Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 14

Ataovy Misongadina ny Hevi-dehibe

Ataovy Misongadina ny Hevi-dehibe

Hebreo 8:1

AHOANA IZANY? Ataovy mazava tsara hoe inona avy ny hevi-dehibe, dia inona no ifandraisany amin’ny tanjon’ilay lahateny sy ny foto-kevitra.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Fantaro hoe inona no tanjona amin’ilay lahateny. Natao hampianarana zava-baovao ve ilay izy, sa handresena lahatra, sa hampirisihana ny olona hampihatra torohevitra? Ataovy hita tsara ilay tanjonao isaky ny miresaka hevi-dehibe ianao.

  • Ataovy misongadina ilay foto-kevitra, mandritra ny lahateninao. Resaho kely foana izay teny hitanao hoe mila asongadina ao amin’ilay foto-kevitra, na mampiasà teny mitovy dika aminy.

  • Ataovy mora azo, dia aza atao be loatra. Lazao mazava tsara ny hevi-dehibe horesahinao, ary miatoa isaky ny avy manazava anankiray. Ataovy hita hoe mifampitohy amin’ny hevi-dehibe manaraka ilay izy. Aza miresaka hevi-dehibe tsy mifandray amin’ilay foto-kevitra, mba tsy hihoatra ny lahateninao. Fero ny isany mba ho voazava tsara.