Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 7

Iza no Manaraka ny Fivavahana Marina?

Iza no Manaraka ny Fivavahana Marina?

1. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hampifaliana an’Andriamanitra?

TSY maintsy manapa-patorana amin’ny fivavahan-diso isika, raha te hifandray tsara amin’Andriamanitra. Tsy maintsy manaraka ny fivavahana marina isika. Olona an-tapitrisa no manao izany eran-tany ankehitriny.

2. Aiza no misy Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no ataon’izy ireny?

2 Efa nolazain’ny Baiboly fa ho “olona betsaka” avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” ny mpivavaka marina. (Apokalypsy 7:9) Miasa mafy manampy ny olona hianatra ny didy sy fitsipika feno fitiavan’i Jehovah ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisa, any amin’ny tany 235.

Famantarana ny mpivavaka marina

3. Iza no ivavahan’ny Vavolombelona, ary inona no karazam-pivavahana tsy ataony?

3 Manaiky ny Vavolombelona fa i Jehovah ihany no mendrika ivavahana. Tsy mety miankohoka amin’ny sampy na sary masina izy ireo. (1 Jaona 5:21) Tsy mankamasina ny maty izy ireo, izany hoe tsy manao fombafomba fiandrasam-paty, na fombafomba hafa mifandray amin’ny finoana diso sy ny “fampianaran’ny demonia.” (1 Timoty 4:1) Tena mampahery an’ireo nidonam-pahoriana kosa anefa izy ireo, ka manazava ny fampanantenan’Andriamanitra fananganana amin’ny maty ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

4. Ahoana ny fijerin’ny vahoakan’Andriamanitra ny ody?

4 Tsy manao ody, na mamosavy, na manao mazia ny Vavolombelona, satria fantany fa avy amin’ny Devoly izany. Tsy miantehitra amin’ny ody mba hiaro azy izy ireo, fa miantehitra amin’i Jehovah.—Ohabolana 18:10.

5. Nahoana no lazaina hoe “tsy naman’izao tontolo izao” ny Vavolombelon’i Jehovah?

5 Nilaza i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 17:16) Tsy nanao politika mihitsy i Jesosy. (Jaona 6:15) Tsy manao politika, tsy manindrahindra tanindrazana na miditra amin’ny ady saranga eo amin’izao tontolo izao koa ny Vavolombelona. Mandoa hetra sy mankatò ny lalàn’ny tany misy azy kosa anefa izy ireo.—Jaona 15:19; Romana 13:1, 7.

6. Inona avy no toro lalana momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana arahin’ny mpanompon’Andriamanitra?

6 Misora-panambadiana any amin’ny fanjakana ny Vavolombelona, satria mankatò lalàna. (Titosy 3:1) Mankatò ny toro lalan’Andriamanitra koa izy ireo, ka tsy mampirafy. (1 Timoty 3:2) Tsy azo inoana loatra hiafara amin’ny fisarahana ny fanambadian’izy ireo, satria ampihariny ny fitsipiky ny Baiboly.

7. Ahoana no anehoan’ny Vavolombelona fa mifankatia izy ireo?

7 Mifankatia ny Vavolombelona. Manjary tena mpirahalahy izy ireo satria mifankatia sy tia an’Andriamanitra, na dia avy amin’ny foko sy firenen-tsamy hafa aza. Mifanampy haingana ny Vavolombelona rehefa misy voina mitranga, ka misy fanampiana ilaina. Asehony eo amin’ny fomba fiainany ny fitiavana.—Jaona 13:35.

Mpirahalahy miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany

8. Inona avy no zava-dratsy tsy ataon’ny vahoakan’Andriamanitra?

8 Miezaka mafy mba hanao ny marina ny vahoakan’i Jehovah. Tsy mangalatra, tsy mandainga, tsy maloto fitondran-tena, tsy mamo, ary tsy manao hosoka, izy ireo. Tsy mamono vady ny lehilahy Vavolombelona. Nisy nanao izany ny sasany tamin’izy ireny talohan’ny naha Vavolombelona azy, saingy niova noho ny fanampian’i Jehovah. Efa “voasasa” izy ireo eo imason’Andriamanitra.—1 Korintiana 6:9-11.

