Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 5

Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody

Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody

1. Iza avy no mino ny famosaviana sy fanaovana ody?

“HAFAHAFA raha atỳ Afrika ianao no hanontany raha misy ny mpamosavy na tsia”, hoy ilay boky hoe Fivavahan-drazan’i Afrika. Nilaza koa izy io fa “zavatra tena ilaina maika ho an’ny Afrikanina rehetra ny ody.” Na ny bado, na ny manam-pahaizana dia samy mino ny famosaviana sy fanaovana ody. Mino izany koa ny mpitondra fivavahana silamo sy kristianina.

2. Avy aiza ny herin’ny ody, araka ny finoan’ny Afrikanina?

2 Mino ny Afrikanina fa misy ny hery mifono zava-miafina, na herin’ny fanahy. Andriamanitra no mifehy azy io. Afaka mampiasa azy io ny fanahy sy ny razana. Misy koa olona mahay mitrandraka sy mampiasa azy io. Misy mieritreritra fa azony anaovan-tsoa izy io, izany hoe hiarovan-tena sy hiarovana olona. Ny sasany kosa mampiasa azy io hanisiana ratsy olona.

3. Inona ny famosaviana, ary inoan’ny olona fa afaka manao inona izy io?

3 Ny fahavalony no amosavin’ny olona. Inoan’ny olona fa manana hery handefasana ramanavy, vorona, lalitra sy biby hafa, mba hanafika olona, ireo mamosavy. Maro no mino fa ny famosaviana no nahatonga ny olona hiady, tsy hanan-janaka, harary, ary ho faty mihitsy.

4. Inona no inoan’ny olona momba ny mpamosavy, ary ahoana no anaporofoany izany?

4 Maro ny Afrikanina tena mino fa afaka miova na azo ovana ho biby ny olona. Inoana matetika fa mety haka endrika voay na bibilava ny mpamosavy. Betsaka koa ny matahotra sao dia hovan’ny mpamosavy ho lasa biby. Inoan’ny olona any Afrika Andrefana, ohatra, fa afaka mandefa fanahin’ny olona ho any anaty vorona na biby hafa ny mpamosavy, mba hanisiana ratsy olona. Maro ny Afrikanina mino fa nisy vavolombelona nahita maso izany fiovana izany. Milaza izy ireo fa tsy maintsy ho marina, fa tsy kisendrasendra, ireny tantara ireny, satria olona salama saina tsara no nitantara azy.

5. Ampiasain’ny olona sasany hanaovana inona ny ody, ary inona no ataony amin’izany?

5 Misy ody heverina fa miaro amin’ny ratsy. Manao peratra na haban-tanana, na vakana misy herin’ny ody ny olona mampiasa azy io. Misotro ody fiarovana na manosotra izany amin’ny vatany izy ireo. Afeniny ao an-tranony, na ao ambany gorodona ny zavatra inoany fa hiaro azy. Mitoky amin’ny ody kely misy andininy avy ao amin’ny Kôrana na ny Baiboly izy ireo.

Lainga sy fitaka

6. Inona no nataon’i Satana sy ny demoniany taloha, ary ahoana no tokony hiheverantsika ny herin’izy ireo?

6 Marina fa fahavalo mandoza ho an’ny olombelona i Satana sy ny demoniany. Manan-kery eo amin’ny saina sy ny fiainan’ny olona izy ireo. Efa niditra tao amin’ny vatan’ny olona sy ny biby izy ireo taloha, ka nifehy azy io. (Matio 12:43-45) Tsy tokony hohamaivanintsika ny heriny, nefa koa tsy tokony hatahorantsika be loatra.

7. Inona no tian’i Satana hinoantsika, ary ahoana no azo anoharana izany?

7 Mpamitaka gaigilahy i Satana. Fitahiny ny olona mba hino fa manana hery lehibe noho ny tena heriny izy. Indro misy fanoharana: Nisy miaramila nampiasa fanamafisam-peo mba hampitahorana ny fahavalony, nandritra ny ady an-trano iray vao haingana tatsy Afrika. Nandefa feona fitaovam-piadiana sy basy mahery vaika izy ireo, talohan’ny nanafihany. Te hampino ny fahavalony izy fa manana fitaovam-piadiana matanjaka maro be ny tafiny. Te hampino ny olona toy izany koa i Satana fa tsy misy fetra ny heriny. Tiany hampitahorina ny olona mba hanao ny sitrapony, fa tsy ny sitrapon’i Jehovah. Hofakafakaintsika izao ny lainga telo tian’i Satana hinoan’ny olona.

8. Inona no anisan’ny lainga aparitak’i Satana?

8 Ny lainga voalohany aparitany dia izao: Tsy tonga ho azy ny ratsy manjo ny olona; hery mifono zava-miafina no nahatonga ny zava-dratsy rehetra, raha tsy hita miharihary hoe olona no nanao izany. Aoka hatao hoe matin’ny tazo ny zaza iray. Fantatr’ilay reniny angamba fa moka no mitondra tazo. Mety hino koa anefa izy fa nisy olona nampiasa ody mba handefasana moka hanaikitra ny zanany.

Mitranga fotsiny ny zava-dratsy indraindray

9. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy i Satana no mahatonga ny zava-manahirana rehetra?

