Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 12

Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

1 Tesalonianina 2:7, 8

AHOANA IZANY? Ataovy tsapan’ny olona iresahanao hoe tena vokatry ny fonao izay lazainao, ary tena te hanampy azy ianao.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Eritrereto izay mahazo an’ilay olona. Saintsaino hoe inona ny olana mahazo azy, ary inona ny tsapany. Hangoraka azy ianao amin’izay, ka ho vokatry ny fonao ny teninao.

  • Fidio tsara ny teny holazaina. Miezaha hampionona sy hampahery, ary aza miteny zavatra manafintohina. Aza manakiana ny olona tsy manompo an’i Jehovah na manakiana ny zavatra inoany.

  • Ataovy hitany hoe tena te hanampy azy ianao. Tokony ho heno amin’ny feonao izany, sady ho hita amin’ny fihetsikao sy ny endrikao. Miezaha koa ho sariaka foana.