Manao ny sitrapon’Andriamanitra

9. Inona no nolazain’ny boky iray mahakasika ny fivavahana kristianina atỳ Afrika?

9 Maro tokoa ny fivavahana milaza ho marina. Mety hanasongadina ny asa be vitany izy ireo, mba hanaporofoana izany. Milaza toy izao momba ny fivavahana kristianina atỳ Afrika, ohatra, ny boky iray: “Ny [antokom-pivavahana kristianina vaovao] no tena naka ny toeran’ny mpimasy sy ny mpitsabo. . . . Milaza izy ireo fa afaka maminany sy manao fahagagana. Milaza fahitana sy manazava nofy ny mpaminany eo amin’izy ireo. Mampiasa rano voahasina, menaka masina, lavenona sy labozia ary emboka manitra izy ireo, mba hanasitranana sy hisorohana aretina.”

10, 11. Nahoana ireo lazaina fa fahagagana no tsy mampiseho fa avy amin’Andriamanitra ilay fivavahana?

10 Milaza ny mpivavaka toy ireny fa porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fahagagana. Tsy manaporofo ny fankasitrahan’i Jehovah an’ilay fivavahana anefa ireny lazaina fa fahagagana ireny. Manome hery ny mpivavaka diso i Satana mba hanaovan’izy ireo ‘asa mahery.’ (2 Tesaloniana 2:9) Efa nilaza koa ny Baiboly fa “ho levona” ny fanomezam-pahasoavana mahagaga avy amin’Andriamanitra, toy ny faminaniana sy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra ary ny fahalalana manokana.—1 Korintiana 13:8.

11 Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.”—Matio 7:21-23.

12. Iza no hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra?

12 Iza àry no hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra? Ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra.

Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra

13. Inona no asa asain’Andriamanitra ataon’ny vahoakany? Iza no manao izany?

13 Inona no sitrapon’Andriamanitra tiany hataon’ny vahoakany ankehitriny? Hoy i Jesosy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Mazoto manao io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah.

14. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary iza no mpitondra ao amin’izy io?

14 Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra manerana “izao tontolo izao” ny Vavolombelon’i Jehovah. Ambaran’izy ireo fa fanjakana any an-danitra hitondra ny tany manontolo amin’ny fahamarinana izy io. Ampianarin’izy ireo fa nanendry an’i Kristy Jesosy ho Mpanjakan’io Fanjakana io i Jehovah, ary hiaraka aminy koa ny mpitondra 144 000 nofidina avy tamin’ny olona.—Daniela 7:14, 18; Apokalypsy 14:1, 4.

15. Inona no horavan’ilay Fanjakana?

15 Asehon’ny Vavolombelona avy ao amin’ny Baiboly fa horavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tontolon’i Satana manontolo. Tsy hisy intsony ny fivavahan-diso sy ny fampianaran-disony manala baraka an’Andriamanitra sy manome voninahitra ny Devoly! (Apokalypsy 18:8) Tsy hisy intsony koa ny fitondran’olombelona manohitra an’Andriamanitra!—Daniela 2:44.

16. Iza no ho vahoakan’i Kristy Jesosy, ary aiza izy ireo no honina?

16 Ampahafantarin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa fa hitondra soa hafakely ho an’ireo manao ny zavatra takin’Andriamanitra, i Kristy Jesosy. Ho vahoakan’i Kristy eto an-tany izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.”—Salamo 72:12, 13.

17. Iza ihany no mitory ny Fanjakan’Andriamanitra?

17 Tsy misy antokon’olona hafa manao ny sitrapon’Andriamanitra, ka mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mampahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany.