Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Ahoana no Ahafantaranao ny Fahamarinana Momba An’Andriamanitra?

Ahoana no Ahafantaranao ny Fahamarinana Momba An’Andriamanitra?

1, 2. Inona no ohatra mampiseho fa ilaina ny fitsipika hamantarana ny fivavahana marina?

AHOANA no ahafantarantsika an’Andriamanitra? Mila mandinika ny fampianaran’ny fivavahana samihafa ve isika? Tsy ho vitantsika izany. Ary na dia atao hoe vitantsika aza izany, ahoana no ahafantarantsika hoe iza amin’izany fampianarana izany no marina?

2 Mila fitsipika, na zavatra eken’ny olona isika, mba hahalalana ny marina, satria samy hafa ireo hevitra momba an’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Raikitra ny fifamaliana teny an-tsena, satria tsy manaiky ny refy lazain’ny mpivaro-damba ilay mpividy. Nolazain’ilay mpivarotra fa telo metatra ilay lamba, kanefa heverin’ilay mpividy fa tsy ampy an’izany ilay izy. Ahoana no handaminana izany? Refesina amin’ny metatra ilay lamba.

3. Nahoana no nosoratana ny Baiboly?

3 Misy metatra, na fitsipika hamantarana ny fivavahana marina ve? Eny, ny Baiboly izany. Nasain’Andriamanitra nosoratana izy io, mba hahafantaran’ny olona rehetra ny fahamarinana momba azy. Efa nisy Baiboly an’arivo tapitrisa natao pirinty. Nadika manontolo na tapatapany, tamin’ny fiteny maherin’ny 2 100 izy io. Saika ny rehetra no afaka mamaky ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, amin’ny fitenin-drazany.

4. Inona no hazavain’ny Baiboly?

4 Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Misy zavatra mety tsy ho fantatsika mihitsy, kanefa hazavainy. Lazainy amintsika ny momba ireo zavaboary any amin’ny tsy hita maso. Ambarany ny fisainana sy ny toetra ary ny fikasan’Andriamanitra. Tantarainy ny fomba nitondran’Andriamanitra ny vahoakany nandritra ny an’arivo taona. Resahiny ny zavatra mbola ho avy. Asehony antsika koa ny fomba hahitana ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Nahoana no afaka mino ny Baiboly ianao?

5. Inona no ohatra mampiseho fa mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly?

5 Maro ny antony tokony hinoantsika fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Anisan’izany ny hoe mifanaraka amin’ny siansa izy io. Nino ny ankamaroan’ny olona fahiny fa misy zavatra ipetrahan’ny tany. Nino, ohatra, ny mponin’i Afrika Andrefana fa bibilava lavabe mihorongorona no ipetrahan’ny tany. Mihorongorona in-3 500 izy ao ambony ary mihorongorona in-3 500 kosa ao ambany. Mifanaraka amin’ny siansa anefa ny nolazain’ny Baiboly efa 3 500 taona mahery lasa izay. Nolazainy tokoa fa “manantona ny tany amin’ny tsy misy” Andriamanitra.—Joba 26:7.

6. Inona no porofo lehibe indrindra fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

6 Ny porofo lehibe indrindra fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, dia ny filazany tsy misy diso ny hoavy. Tena mahafantatra ny hoavy Andriamanitra, fa tsy toy ny mpimasy olombelona. Tanteraka foana ny zavatra lazainy.

7. Milazà faminanian’ny Baiboly efa tanteraka taloha.

7 Misy faminanian’ny Baiboly an-jato efa tanteraka taloha. Efa nolazain’ny Baiboly 700 taona mialoha, ohatra, fa ho teraka any Betlehema i Jesosy, ary izay tokoa no nitranga. (Mika 5:⁠1; Matio 2:3-9) Ankoatra ireo faminaniana maro momba an’i Jesosy, dia nilaza koa ny Baiboly, fa virjiny no hiteraka azy, ary hisy hamadika azy amin’ny sekely volafotsy 30. Tanteraka koa ireo faminaniana ireo. Tsy nisy olombelona afaka nilaza mialoha ireo zavatra ireo mihitsy!—Isaia 7:14; Zakaria 11:12, 13; Matio 1:22, 23; 27:3-5.

8. Milazà faminanian’ny Baiboly tanteraka ankehitriny. Manaporofo inona izany?

8 Maro amin’ny faminanian’ny Baiboly no tanteraka amin’ny androntsika. Ireto ny sasany aminy:

  • “Hisy firenena hitsangana [hiady] hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary.”—Lioka 21:10, 11.

  • Hitombo ny “tsi-fankatoavan-dalàna.”—Matio 24:⁠12.

  • “Any am-parany any . . . ny olona ho tia tena, ho tia vola, . . . tsy manoa ray sy reny, . . . tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, . . . mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:1-5.

Tsy hitanao ve fa mitranga amin’izao fotoana izao ireo? Tsy boky toy ny boky rehetra ny Baiboly. Manaporofo izany ny fahatanterahan’ireo faminaniany. Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io!—2 Timoty 3:16.

Novana ve ny Baiboly?

9, 10. Inona no mampiseho fa tsy navelan’Andriamanitra hanova ny Teniny ny olona?

9 Andeha hatao hoe lehiben’ny orinasa iray ianao, ka nataonao peta-drindrina ny fitsipika tokony harahin’ny mpiasanao. Inona no hataonao raha novan’olona tsy tia anao ny zavatra nosoratanao? Tsy hanitsy izay novany ve ianao? Tsy mamela olona hanova ny fahamarinan’ny Baiboly koa Andriamanitra.

10 Tsy nahomby ireo nanandrana nanova ny fampianaran’ny Baiboly. Mitovy amin’ny Baiboly taloha ela be ihany ny Baiboly ananantsika, rehefa ampitahaina. Milaza izany fa tsy niova mihitsy ny Baiboly.