Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

Iza no Monina any Amin’ny Tsy Hita Maso?

Iza no Monina any Amin’ny Tsy Hita Maso?

1. Lazalazao ny finoan-drazan’ny Afrikanina.

AMPITOVINA amin’ny tohatra ny finoan-drazan’ny Afrikanina. Zanahary, na Andriamanitra, no any amin’ny zana-tohatra farany ambony. Izy no manana ny hery ara-panahy lehibe indrindra. Manaraka azy ny andriamanitra ambany kokoa, na fanahy, mpanompon’Andriamanitra. Eo ambanin’izay koa ny razana mbola mahatsiaro ny fianakaviany eto an-tany sy miahy izay hahasoa azy ireo. Any amin’ny farany ambany kosa ny hery ara-panahy ambany kokoa, dia ny herin’ny filalaovana ody sy ny fanaovana sikidy sy ny fanandroana ary ny mazia.

2. Manan-kery eo amin’ny fivavahana ve ny finoan-drazana afrikanina?

2 Nanan-kery lehibe teo amin’ny fivavahana hafa atỳ Afrika ireo finoan-drazana ireo. Hoy ny fitenenana afrikanina iray: “Tsy manakana antsika tsy hanompo ny andriamanitry ny razantsika ny fanarahana ny Finoana (Kristianina na Silamo).”

3. Aiza no ahafantarantsika ny marina momba ireo monina any amin’ny tsy hita maso?

3 Marina ve ny finoan-drazan’ny afrikanina? Lazain’ny Baiboly amintsika ny marina momba ireo monina any amin’ny tsy hita maso.

Andriamanitra marina i Jehovah

4. Inona no eken’ireo fivavahana lehibe atỳ Afrika?

4 Samy miaiky ireo fivavahana telo lehibe atỳ Afrika fa misy Andriamanitra, ary avo indrindra izy. Lazain’ny Baiboly izy io fa “Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra.” (Deoteronomia 10:17) Mino koa ny Silamo fa misy ny Andriamanitra avo indrindra. Hoy ny Profesora Geoffrey Parrinder, momba ny finoan-drazan’ny Afrikanina: “Inoan’ny ankamaroan’ny Afrikanina ny Andriamanitra avo indrindra, rain’ny andriamanitra sy ny olombelona, ary mpamorona ny zava-drehetra.”

5. Milazà fomba sasany iantsoana an’Andriamanitra.

5 Vitsy anefa no mahafantatra tsara an’Andriamanitra na dia mino azy aza ny ankamaroan’ny olona. Ilaina hofantarina aloha ny anaran’ny olona iray, raha tiana ny hahafantatra azy tsara. Samy manana ny fomba iantsoany an’Andriamanitra ny fivavahana. Antsoin’ny Kristianina izy hoe Andriamanitra, midika hoe “Ilay Mahery.” Allah kosa no iantsoan’ny Silamo azy. Miovaova arakaraka ny fiteny kosa ny fomba iantsoana an’ilay Avo Indrindra, ao amin’ireo fivavahan-drazana. Mitanisa fomba 500 iantsoan’ny Afrikanina an’Andriamanitra i John Mbiti, ao amin’ilay bokiny hoe Hevitra Momba An’Andriamanitra atỳ Afrika (anglisy). Ireto misy ohatra: Fiteny yoruba (Nizeria): Olodumare; fiteny kikuyu (Kenya): Ngai; fiteny zoloa (Afrika Atsimo): Unkulunkulu.

6, 7. Iza no anaran’Andriamanitra, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

6 Inona no lazain’Andriamanitra momba ny anarany? Nanontany toy izao i Mosesy, rehefa nasain’Andriamanitra hitarika ny Isiraelita hivoaka tany Ejipta: “Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo, . . . no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?”—Eksodosy 3:13.

7 Hoy Andriamanitra: “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo . . . no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15) Hita im-7 000 mahery ao amin’ny Baiboly io anaran’Andriamanitra io, na dia nisy aza mpandika Baiboly nanolo azy io tamin’ny hoe “Andriamanitra”, na “Tompo.”

8. Ohatra ny ahoana ny endrik’i Jehovah, ary inona no tsy maintsy ataontsika, raha te hahazo sitraka aminy isika?

8 Ohatra ny ahoana marina ny endrik’i Jehovah? Fanahy izy, mahery indrindra, ary be voninahitra. Avo indrindra sy tsy manan-tsahala izy, ary tsy misy azo ampitahaina aminy. (Deoteronomia 6:4; Isaia 44:6) Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro.” Tsy maintsy izy ihany àry no tompointsika, raha tiantsika ny hahazo sitraka aminy. Tsy tiany hanompo zavatra na olona hafa isika.—Eksodosy 20:3-5.

Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy

9. Nahoana no afaka milaza isika fa tsy mitovy amin’i Jehovah i Jesosy?

9 Misafotofoto be ihany ny zavatra inoan’ny olona momba an’i Jesosy. Milaza ny Kristianisma Anarana fa anisan’ny Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina izy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tokana olona telo Andriamanitra. Tsy mampianatra koa izy io hoe mitovy amin’i Jehovah i Jesosy. Na i Jesosy aza dia nilaza hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.”—Jaona 14:28.

