Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 16

Miezaha Hiteny Zavatra Tsara sy Mampahery

Miezaha Hiteny Zavatra Tsara sy Mampahery

Joba 16:5

AHOANA IZANY? Aza mandany fotoana be miresaka olana, fa ny vahaolana no asongadino. Zavatra mampahery foana resahina.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Aza tonga dia eritreretina hoe tsy hiova intsony ny olona iresahanao. Matokia hoe te hampifaly an’i Jehovah ny mpiara-manompo aminao. Rehefa hanoro hevitra azy ireo ianao, dia derao aloha izy noho izay zavatra tsara vitany.

  • Aza mandany fotoana be miresaka olana. Aza miresaka zavatra mahakivy, raha tsy hoe tena ilaina ao amin’ilay anjaranao angaha izany. Tokony ho zavatra mampahery foana no hisongadina ao amin’ilay izy.

  • Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra. Lazao, ohatra, hoe inona no efa nataon’i Jehovah ho antsika, dia inona ny zavatra ataony izao, ary inona no mbola hataony. Zavatra mampahery sy manatanjaka finoana no resaho.