondra soa maharitra ianao.

6 Manampy anao hifandray amin’ny olona koa io fahendrena io. Ho sambatra kokoa ny tokantranonao. Hahazo namana tena namana tsy mahafoy ianao, ka hohajain’ny olona, na dia ireo tsy manompo an’Andriamanitra aza.

7 Hanatsara ny fomba fijerinao ny fiainana koa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Hanampy anao hiatrika zava-manahirana sy fahadisoam-panantenana izy io. Ho voalanjalanja sy ho tsara koa ny fahitanao ny hoavy. Hanatsara kokoa ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-batana indray kosa izany fahitanao ny hoavy izany.—Ohabolana 14:30; Isaia 48:17.

8. Inona no tsy hatahoranao raha manompo an’Andriamanitra ianao?

8 Tsy ho voagejan’ny tahotra mamely ny tsy manompo an’Andriamanitra ianao, raha manompo azy. Tsy hatahotra faty ianao, satria fantatrao fa tsy mahatsiaro saina ao am-pasana izy ireny. Tsy hatahotra ny ho faty koa ianao, satria matoky ny fampanantenan’Andriamanitra fananganana amin’ny maty. Tsy hatahotra ny mpanao ody sy ny mpamosavy koa ianao, satria fantatrao fa mahery indrindra Andriamanitra.—Jaona 8:32.

Handova ny tany ny olo-marina

9-11. Iza no hiaina ao amin’ny Paradisa, ary iza no tsy hiaina ao?

9 Tsy hatahotra ny hoavy ianao raha manatona an’Andriamanitra. Efa hitantsika fa efa nambaran’ny Baiboly ny maro amin’ireo olana hitantsika. Lazain’i Jehovah amintsika fa mandalo ihany izany, satria efa hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra.—Lioka 21:10, 11, 31; 23:43.

10 Ireo manatona sy manompo an’Andriamanitra ihany no hiaina ao amin’ny Paradisa. Hoy ny Baiboly: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.

11 Ho faty mandrakizay ireo mikiry mandà ny lalàna marin’Andriamanitra. (2 Tesaloniana 1:8, 9) Tsy hisy intsony izy ireny. Ho faty mandrakizay toa an’i Satana sy ny demoniany izy ireny. (Apokalypsy 20:10, 14) Hiravoravo mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa ireo mianatra momba an’i Jehovah sy manompo azy.

Hoavy mahafinaritra!

12. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy?

12 Nanomana zavatra mahatalanjona ho an’ireo tia azy i Jehovah! Jereo fotsiny izay lazain’ny Teniny momba ny fiainana ao amin’ilay Paradisa eto an-tany:

  • Sakafo be dia be: “Hahavoka-bary [na sakafo] betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.”—Salamo 72:16.

  • Trano tsara: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao.”—Isaia 65:21.

  • Asa mahafinaritra: “Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy.”—Isaia 65:22, 23.

  • Tsy hisy aretina: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.”—Isaia 33:24.

  • Tsy hisy kilema: “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.”—Isaia 35:5, 6.

  • Tsy hisy fanaintainana, na alahelo, na fahafatesana: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

  • Tsy hisy ady: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [Andriamanitra].”—Salamo 46:9.

  • Fiainana mandrakizay: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:29.

13. Iza ihany no ho afaka hanova ny tany ho paradisa, ary nahoana?

13 Tsy hahavita izany rehetra izany mihitsy ny olona, fa i Jehovah kosa no manana hery hanatanterahana izay rehetra lazainy. Tsy misy afaka manakana azy amin’izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.”—Lioka 1:37.

14. Ahoana no hahitanao ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

14 Ampiasain’Andriamanitra ny Vavolombelony mba hanome fahafahana ny olona ‘hiditra amin’ny vavahady tery’ sy handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Enga anie mba ho anisan’ireo olona sambatra manaiky an’io fanasana io ianao. Enga anie hanaraka ny fivavahana marina ianao, ka hahazo ny fitahian’i Jehovah mandrakizay!—Matio 7:13, 14.