Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sasin-teny

Sasin-teny

TOMPON’IZAO rehetra izao ilay Andriamanitra Tsitoha. Miankina aminy ny fiainantsika ankehitriny sy ho avy. Sady afaka mamaly soa izy no afaka manafay. Sady afaka mamelona izy no afaka mamono. Tsara raha ankasitrahany isika, fa raha tsy izany kosa dia ho ratsy ny hiafarantsika. Tena zava-dehibe àry raha ankasitrahany ny fivavahantsika!

Samy hafa ny fomba ivavahan’ny olona. Andeha hataontsika hoe lalana ny fivavahana. Samy mankany amin’Andriamanitra daholo ve ny fivavahana rehetra? Tsia. Nasehon’i Jesosy, mpaminanin’Andriamanitra, fa roa ihany ny lalana. Hoy izy: “Lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”—Matio 7:13, 14.

Roa ihany ny karazana fivavahana: Ilay mitarika ho amin’ny fiainana sy ilay mitarika ho amin’ny fahaverezana. Ny zava-kendren’ity bokikely ity dia ny hanampy anao hahita ilay lalana mankany amin’⁠ny fiainana mandrakizay.