Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 4

Mahaiza Mampiditra Andinin-teny

Mahaiza Mampiditra Andinin-teny

Matio 22:41-45

AHOANA IZANY? Miresaha hevitra kely mifandray amin’ilay andinin-teny alohan’ny hamakiana azy.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Resaho hoe nahoana ianao no hamaky an’ilay izy. Alohan’ny hamakiana andinin-teny, dia miresaha hevitra mifandray amin’ilay izy mba hanampiana ny olona hahita ny hevi-dehibe ao.

  • Lazao hoe avy ao amin’ny Baiboly izay horesahinao. Mino an’Andriamanitra ve ilay olona iresahanao? Asongadino hoe avy ao amin’ny Teniny izay lazainao, dia ho hitan’ilay olona hoe ny hevitr’Andriamanitra no ampianarinao.

  • Ataovy izay hahatonga azy ho liana amin’ilay andininy. Mametraha fanontaniana, dia lazao hoe mamaly an’ilay izy ilay andininy. Na miresaha olana iray, dia teneno hoe ao amin’ilay andininy ny vahaolana. Na koa milazà toro lalana iray, dia mamakia tantara ao amin’ny Baiboly ahitana an’ilay izy.