Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 6

Hazavao Tsara Izay Andinin-teny Ampiasainao

Hazavao Tsara Izay Andinin-teny Ampiasainao

Jaona 10:33-36

AHOANA IZANY? Aza vakina fotsiny ilay andininy, fa ataovy mazava tsara hoe inona no ifandraisany amin’ilay hevitra resahinao.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Atoroy hoe inona avy ny teny mifandray amin’ny hevi-dehibe. Rehefa avy mamaky andinin-teny ianao, dia avereno vakina izay teny mifandray amin’ilay hevi-dehibe tianao horesahina, na anontanio an’ilay olona.

  • Asongadino ny hevi-dehibe. Raha efa noresahinao kely ilay hevi-dehibe talohan’ny namakianao an’ilay andininy, dia hazavao amin’izay ilay izy izao. Ampiasao ireo teny mifandray aminy, rehefa manazava ianao.

  • Ataovy tsotra ny fanazavanao. Aza miresaka hevitra tsy tena ilaina. Mety ho efa mahafantatra momba an’ilay foto-kevitra resahinao ihany mantsy ilay olona. Izay hevitra tena hampahazava tsara an’ilay izy resahina.