Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 2

Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

2 Korintianina 2:17

AHOANA IZANY? Aza amboamboarina ny teninao fa ataovy hoatran’ny rehefa miresaka andavanandro, ary ataovy vokatry ny fo.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Omano tsara izay holazainao, ary mivavaha rehefa manomana. Mivavaha mba tsy hatahotahotra, fa hahavita hamoaka tsara an’izay tianao holazaina. Ataovy azo tsara izay hevi-dehibe horesahinao. Avereno amin’ny feo avo ilay izy avy eo, nefa aza atao tsianjery fa lazao araka izay tena fahazoanao azy.

  • Ataovy vokatry ny fo ny teninao. Eritrereto hoe nahoana no mila mihaino an’izay lazainao ny olona. Izay no ifantohy, dia hangoraka azy ianao, ka ho tsapany hoe vokatry ny fo ny teninao. Ho hitany amin’ny fihetsikao sy ny endrikao izany.

  • Jereo ny olona iresahanao. Jereo eo amin’ny masony izy raha tsy manafintohina izany any aminareo. Rehefa mandaha-teny ianao, dia aza jerena maimaika fotsiny ny mpanatrika, fa mijere kely any amin’ny olona iray, dia avy eo mijere any amin’olon-kafa indray.