9 Ekena fa afaka miteraka zava-manahirana ho an’ny olona i Satana. Tsy mety anefa ny mino hoe izy no miteraka ny zava-manahirana rehetra. Hoy ny Baiboly: “Tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Mpitoriteny 9:11) Mety ho haingam-pandeha kokoa noho ny namany ny mpihazakazaka iray, nefa tsy voatery ho izy no handresy. Mety hisy “sampona” hitranga aminy. Mety ho tafintohina izy, ka hianjera, na mety harary izy, na ho folaka. Mety hitranga amin’ny rehetra izany. Tsy voatery ho i Satana na ny ody no nahatonga izany, fa mitranga fotsiny izany.

10. Inona no voalaza momba ny mpamosavy, na ny olona hafa, ary ahoana no hahalalantsika fa lainga izany?

10 Izao no lainga faharoa aparitak’i Satana: Afaka miova na azo ovana ho biby ny olona, mba hanisiana ratsy ny olon-kafa. Apetraho aminao àry ity fanontaniana ity: ‘Raha tena mahavita izany ny mpamosavy, na olona hafa, inona marina ilay zavatra mandao ny vatana ka mifindra any amin’ny biby?’ Efa hitantsika fa tsy zavatra afaka mivoaka amin’ny olona akory ny fanahy. Ny hery mamelona ny vatana kosa izy io, ary tsy afaka manao na inona na inona, raha any ivelan’ny vatana. Tsy mifanaraka amin’ny lalàn’ny natiora napetrak’i Jehovah Andriamanitra koa izany fiovana ho biby izany. Toy ny manao tsinontsinona ny lalàna napetrany Andriamanitra, raha mamela ny olona hiova ho biby tsy misaina.

Tsy afaka miala amin’ny vatany ny mpamosavy

11. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy afaka mandao ny vatany ny mpamosavy, ka miova ho biby? Mino izany ve ianao?

11 Tsy afaka mandao ny vatana mba hanao zavatra ny fanahy, ary tsy afaka manao zavatra tsara na zavatra ratsy. Tsy afaka mandao ny vatany koa, araka izany, ny mpamosavy, na ny olon-kafa, ka hiova ho biby. Tsy tena manao ny zavatra lazainy na heveriny fa nataony izy ireny.

12. Ahoana no ampinoan’i Satana ny olona fa nanao zavatra tsy tena nataony akory izy ireo?

12 Ahoana no hanazavana ny zavatra nolazain’ireo mpamosavy taloha? Vitan’i Satana ny mampino ny olona fa nanao zavatra tsy tena nataony akory izy ireo. Ataon’i Satana mahita zavatra ilay olona, ka manjary mieritreritra fa nahita na nandre na nanao zavatra tsy tena nisy akory. Izany no fomba ampiasain’i Satana hampanalavirana ny olona amin’i Jehovah, sy hampinoana azy ireo fa mandainga ny Baiboly.

13. a) Tsara ve ny manao ody fiarovana amin’ny famosaviana? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny famosaviana sy fanaovana ody?

13 Izao no lainga fahatelo: Tsara ny manao ody fiarovana amin’ny famosaviana. Tsy manavaka ny ody fiarovana sy ny ody ratsy ny Baiboly. Melohiny daholo rehefa famosaviana sy fanaovana ody. Diniho ny lalàna nomen’i Jehovah ny firenen’Isiraely, momba ny ody sy ny mpanao izany:

  • “Aza manao sikidy na manandro.”—Levitikosy 19:26.

  • “Na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa.”—Levitikosy 20:27.

  • “Aoka tsy hisy eo aminao izay . . . mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty.”—Deoteronomia 18:10-14.

14. Nahoana i Jehovah no nandrara ny fanaovana ody?

14 Mazava avy amin’ireo lalàna ireo fa tsy tian’i Jehovah hanao ody ny vahoakany. Nomeny ny vahoakany ireo lalàna ireo, satria tia azy ireo izy, ary tsy tiany handevozin’ny finoanoam-poana izy ireo. Tsy tiany hampijalin’ny demonia izy ireo.

15. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mahery lavitra noho i Satana i Jehovah?

15 Tsy milaza ny tsipirian’ny zavatra vitan’ny demonia sy tsy vitany ny Baiboly. Asehony anefa fa mahery lavitra noho i Satana sy ny demoniany i Jehovah Andriamanitra. Nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra i Jehovah. (Apokalypsy 12:9) Mariho koa fa niera aloha i Satana vao nisedra an’i Joba, ary nankatoaviny ny fampitandreman’i Jehovah tsy hamono an’i Joba.—Joba 2:4-6.

16. Iza no tokony hianteherantsika mba hiaro antsika?

16 Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Tokony ho i Jehovah àry no hianteherantsika mba hiaro antsika. Tsy miantehitra amin’ny ody ny Kristianina, mba hiaro azy amin’ny zava-dratsy ataon’i Satana sy ny demoniany. Tsy matahotra ny fanozonan’ny mpamosavy koa izy ireo. Mino izao lazain’ny Baiboly izao ny mpanompon’Andriamanitra: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.”—2 Tantara 16:9.

17. Inona no ampanantenain’ny Jakoba 4:7 antsika, nefa inona no tsy maintsy ataontsika?

17 Afaka ny tsy hanana ahiahy toy izany koa ianao raha manompo an’i Jehovah. Hoy ny Jakoba 4:7: “Maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” Azo antoka fa hiaro anao ilay Andriamanitra marina, raha manompo sy manaiky azy ianao.