10. Taiza i Jesosy talohan’ny nahatongavany teto an-tany?

10 Lazain’ny Baiboly fa zavaboary mahery tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Sady namorona an’i Adama sy Eva teto an-tany i Jehovah, no namorona zavaboary fanahy tany an-danitra. I Jesosy no zavaboary fanahy voalohany noforoniny.—Jaona 17:5; Kolosiana 1:15.

11. Ahoana no nahaterahan’i Jesosy ho olombelona?

11 Nafindran’Andriamanitra ho ao an-kibon’i Maria, vehivavy virjiny, ny ain’io zavaboary fanahy io, tokony ho 2 000 taona lasa izay. Hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria: “Hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Hanjaka . . . Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.”—Lioka 1:31, 33. *

12. Inona no anisan’ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany?

12 Teraka àry i Jesosy, nihalehibe, ary nampianatra ny olona momba ny sitrapo sy ny fikasan’i Jehovah. Hoy izy tamin’ny governora romanina iray: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Hahafantatra ny fahamarinana momba ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra isika, rehefa mandinika ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Ho fantatsika ny fomba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.

13. Inona no antony faharoa nahatongavan’i Jesosy teto an-tany?

13 Antony faharoa nahatongavan’i Jesosy teto an-tany ny hanome ny ainy ho sorona ho an’ny olombelona. (Matio 20:28) Nanao izany izy mba hanafahana antsika amin’ny fahotana nolovantsika tamin’i Adama razambentsika. Izany kosa no hahafahantsika hiaina mandrakizay. Hoy ny apostoly Jaona: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

14. a) Inona no nitranga tamin’i Jesosy rehefa maty izy? b) Inona izy izao any an-danitra?

14 Maty tamin’ny naha olombelona azy i Jesosy, ary natsangana ho any an-danitra, ka niverina ho zavaboary fanahy mahery indray. (Asan’ny Apostoly 2:32, 33) Tatỳ aoriana, dia nomen’i Jehovah “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Daniela 7:13, 14) Lasa Mpanjaka mahery tokoa izy, izany hoe Mpanjakan’ny fanjakan’i Jehovah any an-danitra. Tsy ho ela izy dia hampiseho ny heriny eto an-tany.

Mpanompon’Andriamanitra ny anjely

15. Oviana sy taiza ny anjely no noforonina?

15 Tsy i Jehovah sy i Jesosy ihany no monina any amin’ny tsy hita maso. Namorona zavaboary fanahy hafa, antsoina hoe anjely, i Jehovah. Anisan’ireny i Gabriela, ilay niresaka tamin’i Maria. Tsy olombelona avy tetỳ an-tany ny anjely, fa efa noforonina tany an-danitra, ela be talohan’ny namoronana ny olombelona. (Joba 38:4-7) Misy an-tapitrisa ny anjely.—Daniela 7:10.

Tsy manaiky hotompoina ny anjely tsy mivadika

16. Nahoana ny olona no tsy tokony hivavaka amin’ny anjely?

16 Tsy maniry antsika hanompo azy ny anjely tsy mivadika. Indroa ny anjely no nananatra mafy ny apostoly Jaona toy izao, rehefa saika hivavaka taminy i Jaona: “Tandremo, aza manao izao; . . . Andriamanitra ihany no ivavaho.”—Apokalypsy 19:10; 22:8, 9.

17. Inona no mampiseho fa afaka miaro ny mpanompon’Andriamanitra ny anjely? Nahoana no mampahery izany?

17 Nisy anjely nanafaka ny apostolin’i Jesosy tany am-ponja. Tsy misy anjely miseho amin’ny vahoakan’Andriamanitra etỳ an-tany intsony anefa izao. (Asan’ny Apostoly 5:18, 19) Azontsika antoka kosa fa hiaro antsika ny anjelin’Andriamanitra tsy hita maso sy mahery, raha mivavaka amin’Andriamanitra araka ny Teniny isika. Hoy ny Baiboly: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7; 91:11) Nahoana no tokony hampahery antsika izany? Satria misy fahavalo tena ratsy tsy hita maso maniry hanimba antsika!

Fahavalon’Andriamanitra i Satana

18. a) Nahoana ny anjely iray no nikomy tamin’Andriamanitra? b) Iza avy no anarana nomena an’io anjely nikomy io?

18 Tsy ny anjelin’Andriamanitra rehetra no tsy nivadika taminy, fa nisy ny nikomy. Nitsangana ho fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany eto an-tany izy ireny. Ahoana no nahatonga izany? Marina sy tsara avokoa ny anjely rehetra noforonin’i Jehovah. Naniry hivavahan’ny olona anefa ny iray tamin’ireny zanaka ara-panahy lavorary ireny, ka nataony izay hahatanteraka ny faniriany. Nomena anarana hoe Satana, midika hoe “Mpanohitra [an’Andriamanitra]” io zavaboary fanahy io. Antsoina hoe Devoly, midika hoe “Mpanendrikendrika”, koa izy, satria nilaza lainga tena ratsy momba an’Andriamanitra.

