Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 11

Miezaha Hafana Fo

Miezaha Hafana Fo

Romanina 12:11

AHOANA IZANY? Miezaha hafana fo rehefa miteny, dia hazoto hampihatra an’izay lazainao ny olona.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Saintsaino tsara ilay izy mba hanohina ny fonao. Rehefa manomana an’izay horesahinao ianao, dia eritrereto hoe nahoana ilay izy no tena ilaina. Miezaha koa hanomana tsara, dia hafana fo ianao rehefa manazava hevitra.

  • Eritrereto ny soa ho azon’ny olona amin’ilay izy. Saintsaino hoe nahoana no tena mahasoa azy ilay zavatra hovakinao na hampianarinao. Diniho avy eo hoe inona no azonao atao mba hazava tsara aminy izany.

  • Aza atao mampatoritory ny anjaranao. Miezaha hafana fo rehefa miteny. Ataovy hita amin’ny endrikao sy ny fihetsikao koa izay any am-ponao. Aza amboamboarina be anefa ny fihetsika sy ny endrika.