Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 13

Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra

Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra

Isaia 48:17

AHOANA IZANY? Ampio ny olona hahita hoe natao ho an’azy ilay zavatra ampianarinao, sady azony ampiharina tsara.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Eritrereto hoe inona no ilainy. Saintsaino hoe nahoana izy no mila an’ilay zavatra horesahinao aminy, ary inona amin’ilay izy no tena hahasoa azy.

  • Atoroy azy hoe ahoana no azony ampiharana an’ilay izy. Vao manomboka miresaka ianao, dia efa ataovy izay hahitan’ny olona tsirairay mihaino anao hoe ilainy ilay zavatra horesahinao. Isaky ny manazava hevi-dehibe ianao, dia atoroy azy tsara hoe ahoana no azony ampiharana an’ilay izy, fa aza milaza zavatra ankapobeny fotsiny.