19. Nahoana i Satana no nampijaly an’i Joba? Ahoana no nanaovany izany?

19 Manery ny olona hiara-mikomy aminy i Satana. Mampiseho izany izay nataony tamin’i Joba mpanompon’Andriamanitra nahatoky. Nanankarena be i Joba. Nanana ondry 7 000, rameva 3 000, omby 1 000 sy borikivavy 500 izy. Nanan-janaka folo sy mpiasa be dia be koa izy. Novonoin’i Satana aloha ny biby sy ny mpiasan’i Joba. Avy eo dia nopotehiny tamin’ny “rivotra mahery” ny trano iray, ka maty tao ny zanak’i Joba rehetra. Nampijaliny koa i Joba, ka nasiany ‘vay ratsy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.’—Joba 1:3-19; 2:7.

20. a) Inona no valisoan’i Joba noho izy tsy nivadika? b) Inona anefa no ataon’i Satana amin’ny olona maro hafa?

20 Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Joba, na dia voasedra mafy toy izany aza. Nanasitrana azy àry i Jehovah, ka “nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny.” (Joba 42:10) Tsy nahatarika an’i Joba hivadika i Satana, saingy nahavita nampiala olona maro tamin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.”—1 Jaona 5:19.

21. a) Ahoana no nampisehoan’i Satana fa tiany ny hivavahana aminy? b) Nahoana i Jesosy no tsy nety nivavaka tamin’i Satana?

21 Tian’i Satana hivavaka aminy isika. Hita mazava tamin’ilay fakana fanahy an’i Jesosy tamin’ny efa ho 2 000 taona lasa izany. Hoy ny Baiboly: “Ny devoly nitondra Azy [Jesosy] indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Tsy nanaiky i Jesosy, fa nilaza hoe: “Mandehana hianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.’” (Matio 4:8-10) Fantatr’i Jesosy tsara ny lalàn’i Jehovah, ary tsy nanao izay tian’i Satana hatao izy.

Fanahy ratsy ny demonia

22. Inona no nataon’ny demonia tamin’ny olona?

22 Nisy anjely hafa nikomy tamin’Andriamanitra, nanaraka an’i Satana. Fahavalon’ny olombelona ireny anjely demonia ireny. Tsy mifaditrovana sy ratsy toetra izy ireny. Nisy olona nataony moana sy jamba taloha. (Matio 9:32, 33; 12:22) Nataony narary sy lasa adala kosa ny sasany. (Matio 17:15, 18; Marka 5:2-5) Nampijaly ankizy mihitsy aza izy ireny.—Lioka 9:42.

23. a) Tian’ny fanahy ratsy hanao inona aminy ny olona? b) Nofitahin’i Satana sy ny demonia mba hanao inona ny olona?

23 Te hivavahana toa an’i Satana koa ireny fanahy ratsy ireny. Tena tadiaviny sy ampirisihany ny hivavahan’ny olona amin’ny anjely, na dia fantany aza fa i Jehovah ihany no tokony hivavahana. Mampiasa fitaka sy lainga ary fampitahorana i Satana sy ny demoniany, mba hanaovana izay hivavahan’ny olona aminy. Mazava ho azy fa vitsy ny olona mahafantatra hoe i Satana sy ny demoniany no ivavahany. Maro no ho tena gaga rehefa mahafantatra fa manome voninahitra an’i Satana ny fivavahany. Mampitandrina toy izao anefa ny Baiboly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra.”—1 Korintiana 10:20.

24. Inona no anisan’ny fomba amitahan’i Satana ny olona?

24 Anisan’ny fomba amitahan’i Satana sy ny demoniany ny olona mba hivavaka aminy ny fanelezana lainga momba ny maty. Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba izany.

^ feh. 11 Miresaka ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ny fomba nahagaga ny Kôrana, ao amin’ny Sourate 19 (Maria). Izao no voalaza ao: “Nalefanay [tamin’i Maria] ny Fanahinay, naka endrika lehilahy lehibe. Ary hoy izy [Maria], rehefa nahita azy: ‘Enga anie ilay Mpamindra fo ka hiaro ahy aminao! Avelao aho, ary mandehana mandeha, raha matahotra ny Tompo ianao.’ ‘Mpitondra hafatry ny Tomponao aho’, hoy izy namaly, ‘ary tonga mba hanome anao zanakalahy masina.’ ‘Ahoana no hahabevohoka ahy’, hoy i Maria, ‘satria mbola virjiny, tsy nokasihin-dehilahy aho?’ ‘Izany no sitrapon’ny Tompo’, hoy ny navaliny. ‘Tsy sarotra aminy izany. “Ho famantarana ho an’ny olona izy”, hoy ny Tompo, “ary ho fitahiana avy Amintsika. Izany no didinay.” ’ ”