Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 20

Ataovy Mety Tsara ny Teny Famaranana

Ataovy Mety Tsara ny Teny Famaranana

Mpitoriteny 12:13, 14

AHOANA IZANY? Ampirisiho faramparany ny mpanatrika mba hampihatra an’izay henony. Ampio koa izy mba hanaiky hoe marina ilay izy.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ampidiro ao ny hevitra noresahinao. Avereno resahina kely ny hevi-dehibe sy ny foto-kevitra.

  • Ampirisiho hampihatra an’izay nianarany ny mpanatrika. Atoroy azy hoe ahoana no azo ampiharana an’ilay izy, dia hazavao hoe nahoana izy no mila manao an’izany. Asehoy hoe matoky ianao fa marina izay lazainao.

  • Ataovy tsotra sy fohy. Aza miresaka hevi-dehibe hafa intsony. Ampirisiho farany ny mpanatrika mba hampihatra an’izay nianarany, nefa aza atao lava be ny teninao.