Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 7

Zavatra Marina Foana Ampianarina

Zavatra Marina Foana Ampianarina

Lioka 1:3

AHOANA IZANY? Tokony hampiasa fanazavana marina tsara ianao, mba tsy ho diso ny zavatra ampianarinao.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Mitadiava porofo marina tsara. Mitadiava porofo ao amin’ny Baiboly, dia izay no resaho. Vakio mihitsy ilay andininy, raha azo atao. Raha hiresaka lahatsoratra navoakan’ny mpahay siansa na vaovao na fanazavana hafa ianao, dia diniho aloha hoe tena marina ve ilay izy na mbola azo ampiasaina ve.

  • Tandremo sao diso ny fanazavanao. Eritrereto tsara hoe inona no tena hevitr’ilay andininy hohazavainao, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny Baiboly manontolo ary ny zavatra efa noresahin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Raha hampiasa fanazavana navoakan’olona ianao, dia aza ovana ilay izy fa izay tena nolazainy no resaho.

  • Hazavao tsara izay porofo ampiasainao. Ataovy azon’ny olona tsara ilay izy, na andinin-teny io na fanazavana hafa. Mametraha, ohatra, fanontaniana mety tsara, na manaova fanoharana.