Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 8

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso, ka Araho ny Fivavahana Marina

1. Inona no safidy momba ny fivavahana tsy maintsy ataon’ny olona?

HOY i Jesosy: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.” (Matio 12:30) Na miandany amin’i Jehovah àry ny olona, na miandany amin’i Satana. Maro no mihevitra fa manompo an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy. Milaza anefa ny Baiboly fa “mamitaka izao tontolo izao” i Satana. (Apokalypsy 12:9) Olona an-tapitrisa no mino fa mivavaka amin’Andriamanitra, nefa manompo an’i Satana Devoly, raha ny tena izy! Tsy maintsy misafidy ny olona: Na hanompo an’i Jehovah, “Andriamanitry ny fahamarinana”, na hanompo an’i Satana, “rain’ny lainga.”—Salamo 31:5; Jaona 8:44.

Mialà amin’ny fivavahan-diso

2. Inona no anisan’ny fomba ataon’i Satana hanakanana ny olona tsy hivavaka amin’i Jehovah?

2 Safidy mampiseho fahendrena sy ahazoana sitraka amin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra hanompo azy. Tsy faly amin’ireo maniry hanompo an’Andriamanitra anefa i Satana, ka mamorona zava-manahirana ho azy ireny. Anisan’ny ataony amin’izany ny fanesoana sy fanoheran’ny olona, indrindra fa ny namana sy ny havana. Efa nilaza anefa i Jesosy fa “ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.”—Matio 10:36.

3. Inona no hataonao raha manohitra ny fivavahanao amin’Andriamanitra ny havanao na ny namanao?

3 Ahoana no hataonao raha mitranga aminao izany? Maro no mahafantatra fa diso ny fivavahany, nefa misalasala ny hiala amin’izany, satria heveriny fa mivadika amin’ny fianakaviany izy raha manao izany. Mety ve izany eritreritra izany? Tsy hampitandrina ny havanao ve ianao, ohatra, raha fantatrao fa mampiasa zava-mahadomelina tena manimba azy izy? Tsy hety raha ianao indray no handeha hanaraka azy hampiasa an’ilay zava-mahadomelina.

4. Inona no nolazain’i Josoa tamin’ny Isiraelita, momba ny fivavahana tamin’ny androny?

4 Nampirisika ny Isiraelita hiala tamin’ny fivavahan-diso sy ny fomban-drazana diso i Josoa. Hoy izy: “Ankehitriny, matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’i Jehovah.” (Josoa 24:14) Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Josoa, ka notahin’i Jehovah. Hitahy antsika koa i Jehovah, raha tsy mivadika aminy isika.—2 Samoela 22:26.

Poteho ny zavatra nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso

5. Nahoana no tokony hopotehintsika ny ody?

5 Rehefa miala amin’ny fivavahan-diso, dia tokony hopotehina koa ny ody, na fiarovana izany, na peratra na firavaka na zavatra hafa mifandray amin’ny ody. Zava-dehibe izany satria mampiseho fa mitoky tanteraka amin’i Jehovah isika.

6. Nataon’ny Kristianina voalohany ahoana ny bokiny momba ny fanaovana ody?

6 Eritrereto ny nataon’ny Kristianina voalohany, rehefa nanaraka ny fivavahana marina izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra.”—Asan’ny Apostoly 19:19.

7. Inona no azontsika atao raha mampijaly antsika ny demonia?

7 Mety hisy hampijalin’ny demonia ireo nanao ody, na famosaviana, na zavatra mifandray amin’izany, nefa manomboka manompo an’i Jehovah izao. Antsoy mafy amin’ny vavaka ny anaran’i Jehovah, raha mitranga aminao izany. Hanampy anao izy.—Ohabolana 18:10; Jakoba 4:7.

8. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny sampy sy ny sary masina ampiasaina amin’ny fivavahan-diso?

8 Tsy mahazo mitahiry na mampiasa sampy, na sary masina nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ireo maniry hanompo an’i Jehovah. ‘Mandeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fahitana’ ny Kristianina marina. (2 Korintiana 5:7) Mandrara ny fampiasana sary ivavahana ny lalàn’Andriamanitra, ka arahin’izy ireo izany.—Eksodosy 20:4, 5.

Miaraha amin’ny vahoakan’i Jehovah

9. Inona no atoron’ny Baiboly mba hahatonga antsika ho hendry?

9 Hoy ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20) Mila miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah isika, raha te ho hendry. Mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana izy ireo.—Matio 7:14.

10. Ahoana no anampian’ny Vavolombelon’i Jehovah anao hanompo an’Andriamanitra?

10 Tena miahy ny olona ny Vavolombelona. Asan’izy ireo ny manampy olona tso-po hahatakatra ny fahamarinana ara-baiboly mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Afaka manampy anao maimaim-poana hianatra ny Baiboly izy ireo. Hamaly ny fanontanianao izy ireo, ary hampiseho aminao ny fomba hampiharana ny fahalalana ara-baiboly eo amin’ny fiainana.—Jaona 17:3.

11. Ahoana no anampian’ny fivoriana kristianina anao?

11 Hianatra bebe kokoa momba ny lalan’i Jehovah ianao any amin’ny fivorian’izy ireo, atao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Vao mainka hampitombo ny fanirianao hanaraka ny fivavahana marina izany. Hahazo fampiofanana eo amin’ny fanampiana olon-kafa hianatra ny fahamarinana ara-baiboly koa ianao.—Hebreo 10:24, 25.

12. Nahoana no manampy anao hanompo an’Andriamanitra ny vavaka?

12 Azo inoana fa hitombo ny fankasitrahanao ny lalana feno fitiavan’i Jehovah, rehefa mianatra bebe kokoa momba ny sitrapony sy ny fikasany ianao. Tokony hitombo koa ny fanirianao hampifaly azy sy hanalavitra ny zavatra tsy tiany. Tadidio fa afaka mangataka fanampiana amin’ny vavaka ianao, mba hanaovanao ny tsara sy hanalaviranao ny ratsy.—1 Korintiana 6:9, 10; Filipiana 4:6.

Ahoana no anarahanao ny fivavahana marina?

13. Ahoana no ampifalinao ny fon’i Jehovah?

13 Ho hitanao ihany, rehefa mitombo ara-panahy ianao, fa ilaina ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa. Hampifaly ny fon’i Jehovah ianao, rehefa manjary anisan’ny vahoakany. (Ohabolana 27:11) Ho anisan’ny vahoaka sambatra lazain’Andriamanitra toy izao ianao: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.”—2 Korintiana 6:16.