Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 9

Mampisehoa Video na Sary

Mampisehoa Video na Sary

Genesisy 15:5

AHOANA IZANY? Mampisehoa video na sary, mba ho mora tadidy ny zavatra ampianarinao sady hazava kokoa.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Fidio tsara ilay izy. Afaka mampiasa video ianao rehefa manompo. Ary ahoana rehefa manao lahateny? Afaka mampiasa sary na sarintany ianao. Aza mampiasa an’ireo amin-javatra madinidinika anefa, fa rehefa hanasongadina hevi-dehibe ihany. Tsy ilay sary na ilay video ihany no tokony ho tadidin’ny olona, fa ilay lesona tianao hampianarina koa.

  • Ataovy hita tsara ilay izy. Raha mampiseho sary avy eny amin’ny lampihazo, ohatra, ianao, dia ataovy ngeza tsara ilay izy mba ho hitan’ny rehetra.