Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 1

Mahaiza Mampidi-dresaka

Mahaiza Mampidi-dresaka

Asan’ny Apostoly 17:22

AHOANA IZANY? Ataovy mahaliana izay lazainao voalohany. Tonga dia ampidiro ao koa ny foto-kevitra horesahinao, ary ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay izy.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ataovy mahaliana izay lazainao. Mitadiava fanontaniana na tantara tena nisy na vaovao na zavatra hafa mahaliana.

  • Ampidiro ao ny foto-kevitra horesahinao. Tonga dia ataovy mazava hoe inona ilay foto-kevitra tianao horesahina, ary nahoana ianao no te hiresaka an’ilay izy.

  • Ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay foto-kevitra. Hevitra tena ilainy no resaho. Tokony ho azony hoe mahasoa azy izay lazainao.