Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 10

Ovaovao ny Feonao

Ovaovao ny Feonao

Ohabolana 8:4, 7

AHOANA IZANY? Ovaovao ny haavon’ny feonao sy ny hafainganany, mba hazava tsara izay hevitra resahinao sady hanohina ny fo.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ovaovao ny haavony. Mitenena mafy kokoa rehefa manasongadina hevi-dehibe na ny haben’ny zavatra iray na ny halavirany, na koa rehefa mampirisika ny olona hampihatra an’izay lazainao, na rehefa mamaky didim-pitsarana ao amin’ny Baiboly. Ho hita koa hoe mafana fo ianao raha miteny mafy. Mitenena mora kosa rehefa miteny zavatra mampahatahotra na mampalahelo, na alohan’ny hitenenana zavatra mahaliana.

  • Ovaovao ny hafainganany. Mitenena haingana kokoa rehefa milaza zavatra mahafaly. Mitenena miadana kosa rehefa milaza hevitra tena lehibe.