Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 8

Manaova Fanoharana Mandaitra

Manaova Fanoharana Mandaitra

Matio 13:34, 35

AHOANA IZANY? Tokony ho tsotra ilay fanoharana nefa mahaliana. Hanampy ny olona hahatadidy ny hevitra tianao hampianarina izany.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Mitadiava fanoharana tsotra. Manaova hoatran’i Jesosy rehefa hanazava hevitra sarotra, ka zavatra tsotra sy efa mahazatra no resaho ao anaty fanoharana. Aza miteny zavatra tsy ilaina, mba tsy ho sarotra be ilay fanoharana. Aza milaza hevitra tsy tena mifandray amin’ilay izy koa, sao tsy ho hain’ilay olona hoe inona marina no lesona azony ianarana.

  • Eritrereto hoe inona no mety aminy. Diniho ny zavatra fanaon’ilay olona na mahaliana azy, dia izay no resaho ao anaty fanoharana. Aza manao fanoharana mahasadaikatra na manafintohina.

  • Aza manao fanoharana tsy ilaina. Ny hevi-dehibe ihany anaovana fanoharana, fa tsy ny hevitra madinidinika. Tsy ilay fanoharana fotsiny no tokony ho tadidin’ilay olona, fa ny lesona azo ianarana avy amin’ilay izy koa.