Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 15

Asehoy hoe Tena Mino An’izay Lazainao Ianao

Asehoy hoe Tena Mino An’izay Lazainao Ianao

1 Tesalonianina 1:5

AHOANA IZANY? Asehoy fa tena resy lahatra ianao hoe marina ny teninao, sady tena mila mihaino an’ilay izy ny olona.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Omano tsara izay holazainao. Ataovy azo tsara ilay zavatra horesahinao. Diniho hoe inona avy ny andinin-teny manaporofo an’ilay izy. Andramo hazavaina ny hevi-dehibe avy eo, ary ataovy tsotra sy fohy ny fanazavanao. Eritrereto hoe nahoana no mahasoa ny olona ilay izy. Mangataha fanahy masina amin’i Jehovah.

  • Fidio tsara ny teny hampiasaina. Aza vakina be fotsiny izay ao anaty boky na gazety, fa hazavao araka izay tena fahazoanao azy. Fidio tsara ny teny holazaina mba ho hita hoe tena azonao antoka izay resahinao.

  • Asehoy hoe tena resy lahatra ianao. Mitenena mafy tsara. Jereo eo amin’ny masony ny olona iresahanao, raha tsy manafintohina izany any aminareo.